· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2012

Filipina: Fanairana “Epal” Zava-Mahamenatra Ataon'ny Mpanao Politika Hita Ao Amin'ny Aterineto

  31 Oktobra 2012

Herintaona latsaka alohan'ny fifidianam-pirenena 2013, namoaka fanentanana tao amin'ny aterineto ny mpiserasera, fanairana manohitra ny fomba fanaon'ny mpanao politika Filipina “mahamenatra” amin'ny fametrahana ny anaran'izy ireo amin'ny tetikasan'ny governemanta izay tohanana na/sy ampian'ny minisiterany. Petahana marika hoe “epal” ireo mpanao politika, “epal”, tenin-jatovon'ny Filipino midika hoe “tandremo mpangalatra,” noho ny fampiasana ny volam-bahoaka...

Panama: Nitodika Tamin'ny Vahoaka ny Filoha Martinelli Rehefa Nofoanana ny Lalàna 72

  31 Oktobra 2012

Niezaka nanakatona ny herinandro izay namoizan'ain'olona efatra ny filohan'i Panama, Ricardo Martinelli omaly. Nanao kabary fampihavanana izy izay manasa ireo vahoaka mba hitady fihavanana taorian'ny fifandonana tao Colon nandritra ny hetsi-panoherana ny Lalàna 72. Lalàna manome alalana hivarotra ireo tany miorina ao amin'ny Faritra Afaka  (Haba) ao Colon . Nalefa tao amin'ny fahitalavi-pirenena...

Okraina: Teknolojia Ho Amin'ny Fifidianana Mangarahara

Nifidy solombavambahoaka ny Okrainiana tamin'ny 28 Oktobra teo. Noho ny fanagadran'ny filoha am-perinasa ankehitriny ireo mpanao politika mpanohitra, nahasarika tanteraka ny fiarahamonina iraisam-pirenena ny fizotry ny fifidianana. Manoloana ny filazan'ny antokon'ny fitondrana amin'ny fampiasana ny fitaovam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra, nampanantena ny governemanta Okrainiana ankehitriny fa atao mangarahara, marina izany ary mpanara-maso iraisam-pirenena...

Slovakia: Mamelona Adihevitra Ilay Fihaonambe “Mitady Fiainana Mendrika sy Azo Antoka”

Nanodidina ny 3000 ireo olona tafahaona “ho amin'ny zon’ny vahoaka mendrika” tao an-tananan’ny Partizanske, tamin'ny Septambra. Tamin’ity volana ity, ny 13 Oktobra kosa, olona nihoatra ny zato no tafahaona tahaka izany – “hiaraka ho amin’ny fiainana mendrika sy azo antoka” – tao an-drenivohitr'i Slovakia tao Bratislava (horonantsary). Niaraha-nanomana tamin’i Oskar Dobrovodský ...

Syria: Nogadraina Ilay Mpanao Sariitatra Satria Mitsikera An'i Assad

Nahazo sazy henjana ilay mpanao sariitatra Syriana sahy nampiseho ny toetran'i Bashar Al-Assad. Tamin'ny 25 Aogositra 2011, notaritaritina sy novonoinà telo lahy misaro-tava i Ali Ferzat, mpanao sariitatra malaza 60 taona, tapaka ny tanany tamin'izany. Akram Rslan, mpanao sariitatra iray hafa miasa ao amin'ny gazety Fedaa [ar] eo ambany fitantanan'ny governemanta. Nogadraina...

Tandinonin-doza Ny Habaka Aterineto Zambian Watchdog

  22 Oktobra 2012

Tamin'ny 9 Mey 2012, tsy tafiditra tao amin'ny tranokala fampahalalam-baovao an'olo-tsotra Zambian Watchdog avokoa ny mpiserasera. Nilaza ny ny Zambian Watchdog fa nokendren'ny Fanafihana Fandàvana Raharaha (DDoS), izay toa avy any amin'ny governemanta. Vao haingana tamin'ity taona ity, nisy ny tatitra fa nanokana vola 5000 miliara na US$1 tapitrisa ny governemanta Zambiana mba handefa polisy sy...

Rosia: “Tafintohina” tamin'ny Fanafahana Mpikambana ao amin'ny Pussy Riot

Akon  20 Oktobra 2012

Nahataitra ny maro ny nataon'ilay mpikambana iray tao amin'ny Pussy Riot iray antsoina hoe Yekaterina Samutsevich tamin'ny herinandro raha nanova ny mpisolovavany sy naka paikam-piarovana vaovao tany amin'ny fitsarana ambony (nanaovana fampakarana) izy. Tsy nisy ny marimaritra iraisana teo amin'ny bilaogera Rosiana tamin'izany fotoana ny tamin'izay nitranga sy ny antony nahatonga...