· Febroary, 2010

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Febroary, 2010

Chili : Tahotra Tsunami tany amin'ny nosin'i Paska

  28 Febroary 2010

Fanta-daza noho ireo sary sokitra Polyneziana izay manintona mpizahantany manerantany ny Nosin'ny Paska. Fantatra amin'ny anarana napetraky ny mponina ao ho Rapa Nui moa ity anatin'ny zaratanin'i Chili ity, izay any amin'ny 3500 km andrefan'ny kaontinantan'i Amerika atsimo ary manana mponina maharitra manakaiky ny  5000. Taorian'ny horohorontanin'ny 27 febroary moa...

Chili: Horohorontany tany Chili hitan'ny mason'ny olona

  28 Febroary 2010

Santiago taorian'ny horohorontany nopihan'i pviojo CC-By Koa satria moa efa hadiva hilentika ny masoandro dia nitombo isa ireo lahatsary mitantara ny horohoroontany nahatratra 8,8 izay nihatra tamin'i Chili tamin'ny 3:30 maraina. Koa satria moa tsy ny tanibe ihany no nisian'izany hetsiky ny tany izany dia niteraka onjan-dranomasina vaventy (tsunami) izay...

Chili : Horohorontany mahatratra 8,8 refy Richter

  28 Febroary 2010

Horohorontany manana herim-pihetsehana 8,8 amin'ny refy Richter no nandona ny faritr'i Maule tamin'ny 3:34 maraina tany an-toerana any Chili io. Heno hatrany an-drenivohitra Santiago izay 325km miala ny ivony ny hetsiky ny tany. Betsaka ny fahasimbana manerana ny firenena, ary mitombo isa araka izany ihany koa ny niharam-boina. Mbola re...

Haiti: Fisaonana sy fitiavana

  19 Febroary 2010

Na dia eo aza ny fahasarotana iainan'ny vahoaka Haitiana hiverina amin'ny fiainana andavanandro taorian'ny horohorontany tamin'ny 12 janoary lasa teo dia nahazo vahana tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny andron'ny mpifankatia. Alterpresse manazava ny fizotry ny fankalazana tamin'ity taona ity [Fr]: Des milliers de personnes ont encore pris part à...

Hoy ny mpamahambolongana Amerikana momba ny fangalaran-jaza kamboty Haisiana

  18 Febroary 2010

Raha eo andalam-panarenana sy fanorenana i Haiti, dia misy indray ny fanahiana ny mikasika ny kilonga indrindra moa fa ny kamboty. Efa maro ny tatitra momba fitadiavan'ireo mpanondran-jaza mitady kilonga marefo fiarovana, ary anisan'izany ity vaovao navoakan'ny CNN ity. Misy fifandraisana betsaka amin'i Etazonia ny momba ny kamboty satria Amerikana...

Haiti: Fomba fahitan'ireo tanora momba ilay horohorontany

  02 Febroary 2010

Na dia betsaka aza ny tatitra natao taorian'ilay horohorontany mirefy 7,3 nanimba ampahany betsaka tamin'ny renivohitr'i Haiti, nisy vondrona mpitoraka blaogy haitiana iray adinodino - ireo tanora. Ity misy topimaso kely amin'izay lazain'ireo tanora momba ity loza ity, izay nanokatra vanim-potoana iray vaovao teo amin'ny fiainan'izy ireo.

Global Voices any Haiti: Ny Ekipanay any an-Toerana

  02 Febroary 2010

Taorian'ny horohorontany tamin'ny 12 Janoary tany Haiti, nandefa ekipan'olon-droa any Port-au-Prince ny Global Voices mba hanampiana ny fitateranay vaovao momba ireo ezaka fanarenana, sy hanairana ny fandraisana anjaran'ireo any an-toerana amin'ny haino aman-jerin'ny olom-pirenena. Ireto ny antsipirian'ny tanjona iasan'i Georgia Popplewell sy Alice Backer.

Sary mihetsika: Antso vonjy ho an'i Perou Atsimo tratran'ny tondra-drano

  01 Febroary 2010

fahatezeran'i rio urubamba avy amin'i Carlos Jose Rey ao amin'ny Living in Peru, nahazoana alàlana Nahatonga ny mponina any Cusco sy ny manodidina azy any Perou hihetsika handefa sarimihetsika tamin'ny web ny trangam-pahamehana misy any aminy, miezaka izy ireo hanaitra ny fampahalalam-baovao rehetra hijery ny loza iainan'ireo mponina any an-toerana...