· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Aogositra, 2011

Arabia Saodita: Tenifototra Manokana Ho An'ny Mpanjaka Ao Amin'ny Twitter!

Tenifototra iray amin'ny teny Saodiana manao hoe #tal3mrak izay raha adika ara-bakiteny dia manao hoe "Andriamanitra anie hanome tombon'andro anao" na "ny andriamanjaka" raha atao amin'ny teny Tandrefana no nandrakotra ny Twitter androany (28 Aogositra 2011). Zava-tsy nampoizina ho an'ny maro ilay tenifototra, izay tsy nihevitra velively fa ny Saodiana mpiondana aterineto dia hanana faharisihana hiresaka amin'ny feo avo amin'ny fomba tahaka izany rehefa mitodika amin'ireo manampahefanan-dry zareo

Fetiben'ny Bilaogy: Meksika – Midradradràdra Ny Herisetra

  30 Aogositra 2011

Ny Fetiben'ny Bilaogy 2011 nataonay voalohany dia nitondra ny lohahevitra hoe "Meksika - Vahoaka, Herisetra ary Bilaogy". Ao anatin'ny ampahany voalohany amin'ny famintinana farany, arantinay ny fihevitr'ireo Meksikana mpitoraka bilaogy momba ireo tranganà herisetra nitranga taloha tao amin'ny fireneny sy ny fomba andraisan-dry zareo izany ary anehoany ny fangirifiriany rehefa mahadòna azy ireo ilay herisetra.

Ejipta: Ny Miaramilan'ny Facebook-n'i Omar Soliman

Nisy fitsapan-kevitra iray nokarakarain'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika tao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo mba hahitàna hoe firy avy no mety ho mpanohana ho azon'ny mpirotsaka tsirairay eny an-kianja amin'izao fotoana izao, namoaka vokatra 'mampiahiahy'. Indreto ireo fanehoan-kevitra sasantsasany tao amin'ny aterineto taorian'ny nivoahan'ilay vaovao hoe nisy fanaramàna miaramilan'ny Facebook mba hanodinana azy ireny.

Afghanistan: Feon'ny Tanora Afghan Ao Amin'ny Lanonamben'ny Fampitam-baovao Marolafy

  29 Aogositra 2011

Ao Afganistana, nikofokofoka tokoa ny tambazotra Internews mba hanazatra sy hanetsiketsika ireo tanora Afghan hizara ny fomba fijeriny amin'izay lohahevitra mahaliana azy ireo ao amin'ny Afghan Youth Voices Festival na Lanonamben'ny Tanora Afghan manandram-peo sy ny lasim-pampitam-baovao.   Ny Afghan Youth Voices Festival  dia sehatra iray ahafahan'ny tanora Afghan maneho ny heviny, na...

Espana: Famoretana An-kerisetra Nataon'ny Polisy Tamin'ny Mpanao Gazety Nitatitra ny “Diabe Laika”

  22 Aogositra 2011

Ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Papa Benedicto XVI tao Espana dia niteraka fanaovana "Diabe Laika" iray ho fanoherana ny fampiasàna ny volam-bahoaka amin'ny resaka fivavahana ao anaty fanjakana laika. Ny fifandonana teo amin'ireo laika sy ireo olom-pinoana dia niafara tamin'ny famoretana an-kerisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao gazety nitatitra ny zava-nitranga. Ny Global Voices dia manolotra fantina lahatsary avy amin'ireo fihetsiketsehana.

Iran : Mehdi Khazali noafahana taorian'ny fitokonany tsy hihinan-kanina nandritra ny 25 andro

GV Mpisolovava  21 Aogositra 2011

Dr. Mehdi Khazali, bilaogera sady mpamoaka lahatsoratra, zanaka mpitondra fivavahana lehiben'antoko farany havanana sy mpikambana taloha tao amin'ny Filankevitry ny Mpiandry, Ayatollah Khazali, no noafahana tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra ny Alahady 14 aogositra 2011 lasa teo, taorian’ ny fitokonana tsy hihinan-kanina nandritra ny 25 andro. Niaka-peo tamin'ny governemanta iraniana izy tao...

Ejypta : Asmaa Mahfouz Nohadihadian'ny Fitsarana Ady Miramila

GV Mpisolovava  20 Aogositra 2011

Mpitolona ejypsiana Asmaa Mahfouz , iray amin'ireo mpanorina ny Hetsika 6 aprily no nohadihadian'ny  fampanoavana ao  amin'ny fitsarana ady miaramila ny Alahady 14 aogositra lasa teo satria voalaza fa “nanevateva ny komandin'ny tafika ary niantso fikorontanana”. Voamarina tamin'ny resadresaka vao haingana tamin'ny finday nataony niaraka tamin'ny fahitalavitra Al-Nas mandeha amin'ny zanabolana ireo fiampangana an'i Asmaa ary...