· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2013

“Atsaharo Ny Famotehana Ny Tantaran'i Hong Kong”

  28 Janoary 2013

Tamin'ny fotoana nahalany sy nametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny Ben'ny tanànan'i Hong Kong vaovao CY Leung, antontan-taratasy amina miliara noraketin'ny governemanta no nopotehina. Raha ny marina, raha alahatrao avokoa ireo raki-taratasy nopotehina ireo dia ho 40 avo heny noho ny haavon'ny fanorenana avo indrindra manerantany dia ny Burj Khalifa ao...

Maoritania: Manao Diabe 700km Mitaky Ny Rariny Ireo Mpiasa

Tamin'ny Asabotsy 5 Janoary [ar], nanomboka nanao diabe lavitr'ezaka niainga tao an-tanànan'i Zouerat hihazo ny renivohitra Maoritania, Nouakchott ireo vondrona mpiasa tsy ara-dalàna na “Journalia” (mpiasa vonjimaika na isan-tonontaona). Raha ny fitambarany, diabe mirefy 700km no hovitain'ireo mpiasa mba hanoherana ny tsy rariny mihatra amin'izy ireo sy ny famitahana ataon'ny filoha Mohamed Ould...

ONG Voasazy Noho Ny Fikaroham-Baovao Momba Ny Kolikoly Ao Espaina

  20 Janoary 2013

Taorian'ny dimy taona nanaovana ady teny amin'ny fitsaràna, voasazy handoa 3.000 euros [es] ny Access Info Europe, ONG iray iarahan'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity miasa, taorian'ny namoahan'ny Fitsarana Ambony didy milaza fa tsy manana zo hahafantatra izay fomba ataon'i Espaina hiadiana amin'ny kolikoly izy.

2012: Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay – Fizarana Faharoa

  18 Janoary 2013

Hotohizantsika asiana fizarana faharoa ny Tamberin'ny 2012 ho an'ny firenena mpiteny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Raha nifototra tamin'ny fikomiana mitam-piadiana sy ny tetikasam-piaraha-monina mifandraika amin'ny krizy ara-toekarena ny fizarana voalohany tamin'ny tamberin'ny taona 2012 (izay hitanao ihany koa  ato) [mg] , ny fizarana faharoa kosa miompana amin'ny fikomiana sivily...

Tenifototra Fankahalàna Manonjanonja Ao Amin'ny Twitter

  17 Janoary 2013

Nanonjanonja tao amin'ny Twitter nandritra ny andron'ny Sabotsy 22 Desambra ny tenifototra #SiMonFilsEstGay. Fandrisihana ny olona hankahala ireo olona mitovy nefa mifanambady, mody ampiarahana amin'ny hanihany diso toerana izay ny tena fototra dia ny hanomezana izay heverina ho sazy sahaza ny zanaka lahy raha toa izy ka mpitia lehilahy toa azy.

Manorisory Olo-Tsotra ny Polisy ao Kerala, India

  15 Janoary 2013

Namelona adi-hevitra mafana sy ny fomba fitandroana ara-maoraly ny filaminana ao amin'ny fiaraha-monina ny tranga nisy tao Delhi. Ankoatra ny toetran'ny fiaraha-monina, ahoana raha ny polisy indray no manorisory ny olo-tsotra fa tsy misoroka amin'ny heloka tahaka izany? Vao haingana dia haingana tany Kerala no nahitana tranga telo tahaka izany izay niadian-kevitra tao amin'ny media sosialy.

Zana-Bohitra Palestiniana Vaovao Bab Al Shams Tafapetraka ao Jerosalema Atsinanana

Anisan'ny hetsi-pijoroana ao Palestina ny nananganan'ny mpikatroka Palestiniana 250 ny fananganana zana-bohitra vaovao antsoina hoe Bab Al Shams na “Vavahadin'ny Masoandro”, anisan'ny tany ao atsinanan'i Jerosalema nobaboina ary voasokajin'ny fitondram-panjakana Isiraeliana ho anisan'ny “Area E1“. Nisy Fanambarana ho an'ny gazety navoakan'ny Vaomieram-pandrindrana ny Tolom-Bahoaka ao amin'ny habakany androany vao maraimbe, mamelabelatra...