· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Desambra, 2012

Etazonia: Mitsangana Hanarina Ny Faharavana Ny Occupy Sandy

  30 Desambra 2012

Iray volana izay no nisian'ilay tafio-drivotra Sandy nandravarava tao Avaratra-Atsinanan'i Etazonia; na dia izany aza, mbola mitohy foana ny ezaka famonjena taorian'ity loza voajanahary ity. Raha nitady famonjena ho an'ireo fianakaviana an-jato an'arivony ny fanampiana federaly sy ny kaonseritra tahaka ny 12.12.12 nokarakarain'i Bruce Springsteen, nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny hetsika tahaka...

Andro Faha-2 Ho Fampandrosoana An'i Amerika Latina 2012

  29 Desambra 2012

Nifarana tamin'ny Alahady 2 Desambra teo ny andro faha 2-n'ny hackathon isam-paritra ho fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012, nokarakarain'ny Ciudadano Inteligente Foundation tany amin'ny firenena valo any amerika Latina. Taorian'ny asa mafy tsy ankiato 36 ora , dia nanomboka nanolotra ny tetikasany ireo mpandray anjara tany amin'ny faritra samy hafa mba hahafahan'ny mpitsara maka fanapahan-kefitra ao aoriana ao. Eto no anoloranay ireo mpandresy avy any amin'ny faritra samy hafa.

Ejipta: Mitaky Rindrambaiko Tovozina Malalaka Sy Maimaim-Poana ny Vahoaka

Maro no efa niteny ny anjara asam-panafahana nataon'ny teknolojia nandritra ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana, ary maro ny tokony holazaina amin'ny anjara asan'ny fitroarana tamin'ny fanafahana [fampiroboroboana ny teknolojia ao amin'ny faritra]. Tamin'ny alarobia teo, nivoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny praiminisitra ejiptiana ny famintinana ny fivoriana natrehina faramparany teo. Ao amin'izany...

Syria: Mifampiraharaha Fandosirana Hita Tao Amin'ny Twitter

Taorian'ny tati-baovao nilaza fa nandositra tany Etazonia tamin'ny 25 Desambra ilay syriana mpitondra tenin'i Jihad Makdissi teo aloha, mpikatroka Rami Jarrah, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Alexander Page, izay namoaka sioka manokana mampiseho an'i Makdissi nifandray taminy nandritra ny volana maromaro. Izany angamba, araka ny anarana nomen'ireo mpisera Twitter no atao hoe,...

Habaka Fanaovan-Gazety Angon-dRakitra Frantsay Mahaleotena OWNI Norahonana Hakatona

  28 Desambra 2012

Nivoaka iny herinandro lasa iny ny vaovao mikasika ny fanankatonana izay tsy azo idoviran'ny OWNI (OWNI.fr), Angon-drakitra Frantsay momba ny Fampahalalàm-baovao mahaleotena. Malaza amin'ny fiaraha-miasa akaiky miaraka amin'ny WikiLeaks, OWNI nampivoatra ny rindrambaiko WarLogs sy nanatanteraka ny famakafakana mahaliana ny amin'ny SpyFiles, ary dia nitatitra hatrany hatrany ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny aterineto ary ny fahalalahana an-tserasera.

India : Adi-hevitra Manodidina ny Famonoana ho Faty Noho ny Fanolanana

  28 Desambra 2012

Delhi, sy ny fiantsoana azy mampiahiahy ho ‘renivohitry ny fanolanana’ no nanatri-maso indray ny fanaovana an-keriny  vehivavy 23 taona (jereo ny tatitry ny Global Voices), izay niteraka fihetsiketseham-panoherana goavana tao an-drenivohitra sy nanerana ny firenena. Noho ny fahasosorana tamin'ny herisetra farany teo, nitaky ny hahahentitra kokoa ny lalàna sy hanenjanana ny fanasaziana...

Mampitandrina i Shina: “Tsy Ambonin'ny Lalàna ny Aterineto”

  28 Desambra 2012

Ny 18 Desambra 2012, namoaka lahatsoratra eo amin'ny pejy voalohany mitondra ny lohateny hoe “Tsy ambonin'ny lalàna ny Aterineto” ny gazety mpanohana ny governemanta Shinoa People's Daily [gazety mivoaka isan'androm-bahoaka] . Hoy ny lahatsoratra : the internet is as much a tool of rumor and misinformation as a platform for information sharing, and...

Iraniana-Amerikana Mitady Olona Be Herim-po Hanavotra Aina

  26 Desambra 2012

Mitady olona be herim-po ny mpiserasera Iraniana. Tsy ho amin'ny revolisiona na ady, fa mba hanavotr'aina. Nasim, tanora vehivavy Iraniana avy ao Avaratr'i Kalifornia no mila taova tsokan-taolana (moelle osseuse) atao grefy. Nanafaingana ny hetsika ireo Iraniana malaza marobe mba hanampy amin'ny fanaparitahana ny hafatra ho fanavotana azy. Nampiasa ny tambajotra...