· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Novambra, 2012

Maoritania: Hetsika 25 Febroary Mitsipaka ny [Fibaikoana] Fanaraha-mason'i Frantsa

  29 Novambra 2012

Mandalo vanim-potoana ara-politika tsy ahatsinjovana ny ho avy i Maoritania hatramin'ny nandefasana ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz hotsaboina any Paris rehefa naratran'ny tifi-bala izy tamin'ny 13 oktobra 2012. Mifandamina ny ao Maoritania mandra-piveriny saingy maro ny Maoritaniana no manontany tena amin'ny anjara andraikitr'i Frantsa amin'ny toe-draharaha ankehitriny. Fihetsika nisabakabaka nataon'i Frantsa tamin'ny 2008...

Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy

  29 Novambra 2012

Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity. Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny Banky Espaniola) hampiato ny fandroahana taorian'ny roa taona nitolomana. Nambara fa mandritra ny roa taona izany didim-pitsarana fampiatoana izany, ary...

India : Lahatsoratra Facebook Nahatonga Fisamborana

  28 Novambra 2012

Mahatonga ahiahy ao India (jereo Tatitry ny Global Voices [mg]) ny fihetsehiky ny tao an-tanànan'i Mumbai taorian'ny nahafatesan'i Blasaheb Keshav Thackeray, mpanorina ny Hindou antoko ankavanana ao amin'ny Shiv Sena ao Inda. Nikatona avokoa ireo toera-pivarotana, fijerena sinema, fitateram-bahoaka sy orinasa hafa ao Mumbai noho ny na ny mari-panajana na tahotra amin'ny...

Mandoa Hetra Be Lavitra Noho Ny Orinasa Iasany Ve Ireo Zambiana Mpiasa Amin'ny Fitrandrahana Harena Ankibon'ny Tany?

  28 Novambra 2012

Podcast iray (Taxcast) avy amin'ny tambajotra Tax Justice nomeny lohateny hoe Zambian miners paying more tax than mining company, na "Mandoa hetra betsaka kokoa noho ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany ireo Zambiana mpitrandraka" no navoaka tety anaty aterineto nanindry fa hoe mandoa be lavitra hetra avy amin'ny karamany ireo mpiasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany miohatra amin'ireo hetra fandoan'ny orinasa iasàn-dry zareo.

Maneho An-Tsarintany Ny Fandotoana Ny Ranon'ny Vazimba Teratany Peroviana

  28 Novambra 2012

Tao amin'ny The Engine Room no nalefa voalohany ity lahatsoratra ity. Niroborobo ny toekarena tao Però noho ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany nahazoana dolara amina miliara. Raha nanomboka tetikasa vaovao ireo mpitrandraka sy mpandavaka, inona ny fiantraikan'izany amin'ireo vahoaka izay monina akaikin'izy ireo? Ny olana iray ohatra dia ny loharano voaloto izay mitarika aretina sy fahafatesana....

Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena

  27 Novambra 2012

Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena io firenena io tamin'ny lalao Olympique ary faharoa izao teo amin'ny tantara izay isaorana manokana an'i Keshorn Walcott nohon'ny ezaka nataony teo amin'ny fanipazana lefona.