· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Novambra, 2011

Mali, Nizera: Zara Fa Heno Ny Fitarainan'ny Toaregy Nandritra Ny Ady

  28 Novambra 2011

Hatramin'ny niatombohan'ny ady tao Libya, nitombo hatrany ny firotsahana an-tsehatra nataon'ireo manam-pahaizana momba ny fandriampahalemana sy ny politika mba hanoherana izay mety ho fandrahonana ataon'ny Toaregy ao Sahara, an'i Mali sy Nizera. Fandrahonana tsy misangy sa tombatombana no tena marina? Amin'izao fotoana izao kosa, ao amin'ny aterineto no toerana tokana...

Emira Arabo Mitambatra: Nantsoina Hatao Fanadihadiana Ilay Vehivavy Mpampiasa Twitter Atao hoe Rowda Hamed

Vehivavy iray mpampiasa Twitter, antsoina hoe Rowda Hamed (@Rowda_Hamed), avy ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra no nibitsika ka nilaza fa nahazo fiantsoana hatao fanadihadiana. Izy no iray amin'ireo mpampiasa Twitter vitsivitsy avy ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra mpanohana ireo mafàna fo miisa dimy izay voafonja ary nanao fitokonana tsy hihinan-kanina vao tsy ela akory izay. Indreto ny hetsika tao amin'ny Twitter momba ny fantsoana azy.

Etazonia : Fanesorana Tampoka Ny Hetsi-panoherana Bodoy ny “Wall Street”

  20 Novambra 2011

Ny marainan'ny 15 Novambra, Ireo mponina avy ao Etazonia dia taitra tamin'ilay vaovao nilaza fa ny polisy dia nandroaka ireo mpanao hetsi-panoherana bodoy ny "Wall Street" ao amin'ny Zuccotti Park tsy nisy fampandrenesana mialoha akory. Toy ny mahazatra, betsaka ny hevitra izay nifamahofaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tambazotra ara-sosialy.

Bahrain: Nanitsaka ny Mpanao Fihetsiketsehana Ve Ny Fiaran'ny Polisy?

Nolazain'ny fitondrana ao Bahrain fa araka ny lalàna iraisampirenena no ifehezany ny mpanao fihetsiketsehana. Saingy nanangom-baovao na nandrakitra ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mitranga any kosa ny mpisera ka mametraka ireny an-tserasera ho hitan'izao tontolo izao. Ato amin'ity lahatsoratra ity no anangonan'i Mona Kareem ny lahatsary nivoaka an-tserasera mampiseho ny ataon'ny polisy mandòna (manosy na manitsaka) ny mpanao fihetsiketsehana. Kisendrasendra ve ny hanosen'ny fiaran'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana?

Ejipta: Nahoana No Hafahana Ilay Bilaogera Alaa Abd El Fattah?

Mpitsara iray tao amin'ny fitsarana ara-miaramila no hanapa kevitra amin'ity anio ity na hohafahana i Alaa Abd El Fattah na mbola handany 15 andro hafa indray ao an-tranomaizina, etsy andanin'izay dia mbola andrasana ny fanadihadiana ambaran'ireo mpiaro fiampangàna tsy marina. Tao amin'ny Twitter, dia nanambatra ny heviny ireo mpanohana ho an'ny fanafahana azy tamin'ny fanaovana ny tenifototra "#WhyFreeAla." Indreto ny sasantsasany amin'ireo bitsika ampiasàna ity tenifototra ity.