· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Marsa, 2012

Ghana: Ampiasaina Ny Fifampitam-baovao Antserasera Mandritra Ny Fifidianana 2012

  31 Marsa 2012

Efa vonona ny Ghaniana hiatrika fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka izay hotontosaina amin'ny 7 Desambra 2012, nampahafantatra ny fanapahan-keviny miompana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ny fikambanana BloggingGhana izay mikendry hampiofana ireo mpanohana ny fifidianana amin'ny fampiasana ireo fitaovana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ho fanaraha-maso sy ho fitaterana ny fizotry ny fifidianana. GhanaBlogging dia vondrona mpamahana bolongana ao anatiny/ivelan'i Ghana izay...

Bahrain: Mibitsika Manohitra Ny Formula 1

Raha efa mivonombnona ery i Bahrain hampiantrano ny Grand Prix, manomboka ny 20 hatramin'ny 22 Aprily, ireo mpiondana aterineto kosa dia mifamory mba hanafoanana ilay fifaninanana fiarakodia amin'ny filazana fa mbolamitohy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ireo mpanao hetsi-panoherana mikatsaka zo demaokratika msimisy kokoa ao amin'ity firenena Arabo ity. Mona Kareem dia mitondra fanazavana amin'ny fanentanana iray ao amin'ny Tewitter mba hisarihana ny saina hibanjina azy ity.

Zon'Olombelona An-Tsarintany Ao Kambodza

  31 Marsa 2012

Mampiasa sarintany an-tserasera ny mpiaro ny zon'olombelona any Kambôdza hanangonana antontan-kevitra, hanaraha-maso ary hampisehoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny firenena. Sithi na ny vavahadin-tseraseran'ny mpiaro ny zon'olombelona dia manana ny Sarintanim-panosihosena ahitana amin'ny ankapobe ny fiitatry ny fanosihosena ny zo isan-karazany any Kambôdza. Asehon'ny sary etsy ambany ny fanitsakitsahana ny...

Kiobà: Iza No Hotohanan'ny Papa?

  29 Marsa 2012

Tamin'ny 26 Martsa, tamin'ny 2:00 ora tolakandro, ora ao an-toerana, tonga tao Santiago ao Kiobà ny Papa Benoà XVI, izay fitsidihana faharoa nataon'ny Papa Ray Masin'ny Fiangonana Katolika ao amin'ny Nosy Karaiba tao anatin'ny 14 taona. Tao anatin'ny andro maromaro, niparitaka tao amin'ny faritra manodidina ny renivohitry Plaza de la Revolución...

Malawi: Ny Fihaonana Tamin'ny Mpisolovava Be Mpanaraka Indrindra Ao Amin'ny Facebook Ao Malawi

  29 Marsa 2012

Nanjary iray amin'ireo sehatra lehibe amin'ny fampitam-baovao misongadina farany sy amin'ny adihevitra sosio-politika ao Malawi ny Facebook. Ohatra, ny fisamborana ilay mpisolovava fanta-daza an'i Malawi sy ilay mpitolona Ralph Kasambara tamin'ny volana Febroary 2012, nisarika ny sain'ny olona marobe tao amin'ny Facebook izany. Taoriana ny vaovao naparitaky ny mpiara miasa aminy sy ilay mpisolo vava Wapona...

India: Tovovavy Mianatra Mikasika Ny Lahatsary Firotsahana An-Tsehatra

  28 Marsa 2012

Vondrom-behivavy iray avy ao Hyderabad, faritra mahantra any India, no mianatra ny fomba famokarana lahatsary mba hanovàna ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ary ao anatin'ity lahatsary manaraka ity ilay vondron-tovovavy dia manazava izay nianaran-dry zareo sy ny fomba hanampian-dry zareo ny vondrom-piarahamoniny sy ny tenany amin'ny alàlan'ny zava-bitan-dry zareo.

Lahatsary: Mpilalao Surf, Mpanjono ary Taratra Mampididoza Taorian'ny Horohorontany Tao Japana

  21 Marsa 2012

Nanatontosa lahatsary fanadihadiana momba ny fiainan'ny olona miady amin'ny taratra radioaktifa taorian'ny horohorontany tao Japana ilay mpanao gazety Lisa Katayama  sy ilay mpanatontosa sarimihetsika Jason Wishnow. Tao amin'ny lahatsary Radioaktifa (akora mampidi-doza) Isika Rehetra, ahitana sary 50% nokirakirain'izy ireo manokana tao amin'ny faritra manodidina ny Foibe Mpamokatra Herinaratra ao Fukushima izay...