· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2012

Japana: Ampamoaka Momba Ny Tontolon’ny Asa Fanadiovana ny toby Nokleary Ao Fukushima

  28 Septambra 2012

 Nandrakitra ilay lahatsary [amin’ny teny japoney] an’i Tetsuya Hayashi, izay tsy nanampo hanao asam-panadiovana ao amin’ny toby nokleary ao Fukushima Daiichi, ny tranokalam-baovao japoney an’olotsotra 8bit news, tamin’ny 18 septambra 2012. Nangataka asa nantsoina hoe ‘Backup Logistics Support’ izy (izay azo adika hoe « mpiasan'ny fampitaovana fototra »), fa tafiditra voalohan-daharana, ary voatery niharitra ny voka-dratsin'ny...

Iran: Andro fanoherana ny herisetra atao amin’ny biby

Tamin’ny taon-dasa tao Iran, orsa volontsôkôlà sy ny zanany kely niharan’ny herisetra sy novonoina no hita tamin’ny kamerà, izay tahaka ireny lalao “mpihaza” ao Samirom, Isfahan ireny. Tafintohina tamin’izany ireo Iraniana maro avy amin’ny toera-tsamihafa. Nozarain’ny vondrona mpiaro ny zon’ny biby tamin’ny 20 septambra 2011 ilay lahatsary ahitana ny famonoana ireo...

Okraina: “Ireo Lavenon'ny Fahalalahana Miteny”

  17 Septambra 2012

Olona an-jatony vitsivitsy no nifamory [uk] tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Kyiv ny 16 Sept. teo mba hanme voninahitra ny fahatsiarovana an'i Georgiy Gongadze, Okrainiana iray mpanao gazety izay nanjavona tamin'io andro io, 12 taona lasa izay, ary ireo mpanao gazety maro hafa maherin'ny 60 namoy ny ainy nandritra ny taona maro nahazoan'i Okraina ny fahaleovantenany tamin'ny 1991

Libanona: Mozea Virtoalin'Ny Sivana

Mirehareha ho manana Mozea Virtoalin'ny Sivana ankehitriny i Libanona, rakitra an-tserasera momba ny sivana niseho tao Libanona nanomboka ny taona 1940. Ny fikambanana Libaney MARCH no nanangana sy nampahafantatra ny tranokala mba hisarihana ny saina mikasika ny vaovao momba ny zavatra/tranga rehetra efa nosivanina. Tamin’ny 2 Septambra 2012, andro nisokafan’ny Mozean’ny Sivana,...

Karaiba: Fanamarihana ny Fanafahana ny Fanandevozana

  10 Septambra 2012

Maro amn'ireo firenena Karaiba no mankalaza ny 01 Aogositra, Andron'ny Fanafahana ny fanandevozana, izay ahatsiarovana ny fanafoanana ny fanandevozana. Manamarika ny vanim-potoana isan-taona ireo mpitoraka bilaogy, fa tamin'ity taona ity, saika ambany ny fifantohan'ny saina tety anaty aterineto momba io fialantsasatra io, raha azo isaina aminny rantsan-tànana fotsiny ny mponina amin'ny aterineto milaza izany eo amin'ny lahatsorany na eo amin'ny bitsiny.