· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2011

Tontolo Arabo: Loka Nobel Fandriampahalemana Ho An'ny Mpiserasera Niaro ny Revolisiona??

Nientanentana tanteraka ny Twitter tamin'ny alina noho ny anaran'ilay mpiserasera Arabo voatonotonina fa mety ho kandidà voafidy hahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana noho ny andraikitra nosahaniny nandritra ny Revolisiona Arabo. Ejyptiana Wael Ghonim (@Ghonim) sy Esraa Abdelfattah (@Esraa2008) miaraka amin'ny Hetsiky ny Tanora 6 Aprily, no natonin'ny mpanoratra Toniziana ao amin'ny Global Voices...

Filipina: Famoronana Karazana Hetsika Mandritra ny Fitokonan'ny Campus

  29 Septambra 2011

Nahitana ny fampiasana ny fitaovana an-tserasera hanetsehana olona anarivony hiady ho amin'ny zo hahazo fanabeazana ny fitokonana eny amin'ny anjerimanontolo manerana ny firenena mandritra ny herinandro enti-manohitra ny fampihenana ny tetibola. Manomboka ny 19 ka hatramin'ny 23 Septambra 2011, tanora an'arivony no hirotsaka an-dalambe ary tohanan'ny mpampianatra sy ny mpandraharaha...

Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York

  28 Septambra 2011

Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany.  Aingam-panahy avy amin'ny hetsika an-tanàna tany amin'ny firenena Arabo sy Eoropeana,  mampiseho ny tsy fahafaliany ireo tanora ireo ny amin'ny fomba ataon'i...

Zeorzia: Fifidianana Mpitondrateny Antenimiera Virtoaly

  27 Septambra 2011

Mialoha ny fifidianana Antenimiera hotontosaina any Zeorzia amin'ny Oktobra 2012 dia i David Bakradze, Filohan'ny Parlemanta amin'izao fotoana izao, no mpikambana ao amin'ny antoko mitondra mavitrika indrindra ao amin'ny Facebook. Amin'ny fotoana anoratana dia manana “mpankasitraka” 27.526 ny pejy ofisialiny, izay ahitana ny sarin'ny fitsidihana, ny fivoriana nataony ary ny fiankaviany. Namoaka...

Zambia: Lasa Alohan'ny Fampahalalam-baovao Mahazatra ny Mpiserasera Amin'ny Famoahana Vaovao Momba Ny Fifidianana

  26 Septambra 2011

Nifidy filoham-pirenena, mpikambana ao amin'ny antenimiera ary solotenan'ny governemantam-paritra ny Zambiana tamin'ny 20 Septambra 2011 lasa teo, fantatra fa nanomboka tamin'ny 6 ora maraina ny fandatsaham-bato, maresaka tanteraka ny Twitter, Facebook sy ny tranokala mpanaramaso ny fifidianana Bantu Watch tamin'ny fanehoana izay tsy fetezana rehetra nanamarika ny fiandohan'ny fandatsahambato . Tao...

Zambia: Nanome Valim-pifidianana ny Mpiserasera Noho ny Fahatarana Amin'ny Famoahana Izany..

  24 Septambra 2011

Valo ambinifolo ora taorian'ny fikatonanan'ny fifidianana tao Zambia ny 20 Septambra lasa teo, nahatonga ny loharanm-baovaon'ny valan-tserasera hamoaka vaovao farany mikasika ny vokam-pifidianana filoham-pirenena, antenimiera ary ny governemanta ao an-toerana ny fahatarana ela be avy amin'ny Vaomiera Misahana ny Fifidianana (ECZ) amin'ny famoahana ny voka-pifidianana. Mpahay toekarena Zambiana mamoaka hatrany ny vaovao...

Tonizia: Mpitoraka Bilaogy Voadaroky Ny Mpitandro Filaminana Noho ny Fitantaràny Hatsikana

Valo volana taorian'ny naharava ny fitondran'i Ben Ali, mbola tsy nampiato ny herisetrany sy ny fanimbazimbany ny zon'olombelona ihany ireo mpitandro filaminana any Tonisia. Ny Alarobia, voasambotra sy voadaroky ny mpitandro filaminana i Azyz Amamy (@Azyyoz), mpitoraka bilaogy noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro fony izy teny akaikin'ny tobin'ny mpitandro filaminana iray. Tohina ireo mpitoraka bilaogy.