· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Marsa, 2013

Nandresy Tamin'ny Lalao Fifaninanana Baseball Manerantany Ny Repoblika Dominikana

  30 Marsa 2013

Faly sy ravoravo ny fon'ireo Dominikana noho ny ezaka vitany tsy mampino nandritra ny fifaninanana Baseball Klasika Manerantany III. Tamin'ny Talata 19 Martsa 2013, nandrombaka ny fandresena farany tamin'ny Lalao Baseball Manerantany 2013 ny ekipa Dominikana, rehefa avy nandresy ny ekipa nasionaly Poerto Rikàna [es] tamin'ny isa 3-0. Tao anatin'ny Lalao  Klasika, sambany nandrombaka...

Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?

  29 Marsa 2013

Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong no nikarakara fihaonambe hanehoany ny firaisankinany amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny Alahady 10 Martsa 2013. Maro amin'ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana no mihevitra fa tokony handray ny lesona avy amin'i Tibet ny vahoakan'i Hong Kong mba tsy hiverenan'ny tantara any Hong Kong.

Mandrahona Hanakatona Ny Skype sy ny WhatsApp i Arabia Saodita

Mandrahona hanakatona ireo fitaovam-piseraserana malaza, tahaka ny Skype sy ny WhatsApp (tolotra fandefasan-kafatra amin'ny finday) i Arabia Saodita, Fahavalon'ny Aterineto, koa asa raha hanaiky hanohintohina ny fiainana manokan'ireo mpanjifa sy hanara-maso azy ireo ny orinasam-pifandraisana. Brian Whitaker, mibilaogy ao amin'ny Al-bab, nilaza momba ireo manampahefana Saodiana fa: mandrahoana hanakatona ny fampiasana ireo fitaovam-pifandraisana...

Lahatsary: Mampiroborobo Ny Fitomboan'Ireo Horonantsary Fanadihadiana Ny Krizy Ao Gresy

  29 Marsa 2013

Ny Fetibe Thessaloniki faha-15 ho an'ny Fanadihadiana - tanterahina ny 15 ka hatramin'ny 24 Martsa 2013 - dia ahitàna horonantsary dimy miresaka momba ny krizy Grika [el], tahaka ny tamin'ny herintaona lasa [el]. Raha mbola manohy miasa eo ambanin'ny trosa miavosa sy ny olan'ny fitsitsiana mafy amin'ny famoaham-bola ny Fetibe sy i Gresy iray manontolo, dia samy mihamifantoka amin'ny asan'izy ireo amin'ny fanehoana ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiaraha-monina avokoa ny mpamokatra horonantsary foronina sy fanadihadiana.

Madagasikara : Lahatsary mitatitra ny fanolanana ireo zaza tsy ampy taona

  29 Marsa 2013

Ny vohikalam-baovao Journeyman.tv no nanapariaka tamin'ny faha-25 Martsa ny vokatry ny fanadihadiana [Sakalava/Frantsay, dikantsoratra Anglisy] izay nampiasana fakan-tsary miafina mba hampibaribariana ny fihamaroan'ny fanolanana atao ireo zaza tsy ampy taona aty Madagasikara: Misy reny iray nijoro vavolombelona ao anaty lahatsary : Zanako amin'zay moa mianatra izy, ataony amin'zay za tsisy...

Milina Coca Cola ‘Out of Order’ na Simba ao Aostralia

  29 Marsa 2013

Nisy fanentanana nahasehaka ny firenena manohitra ny Coca Cola taorian'ny fandresena teny anivon'ny Fitsarana momba ny lalàna mahasahana ny fonon'entana tao amin'ny Sisintany Avaratra (Northern Territory) ao Aostralia tamin'ny 4 marsa 2013. Indro i Robin Tennant-Wood namehy izany tao amin'ny bilaogy The Conversation : After the introduction of the Northern Territory’s CDL...

Aostralia: Hetsiky Ny Mponina Enti-manohitra Ny McDonald Any Amin'ny Vohitr'izy Ireo

  29 Marsa 2013

Nanana fifandraisana mivantana tamin'ny hetsi-panentanana anaty aterineto ny hetsika fanoheran'ireo mponina ny McDonald vaovao any amin'ny havoanan'i Melbourne any ivelan'ny tanànan'i Tecoma. Ho fanampin'ireo fanasàna atidoha, fivoriana sy fidinana an-dalam-be, nitondra zava-mahafinaritra ho an'ireo hetsi-panoherana tamin'ny alalan'ny famelàna olona kely an-jatony eo amin'ny tohotohotry ny birao foiben'ny McDonald ireo mafana fo.

Karaiba: “One Billion Rising” na “Iray Lavitrisa Mijoro”

  23 Marsa 2013

Ny fanentanana "One Billion Rising" , noforonina ho setrin'ny antonan'isa izay milaza fa iray amin'ny vehivavy telo no niharan'ny herisetra na fanolanana nandritra ny androm-piainany, antso natao ho an'ire vehivavy rehetra manerantany handihy miaraka, hanoherana ny herisetra atao amin'ny tsy mitovy amin'ny tena, tamin'ny 14 Febroary. Vondrona samihafa nanerana an'i Karaiba no nandray anjara...

Tanora Espaniola Mitsoa-ponenana : “Tsy Niala Izahay Fa Noroahina!”

  21 Marsa 2013

Iray amin'ireo vokadratsy mahatsiravina nateraky ny krizy ny tsy fananan'asan'ny tanora ao Espaina, izay tafakatra 55,6%. Manoloana io isa mampitebiteby io, niantso ny amin'ny tokony handraisana fepetra maika ny Vondrona Eoropeana tamin'ny taon-dasa. Taorian'ny 15 volana niasana tao amin'ny governemanta, nanolotra Drafitra ho an'ny Tanora Tsy An'asa [es] ihany ny Antokom-bahoaka (kaonty Twitter...