· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Avrily, 2013

Mampanahy ny Hoavin'ny Trano Famakiam-Pokonolona Ao Porto Rikô

  30 Avrily 2013

Miavaka ny Trano Famakiam-bokim-pokonolona San Juan, ao Porto Riko. Tsy mba manana kolontsaina momba ny trano famakiam-boky ho an'ny daholobe sy ny vondrom-piarahamonina ity nosy ity, satria natokana ho an'ireo mpikambana amin'ny toerana tahaka ny oniversite ny ankamaroan'ny trano famakiam-boky. Amin'ireo trano famakiam-boky misokatra ho an'ny daholobe, vitsy ireo azon'ny mpamaky boky...

Gresy : Fahadisoam-panantenan'Ireo Tsy Misy Taratasy Ara-Dalàna Migadra

  29 Avrily 2013

Naparitaka tao amin'ny Twitter ny tantaran'ny hadisoam-panantenana, rehefa avy nitsidika ny tobin'ny mpitandro filaminana any Drapetsona any Piraeus , toerana misy ireo mpifindra monina tsy nahazo alàlana maherin'ny 100 miaina amin'ny toerana tsy mendrika sy haizina ireo mpanao politika, mpanao gazety ary ireo mpikatroka mafàna fo mpanohitra ny fanavakavahana. Isan'ireo mpitsidika sy nitatitra izany i Maria Sidiropoulou, mpanoratra ao amin'ny GV.

Fandraketana Trangam-Panavakavahana Mba Hampitsaharana Ny ‘Tsy Fikitika’

  27 Avrily 2013

ONG iray iraisampirenena ny Video Volunteers, no sady mpiaro zon'olombelona, nanomboka ny fanentanana ARTIKLA 17 tamin'ny taona lasa izay idiran'ny fandraisana andraikitra amin'ny fijoroana vavolombelona mikasika ireo endrika samihafa isehoan'ny 'Tsy Fikitika' noraketin'ireo Mpifandray amin'ny Vondrom-piarahamonina Video Volunteers an-tsary. Hatreto dia lahatsary 30 no azo jerena mikasika ny fanaovana izany manerana an'i India.

Lahatsary: Ny Herisetra Sy Ny Fiarovana Ireo Mpanao Gazety Ao Meksika

GV Mpisolovava  26 Avrily 2013

Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana. Anisan'ny vaovao mbola malaza ny lohahevitra momba ny herisetra ao Meksika. Tamin'ny taona 2011, nikarakara Fetiben'ny Bilaogy ny Global Voices amin'ny teny espaniola izay maro tamin'ireo bilaogera Meksikana no nandray anjara (jereo ny lahatsoratra nadika tamin'ny teny malagasy 1, 2, 3 [fr], 4  [fr] ary 5). Nandritra...

Hobitsihana, Halefa Mailaka sy Bilaogy Ny Fifidianana Ho Manaraka Eo Ao Japana

  26 Avrily 2013

Nankato ny volavolan-dalàna izay hahafahan'ny mpanao politika milatsaka ho fidiana mampiasa Twitter sy bilaogy i Japana ary mamoaka dokambarotra mampiasa aterineto mandritra ny fampielazan-kevitra ataony. Hatramin'ny herinandro lasa, ireo Japoney mpilatsaka ho fidiana dia tsy maintsy nitandrina fatratra tamin'ny fitetezana ny pejy Facebook-ny, ny kaonty Twitter sy ireo bilaogy mba hialana amin'ny fandikan-dalàna hentitra mikasika ny fifidinana eo amin'ny firenena izay mandràra ny hetsika ara-politika eny anaty aterineto.

“TrashOut”: Sarintany Ifandrimbonan'ny RuNet Hanoroana Toera-Pako Tsy Ara-dalàna

Akon  26 Avrily 2013

Nisy fampihatra am-pinday vaovao mpandala ny tontolo iainana navoaka [ru] tao Rosia. Fifandrimbonana an-tsarintany ahafahan'ny mpisera manamarika toerana tsy ara-dalàna ahitana fako ao amin'ny sarintany iray ny “TrashOut“. Ity app (fampihatra) maimaipoana ho an'ny iOS sy ny Android, izay efa vita amin'ny fiteny hafa maro, dia vonona amin'ny fiteny Rosiana noho ny...

Venezoela: Fanombohan'ny Fifamelàna ve?

  25 Avrily 2013

Ao anatin'ny fisavoritahana [en] sy fifandonana [en] izay nametraka fenitra teny an-dalambe sy any anaty aterineto taorian'ny fifidianana [en] ny 14 aprily, sehatry iray ho an'ny fisaintsainana maro ihany koa ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.

Doka Tatinjaza Ho ‘Fanolanana’ Ny Tantaran'i Philippines

  25 Avrily 2013

Nibaiko ny hampitsaharana amin'ny fahitalavitra ny doka iray maka tahaka sady maneso ny zava-nitranga raha namono ilay portiogey mpamakilay Ferdinand Magellan tamin'ny 1521 nandritra ny Fifanandrinan'i Mactan i after A Philippine diaper manufacturer has been ordered to stop airing a TV advertisement that parodies the scene when Datu Lapu-Lapu ny orinasa iray mpamokatra...

Mihemotra i YouTube Raha Misosasosa Ny Aterineto ao Korea Atsimo

  24 Avrily 2013

Ao Korea atsimo izay efa nozarina ny misosasoa amin'ny aterineto anisan'ny hainga-pikoriana indrindra manerantany, dia tsy mitsahatra ny itarainana hatrany ny YouTube noho ny fikatsokatsoany. Saingy nahoana moa ity habaka mampiantrano lahatsary ity no miada-pikoriana loatra raha oharina amin'ny ambin'ny aterineton'i Korea Atsimo? Ny valiny dia mitoetra ao amin'ny tsy fanajan'ny orinasa...

Torolalana Ara-dalàna Momba Ny Fiarovana Nomerika Ho An'ny Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Arabo

Namoaka "torolalana ara-dalàna ho fiarovana ara-nomerika" ho an'ny mpanentana sy ny mpikatroky ny zon'olombelona ary ny mpisolovava liana amin'ny fahalalaha-miteny nomerika sy ny tsiambaratelom-pifandraisana sy ny antontan-kevitra voatahiry ao amin'ny finday, solosaina na zavatra hafa ampiasaina hitehirizana sy izarana vaovao ny Fikambanana Miaro ny Fahalalaham-Pitenenana sy Fieritreretana ao Ejipta.