· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Mey, 2013

Italia: Ravan'ny Afo Ilay Tranom-Bakoka ‘Città della Scienza’ ao Napla

  24 Mey 2013

Ny 4 Martsa dia afobe nijoalajoala (ahiahiana ho niniana natao) no nandrava ny invon-toerana ara-kolontsaina. Mifanindran-dàlana amin'reo fanehoan-kevitra feno ahiahy, avy hatrany ireo mpisera ety anaty aterineto (sy ny sasany amin'ireo manampahefana ao an-toerana) dia nanomboka fenentanana ny ho fanarenana indray ity fotodrafitrasa an'ny vahoaka ity, tena be mpitia tokoa manerana an'i Eoropa sady ivon-toerana ara-tsiansa manana ny lanjany ho an'ny tanora sy ny taranaka hoavy.

Hongria : Mpanao Politika Namono Vady, Alika Jamba No Meloka

Novelesin'i József Balogh, mpanao politika iray amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna Hongroa ny vadiny ary tsaboina any amin'ny toeram-pitsaboana. Nambarany fa naronjon'ny alika jamban'ny fianakaviana izy, nefa ilay vehivavy nilaza fa novonoin'ilay mpanao politika izy. Mandinika ny momba ireo memes sy ny adihevitra nahatonga io olana io i Marietta Le.

Bahrain: Mpisera Enina Nogadraina Noho Ny Fanevatevana Mpanjaka

Sazy herintaona antranomaizina avy no azon'ireo mpisera Twitter enina avy amin'ny fitsarana Bahrainita androany noho ny fanevatevana ny mpanjaka Hamad bin Isa Al Khalifa tamin'ny habaka bilaogy madinika. Araka ny tatitra nataon'ny Sampam-pahalalambaovaon'ny governemanta Bahrainita, “tranga dimy isan-karazany ” no niampangàna ireo “enina voarohirohy”, izay “mahakasika ny fampiasana tsy ara-drariny ny fahalalaham-pitenenana sy fanalam-baraka...

Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao

  12 Mey 2013

Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika - mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli - ao anatin'ny "fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano"