· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2012

Brezila: Hetsika Mitaky Zo Hahazo Kianja Tsy andoavam-bola Mandritra ny Fetibe

  28 Janoary 2012

Ny Fetiben'i Salvador [karnavalina], ao Brezila, no iray amin'ny lehibe indrindra manerantany. Leon'ny resaka ara-barotra tafahoatra sy ny fanovana ny kianjam-bahoaka lasa an'olotsotra vonjimaika kosa ny mponina ao an-tanàna. Nidina an-dalambe ry zareo tamin'ny 14 janoary rehefa nifanentana sy nifandamina tamin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter mitaky ny hanalana ny fanorenan'ireo orinasa tsy miankina hiala amin'ny arabe.

Madagasikara: Tsy Navela Hody Ny Filoha Teo Aloha Ravalomanana

  26 Janoary 2012

Nanambara ny hodiany an-tanindrazana, rehefa nanao sesintany ny tenany efa ho telo taona, tany Afrika Atsimo, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny 21 Janoary 21, nitaintaina ny tao an-drenivohitra miandry ny fiverenany fa an'arivony ny olona no eny an-dalana mankany an-tseranana. Saingy minitra vitsy taoriany ny nidirany ny faritr'habakabaka malagasy dia nilazana mba hivily lalana ny voromby ka higadona any an-tanàna hafa. Mitantara mivantana ity toe-draharaha mafampana ity ny Malagasy.

Tonizia: ”Aza Sivanina Ny Votoaty Vetaveta”

Amin'ny fiandohan'ny Febroary, ny Masoivoho Toniziana misahana ny Aterineto dia hanao fampakarana amin'ny Fitsarana Ambony ny didy navoakan'ny fitsarana iray tao Tunis tamin'ny May 2011 nandidy ny masoivoho mba hanakana ny fidirana amin'ireo votoaty miresaka vetaveta ao amin'ny aterineto. Ho an'ireo Toniziana mpiondana aterineto, sy ireo mafàna fo mpiaro ny fahalalahana miteny, tsy vahaolana ity karazana sivana ity, fa horohoro iray atao amin'ny fahalalahana miteny.

Global Voices Amin'ny Teny Frantsay : Ny Safidin'Ireo Mpandika Teny Ny Taona 2011

Ny taona 2011, ireo mpandika teny an-tsitrapo ao amin'ny Global Voices izay miteny Frantsay dia nahavita nandika lahatsoratra an-jatony ary nampahafantatra ny vaovao manerana izao tontolo izao ary tianay ny hiteny hoe "Misaotra!". Nanontanianay hoe inona ny fandikàna nanamarika azy ireo indrindra, nandritra iny taona lasa iny. Ireto ny safidin'ireo mpandika teny Frantsay!

Rosia : Tsy Nahavita Nifankahazo Ny Mpanohitra Tao Saint-Petersbourg

Ireo hetsi-panoherana talohan'ny fifidianana ny volana Desambra 2011 dia ahitàna karazany roa : 'Mpanohitra matihanina' sy ireo mponina velom-panahiana. Tao Moscou, ireo karazany roa ireo dia nahavita nivondrona mba hanomana ny iray amin'ireo hetsika am-pilaminana isan'ny lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena. Tao Saint-Pétersbourg, na izany aza, ilay famoriam-bahoaka dia nivadihan'ny iray tamin'izy ireo. Maria Lelyuk dia nanadihady ny fanehoan-kevitr'ireo mponina.

Tolo-dalàna Amerikana Mety Hampihorohoro Ny Aterineto Erantany

  19 Janoary 2012

Tsy ijeren-dry zareo izay fampitandreman'ny vahoaka sy ireo mpahay teknolojia, fa ireo mpanao lalàna ao Etazonia dia naminavina tolo-dalàna roa, ny Stop Online Piracy Act (SOPA) sy ny Protect IP Act (PIPA), izay tena fampihorohoroana marina sy tena zava-doza ho an'ny fisofakan'ny aterineto manerana izao tontolo izao. Ho setrin'izany, ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices dia nanapa-kevitra nanatevin-daharana ireo vohikala toy ny Wikipedia, Reddit sy BoingBoing amin'ny “mandeha maizina” ka hanamainty ny pejy fandraisan'ny vohikala Global Voices Advocacy mandritra ny ora 12 ny 18 Janoary, sady hamoaka sary famantarana amin'ireo vohikala hafa ao amin'ny Global Voices izay manome fampahafantarana misimisy kokoa mikasika ilay tolo-dalàna.