· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jolay, 2012

Maoritania: Diplaomaty Nandoro Tena

Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott, renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.. Mamintina ny fanehoan-kevitra tety anaty aterineto i Ahmed Ould Jedou.

Syria: Fampianarana An-tserasera Momba Ny Ady Sy Ny Fampiasana Fitaovam-piadiana

  Mitodika amin’ny tranokala momba ny fampianarana  ady ireo mpikomy Syriana. Ity no andraikitra farany narakitra  tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy, izay efa nahazo hoby lehibe noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny fanaparitahana vaovao sy ny fanentanana ny olom-pirenena mandritra ity Lohataona Arabo ity Fantsona YouTube amin’ny anarana hoe FSAHelp (Fanampian'ny Tafika Syriana Afaka) namoaka...

Azia Atsimo: Fihaonam-be Voalohany Momba Ny Media Sosialy i Pakistana Sy i India

  26 Jolay 2012

Mafana tanteraka ny  andron’ny Zoma sy Asabotsy  tao Karachi nandritra ny fihaonam-be Pakistana-India SOCMM12. Nanomboka tamin'ny 9:30 maraina ary nitohy hatramin'ny 5:00 hariva ny fandahara-potoana, nisy ny adiny iray natokana amin'ny fanalàna hetaheta sy ny vavaka, niady hevitra, nifanakalo hevitra ary nandray lesona tamin'ireo mpandrindra ny adihevitra ny mpandray anjara....

Etazonia: Fitroarana Ao Anaheim Taorian'ny Namonoan'ny Polisy Lehilahy Iray Tsy Nitondra Afa-tsy Tànam-polo

  24 Jolay 2012

Taorian'ny nitifiran'ny polisy an'i Manuel Díaz, lehilahy iray Latino -Amerikana 25 taona, tsy nitana fiadiana, tamin'ny Sabotsy 21 Jolay nandritra ny fifanenjehana tao Anaheim, California, nanao hetsi-panoherana ny habibian'ny polisy sy tamin'ny fitorohana ny fiakaran'ny herisetra atao azy ireo ny olona. Lahatsary sy fanehoan-kevitra avy aty anaty aterineto no zarainay etoana..

Meksika: Fihanihana Tendrombohitra Hiadiana Amin'ny Olan'ny Rano

  24 Jolay 2012

Ny Fanamby "Challenge "dia ny hanairana ny saina mikasika ny olan'ny rano sy ny olan'ny fanajariana manerana izao tontolo izao ary hanangonana vola mba hiantohana rano fisotro ho an'ny olona rehetra. Ilay mpamorona ny Fanamby 21, Jake Norton, dia mihevitra ny hanatanteraka azy ity amin'ny fihanihana ireo tendro telo avo indrindra isaky ny kaontinanta tsirairay. Lahatsary roa manaraka no ahafahantsika mahita ny fomba anaovany izany, anisan'izany ny fihanihana ny Pico de Orizaba ao Meksika.

Espaina: Tsy Fifanarahana Taorian'ny Fanafoanan'ny Fitsarana Tampony Ny Fampidirana Ny Catalan

  21 Jolay 2012

Nibahan-toerana tanteraka tao amin'ny blogosphère ny adihevitra momba ny fiteny Catalogne, hatramin'ny fotoana nanafoanan'ny Fitsarana Faratampony Espaniola ny fampidirana ny fiteny ho an'ireo ankizy eo anelanelan'ny telo ka hatramin'ny enin-taona. Ampiasaina ny filonana amin'ny fiteny mba hanomezana antoka ny fahaiza-mifehy ny Catalan ho an'ireo manana tenin-dreny amin'ny fiteny hafa.

Tontolo Arabo: Ny Feon'ireo Sembana

Nisy ny fanentanana antserasera nalefa vao haingana teo amin'ny tontolo Arabo mba hampahafantatra bebe kokoa ny tolona ataon'ny olona sembana ho fiarovana ny zony. Nanambara i Abdallah AlShalaqi, mpitolona ao Arabia Saodita, sy tompo-kevitra tamin'ny fanentanana fa nandritra ny resadresaka tamin'ny fahitalavitra izay mikendry ny hanaitra ny  sain'ny tontolo Arabo mikasika ny zon'ny olona sembana,...

Sodàna: Nokendrena Manokana Ny Vehivavy #SudanRevolts

Miditra ao amin'ny volana faharoa ankehitriny ny fihetsiketsehana ataon’ireo vahoaka Sodaney marobe manohitra ny fitondrana. Manohy ny famaizana mahery vaika ireo mpanao fihetsiketsehana   kosa etsy andaniny ny governemanta sy ny  Sampan-draharaha malaza misahana ny Fitsikilovana sy ny Fiarovana (NISS). Mpikatroka Sodaney an’arivony no mbola notanana, anisan’izany ilay  mpisera Twitter mavitrika...