Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Marsa, 2010
Vaovao fanampiny Madagasikara: Tafakatra 78 ny aina nafoy taorian'ny fandalovan'ny rivomahery Hubert
Nampitain'ny namana Tomavana fa niakatra be ny isan'ny aina nafoy araky ny tatitra farany nampitain'ny tompon'andraikitra, taorian'ny fandalovan'ny rivomahery Hubert tany Madagasikara, raha 36 izany tamin'ny herinandro lasa dia tafakatra 78 kosa ankehitriny ary mahatratra 145'000 ireo tra-boina. Ambarany koa fa nohon'ny tondra-drano tsy an-kijanona, dia manahy ny fiverenan’ny areti-mifindra...
Kazakhstan: Tondra-drano nahafaty olona 47, an-jatony maro no tsy manan-kialofana
Olona aman'arivony no nafindra toerana taorian'ny fianjeran'ny barazy 2 tany Kazakhstan ny alakamisy sy zoma lasa teo. Tao amin'ny distrikan'i Aksuiky, ao avaratry ny renivohitra ekonomika Almaty no niseho ny loza. KZblog milaza: Tamin'ny alakamisy dia nirodana ny barazy tao amin'ny faritry Karatalsky, fivondronan'i Almaty, taorian'ny fitsonihan'ny ranomandry be loatra....
Miteraka fikorontanana ny tantara “fanampiana ho an'ny fitaovam-piadiana” Etiopiana
Niteraka fikorontanana be ny BBC tamin'ity herinandro ity noho ny tantara iray milaza fa nampiasain'ireo mpihoko nividianana fitaovam-piadiana ireo dollar an-tapitrisany maro nalefa hanampiana ireo fianakaviana tratran'ny hanoanana tany Etiopia tamin'ny taona 1980. Nanohitra izany tantara izany ireo mpihoko, izay manjaka ao amin'ny governemanta Etiopiana, sy ireo vondrona sasantsasany mpanao...
Madagasikara: Hiatrika sazy ny mpitondra herintaona aty aoriana
Eo ampanatonan'ny fitsingerenan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 17 marsa 2009 teto Madagasikara, iny dia efa mananontanona ihany koa ny fanasaziana hampiharina amin'ny olona tsirairay amin'ireo mpitondra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao noho ny tsy fanajan'izy ireo ny fifanarahan'i Maputo izay efa nifaneken'ny mpandray anjara rehetra. Tonga moa izao fanapahan-kevitra izao taorian'ny fampitandremana...
Kenya: Tondradrano tao Samburu fa nihoa-morona ny ony Ewaso Nyiro
Tobim-pikarohana STE anaty rano Nitondraka an'i Samburu faritra avaratr'i Kenya ny fiposahan'ny masoandro'ny alakamisy 4 marsa ny rano ka nandrava trano falafa fandraisana mpizahantany 6, tobim-pikarohana momba ny fiainan'ny (bibidia) ary nahatonga ny olona an'arivony hianika eny ambony tafo na eny ambony hazo. Avy any amin'ny reniranon'i Ewaso Nyiro izay...
Chili: Tsunami mahavoa an'ireo nosy Juan Fernández
Faritra Siliana iray hafa tsy afa-bela tamin'ireo onja nateraky ny horohorontany mahery vaika ireo nosy Juan Fernández 667 km manodidina ny morontsiraka Siliana.
Chili: Tsy nahomby ny fifandraisana
Jorge Barahona no manoratra ny tsy fahombiazan'ny fitondrana Chiliana teo amin'ny lafiny fifandraisana an-tserasera [es] taorian'ny horohorontany, izay tsy nampiasa araka izay tratrany ny fitaovana teo ampelatanany. Na izany aza dia nankasitrahany indrindra ireo fifampitam-baovao tahaka ny Twitter sy ny fidirana an-tserasera 3G izay nahafahany mahara-baovao. Eduardo Avila
Chili: Ny takaitra navelan'ny horohorontanin'ny taona 1960 tany Valdivia
Dimampolo taona lasa izay no nisian'ny horohorotany lehibe indrindra voasotra an-tantara, nanozongozona ny tanànan'i Valdivia any Chile. Nijanona na'reitreritry ny maro ny lova navelan'iny horohorontany iny teo amin'ny tantaran'i Chile, anisan'izany ireo mpampiasa Twitter maro any amin'io tanàna io.
Maraoka: tsy nampoizina nandravarava
Minaret Bab Berdieyinne, Meknes Maraoka (saripikan'i Eli J. T.) Vaovaom-paharavana nitranga tany Maraoka tamin'ny 19 Febroary lasa teo: Nihotsaka nandritra ny fotoam-bavaka isan-joma ny minaret an'ny môske Bab Berdieyinne (fantatra ihany koa amin'ny hoe moske Lalla Khenata bint Bekkar) izy miorina ao amin'ny tanàna Lovan'ny UNESCO ao Meknès, Maraoka (izay...