· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2011

Côte d'Ivoire : Rahoviana Ny Fanokafana Indray Ireo Anjerimanontolo?

  31 Oktobra 2011

Nandritra ny disadisa nialoha ny fifidianana tao Côte d'Ivoire, ireo anjerimanontolo telo ao amin'io firenena io (Cocody, Abobo-Adjamé sy Bouaké) dia nakatona ary tsy nasiana olona tany amin'ireo toeram-ponenan'ny mpianatra. Raha betsaka tamin'ireo Ivoariana no nadray izany fanapahan-kevitra izany tamin'ny lafiny tsara, amin'izao fotoana kosa dia maro ireo mametra-panontaniana manoloana ny manjavozavo mikasika ny ho fanokafana indray ireny anjerimanontolo ireny. Mandroso vaha-olana fiandry ny mpampiasa aterineto.

Meksika: Nosoniavin'ny Filoha Ilay Lalàna, Roa Taona Taorian'ny Haitrano Tao Amin'ny Toeram-pitaizana Zazakely ABC

  30 Oktobra 2011

Tamin'ny 5 Jona 2009, nisy toerana fitaizana zazakely antsoina hoe Guardería ABC kilan'ny afo ka zaza 49 no namoy ny ainy ary 76 no naratra. Nanao fanadihadiana lalina ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo mba hitadiavana izay tena meloka ary hitondra izany eo anoloan'ny Fitsaràna; ankoatr'izay dia nanohana tolo-dalàna iray mba hampivoarana ireo toeram-pitaizana zazakely rehetra any amin'ny firenena. Nosoniavin'ny Filoha meksikana izany lalàna izany (#Ley5deJunio amin'ny Twitter) taorian'ny ezaka lehibe sy mendri-pideràna avy amin'ireo mafàna fo amin'ny aterineto any Meksika.

Global Voices Rosiana Miara-miasa Amin'ny Neweurasia.net

  30 Oktobra 2011

Faly izahay mampilaza ny fiaraha-miasa ny  Global Voices  Rosiana miaraka amin'ny Neweurasia.net, iray amin'ireo sehatry ny valantserasera lehibe indrindra ao Azia Afovoany, izay manana mpihaino Anglisy sy Rosiana marobe. Miompana manokana amin'ny vaovao sy fanadihadiana nataon'ny tanora avy ao an-toerana ny Neweurasia. Manazava bebe kokoa ny vaovao tsy voatantara tsara ny...

Kiobà: Fahatsiarovana an'i Laura Pollan

  21 Oktobra 2011

Efatra andro taorian'ny nahafatesany, dia nisy hatrany ny fahatsiarovana an’ aterineto an'i Laura Pollan, mpitarika nalaza sy nohajaina tamin'ny mpanohitra any Kiobà, Las Damas de Blanco. Tranokala maro no mifantoka amin'ny fanapahan-kevitry ny vondrona hanohy ny tolona ho fanajana ny zon'olombelona any an-toerana na dia teo aza ny fahafatesan'i Pollan, ao anatin'ny fanjakana voasazy...

Etazonia: 15 Oktobra Teny An-dalambe Sy Tany Anaty Tambajotra Sosialy

  19 Oktobra 2011

Tsy tsiambaratelo ho an'ny rehetra intsony ny hoe Facebook, Twitter sy YouTube, ankoatra ireo tambajotra sosialy hafa, dianitàna anjara toerana fototra tamin'ireo hetsika tato ho ato tao an-toerana sy manerana izao tontolo izao. Tamin'ny 2009, izao tontolo izao dia nahita ny antsipirihan'ny onja "maitso" tao Teheran avy amin'ireo sehatra ireo, ary nitranga ny toy izay tao amin'ny Kianja Tahrir tao Kairo sy ny "indignados" tao Madrid. Araka ny efa nampoizintsika, ny hetsika manerantany 15 Oktobra 2011, koa dia nampiasa betsaka ireny tambajotra ireny.

Frantsa : Fanalàna Azy Ho an'ny Tontolon'ny Tweet Ny Fampielezan-kevitra Hofidiana ho Filoha

  19 Oktobra 2011

Dia efa tena nanomboka tokoa moa izany ny fampielezan-kevitra ho fidiana ho filoham-pirenena 2012 ao Frantsa ary manaporofo izany ireo tambajotra sosialy toy ny Twitter. Ireo fifidianana savaranonando ho an'ny kandidà avy amin'ny elatra havia dia nampanonjanonja tokoa ny tontolon'ny fanapariaham-baovao tato anatin'ireo herinandro faramparany teo sady namoaka an'i François Hollande ho solontenan'ny antoko sosialista (PS). Marobe ireo lohahevitra tena nifanakalozana niresaka momba ny fifidianana no mipongatra sy miteraka fanehoan-kevitra mahatsikaiky ao amin'ny twitter eo amin'ireo mpampiasa io tambajotra sosialy io

CIVICUS: Fandinihana ny tanjaky ny fiaraha-monim-pirenena

  18 Oktobra 2011

Nandritra ny telo andro dia solontena avy amin'ny fiaraha-monim-pirenena maro no nivory tany Montreal, Canada nanatrika ny Fihaonana an-tampon'ny CIVICUS hiady hevitra momba ny làlana rehetra hanairana ny olona, miainga avy amin'ny hetahetan'ny tsirairay. Isankarazany sy marobe (ary mbola ho toy izany hatrany) ny lohahevitra noresahana : hetsika ara-piaraha-monina, fitoviana ara-tsosialy,...