· Mey, 2008

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Mey, 2008

Shina : Fisaonana tao Tiananmen ireo maty sy niharam-boina nohon'ny horohorontany

  29 Mey 2008

hk1183 no manapariaka andiantsary maro nalaina tany amin'ny kianja malalaky Tiananmen, nandritra ny hetsika “3 minitram-pahanginana” ho fisaonana ireo maty sy fiaraha-miory amin'ireo niharam-boina nohon'ny horohorontany nitranga tany amin'ny faritry Sichuan, izay natao ny 19 May 2008 tany Beijing, any Shina, ary nahitana olona mpandray anjara maro.

Manokatra fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana ny vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao ny vohikala YouTube

  23 Mey 2008

Nihatsotra ny fahazoana tombom-potoana hanapariahana ireo vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao : ny vohikala mpampariaka lahatsary eto amin'ny Aterineto YouTube dia nanokatra fantsona fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana azy ireny, ary nampitondrainy ny anarana hoe CitizenNews [vaovaon'ny olontsotra]. Ireo Vlogger [video+blogger mpiblaogy amin'ny alalan'ny lahatsary] dia afaka misoratra anarana ary mampariaka ho hitan'izao tontolo izao...

Shina: Horohorontany nahatratra ny hery 7.8 izay tsapa saiky manerana an'i Shina

  14 Mey 2008

Tokony ho ora roa lasa izay, dia nisy horohorontany izay nahatratra ny hery 7.8 eo amin'ny metatry Richter [7,0-7,9 heverina ho toy ny horohorontany henjana izay mety mahatratra 18 isan-taona maneran-tany, sy ranomasina] izay nandona ny faritra Atsimo Atsinan'i Shina, dia ny faritanin'i Sichuan, izay tao amin'ny fivondronan'ny Wenchuan ny...

Shina : Horohorontany an-tsary

  14 Mey 2008

Nanagona sy nanapariaka andian-tsary mampiseho ny ny horohorontany vao nitranga tany amin'ny faritry Sichuan any Shina i ESWN [East South West North na Atsinanana Atsimo Andrefana Avaratra].

Maraoka : hatezerana sy alahelo noho ny orinasa izay nirehitra

  13 Mey 2008

Nisiana haintrano mahatsiravina roa tao an-drenivohitry ny toe-karena maraokana, Casablanca, tamin’ny faran’ity herinandro ity ka ny iray tao amin’ny orinasa mpanao kidoro ary ny faharoa kosa tao amina orinasa fanaovan-damba iray. Ampolony ny olona maty nandritra izany haintrano izany noho ny nanidian’ny mpampiasa ny toeram-piasana (avy any ivelany). Mitafatafa amin’alahelo sy fahatezerana noho io toe-javatra mahonena io no tontolom-bolongana Maraokana.

Myanmar: Milona ny asa famonjena

  10 Mey 2008

Miakatra hatrany ny isan'ny maty tao Myanmar andro maro taorian'ny nandalovan'ilay rivo-doza mahafaty namely ny firenena. Razana maro no ariana (atsipy) any an-drenirano Tonga avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny fanampiana saingy ny fitondrana miaramila no mampanano-sarotra ny hetsik'ireo fikambanana mpanampy avy any ivelany. Miharatsy ny toe-draharaha rehefa ny sakafo sy ny fanafody no tsizarizary