· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Febroary, 2012

Meksika: Vondrona Mitady Olom-pirenena Tsy Miankina Hirotsaka Hofidiana Ao Amin'ny Kongresy

  29 Febroary 2012

Ankehitriny, ao Meksika, mila miditra amin'ny antoko politika ianao vao afaka mirotsaka hofidiana ao amin'ny Kongresy. Nentina nandresen-dahatra hatrany fa manome vahana ny kilasy politika mitady ny tombotsoan'ny antokony manokana amin'ny fanaovana ampihimamba ny fahefana izany rafitra izany. Volana vitsivitsy lasa izay, vondrona olom-pirenena no nanosika ny  fanovana  mafonja amin'ny demokrasia Meksikana,...

Haiti: Fanehoan-kevitra Tanaty Aterineto Momba Ny Raharaha Duvalier

  28 Febroary 2012

Tamin'ny faran'ny volana Janoary 2012, ny mpitsara mpanao famotoana mitady vesatra mikasika ny zon'olombelona hanenjehana an'ilay mpanao didy jadona voaongana tany Haiti, Jean-Claude "Baby Doc" Duvalier, dia nanapa-kevitra fa "tapitra ny fe-potoana voafetran'ny lalàna mikasika ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona - tsy izany kosa anefa ny amin'ny fangalàran'i Duvalier ny volam-panjakàna.

Tonizia: Nisafidy Ny Fitantanana Misokatra Amin'ny Alalan'ny Fampielezam-baovao Sosialy Ireo Mpanao Politika sy Solombavambahoaka

Ny fanonganana ny fitondràn'i Ben Ali tamin'ny volana Janoary lasa teo dia nanokatra làlana nampitombo ny fampiasana fampitàm-baovao sosialy any Tonizia. Ankehitriny ireo mpanao politika dia mampiasa ireo fitaovana enjehin'ny fanjakàna ireo, mba hampitàna ny hafany amin'ny vahoaka. Mitatitra amintsika i Ahmed Medien.

Rosia: Tatitra An-tsary Ataon'ny Bilaogera Sy Eritreritra Manoloana Ny Hetsika Ataon'Ireo Mpomba an'i Putin ao Moskoa”

Akon  25 Febroary 2012

Tamin'ny 23 Febroary lasa teo, folo andro alohan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 4 Martsa, nanao lahateny ho an'ireo vahoaka an'arivony tao amin'ny stady Luzhniki ao Moskoa ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin . Nanatrika ny hetsika tamin'ny 23 Febroary ihany koa ny mpamahana bolongana sasantsasany monina ao Moskoa. Ireto ambany ireto ny fantin-tsary nalain'izy ireo sy ny fijerin'izy ireo izany, ahitana fanamarihana vitsivitsy avy amin'ny mpihaino izany.

Aostralia: Tsy Fahafaha-mihetsika Ara-politika Mialoha Ny Fifidianana Izay Ho Mpitarika

  25 Febroary 2012

Hisafidy amin'i Julia Gillard Praiminisitra ankehitriny sy ilay nesoriny tamin'ny 2010, i Kevin Rudd, ny antoko eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana ao Aostralia. Taorian'ny volana maro nisian'ny resaka mifamahofaho, amin'ity herinandro ity ireo parlemantera avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa Aostraliana dia hifidy taorian'ny fifandroritana mirona mankamin'ny fahapotehany. Manangana saina fanairana ny Twitter.

Etazonia: Asiana Indray Ny Kolontsain'ny Mpifindra Monina

  24 Febroary 2012

Niteraka fahatafintohinana ny fanapahan-kevitra hanaisotra ny tetikasa fampianarana Meksikana-Amerikana, izay efa napetraka tao  amin'ny sekolim-panjakana ao an-tanànan'i Tucson, ao Arizona, tamin'ny taona 1998. Ho an'ny maro an'isa, ny fanesorana ny tetikasa sy ny fandraofana an-keriny ireo boky toy izao dia mampiseho mazava ny  fomba konservativa tafahoatra, izay manohintohina ny harena ara-kolotsaina sy...

Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana

  23 Febroary 2012

Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Mampifantoka ny saina amina fitahirizana fakon'akora mampidi-doza ny Atlatszo.hu sy ny Greenpeace, any amin'ny vohitr'i Almásfüzitő, izay "mitete tahaka ny spaonjy" ary efa miteraka fahasimbana eo amin'ny tontolo iainana sy eo amin'ny fahasalamana sahady.