· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jona, 2011

Iran: Firaisan-kina amin'ireo gadra mitokona tsy mihinan-kanina

Nisy ireo fihetsiketsehana nokarakaraina nanerana ny tanàna 25 fara-faha keliny maneran-tany ny Sabotsy 25 Jona 2011, mba hanehoana ny firaisan-kina amin'ireo gadra politika miisa 18 eo ho eo izay mitokona tsy mihinan-kanina any amina fonja Iraniana roa. Natombok'ireo gadra politika izany fitokonan'ny hanoanana izany tamin'ny fahafatesan'ny mafana fo ara-politika roa, Reza Hoda Saber sy Haleh Sahabi.

Siria: Revolisionan'ny Black Comedy

Black comedy dia iray amin'ireo fomba iresahana ny tranga mampihetsi-po. Izay niseho vao haingana tao Siria, nisian'ny rà nandriaka no sady nahaketraka ny maro, dia nitondra ihany koa tamin'ny firongatry ny bilaogy, ny pejy facebook ary ny lahatsoratra izay niezaka nanaraby ny zava-nisy, ary nampahafantatra sy nanasongadina ireo fanambarana ofisialy somary adaladala-izay indraindray toa mivaona tanteraka.

Ejypta: Taom-polo Nahazotoana Niserasera Niandian-kevitra Tao amin'ny Tweet Nadwa

Nanjary lasa fotoana isan-kerinandro ny zavatra efa natao, nihaona fanindroany indray ireo Ejipsiana mpitsiokantserasera amin'ny alalan'ny Twitter mitarika adihevitra fantatra amin'ny anarana hoe Tweet Nadwa (famoriam-bahoaka). Taorian'ny fahombiazan'ny fiodinana voalohany izay nifantoka indrindra momba ny resaka islamista, ny amin'ny fomba fahitana azy ireo ao anatin'ny fiaraha-monina Ejysiana sy ny vinavinan'izy ireo...

Makedonia: Repoblika Twitter .mk

Mitohy ny Fihetsiketseham-panoherana ao Makedonia, raha mbola mandà na dia ny hiresaka izay tadiavin'ny olona amin'ny fangaraharana, andraikitra politika ary ny fanajanonana ny herisetra ataon'ny polisy fotsiny ihany aza. Tamin'ny alahady, dia nisy sarim-pamantarana vaovao nasehon'ny mpanao fihetsiketsehana sasany: Sainam-pirenena Masedoanina misy sary famantarana Twitter ao aminy, ho fahatsiarovana ny asan'ny fiarahamonina Twitter.

Sénégal : Novoizina Mafy Tao Amin'ny Twitter Ity Fihetsiketsehana Ity

  25 Jona 2011

Alakamisy 23 jona 2011, tototr'ireo mpanao fihetsiketsehana i Dakar. Ny tanjon'izy ireo: ny tsy hahatanteraka ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana izay azo andaniana ny filoha mahazo vato hatrany amin'ny 25% dieny amin'ny fiodinana voalohany sy manome soso-kevitra ny hisian'ny filoha lefitra toy ny an-dry zareo amerikana. Nahomby ry zareo.