· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Mey, 2011

Ejipta: Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Androm-Panoherana tao Nakba, Cairo

Tamin-kerisetra mahery vaika no nandravan'ireo mpitandro filaminana ny androm-panoherana tao Nakba teo anoloan'ny Masoivohon'i Israely ao Cairo ny 15 May 2011, tifitra baomba mandatsa-dranomaso, bala vy mifono fingotra ary ny tatitra hafa aza dia nilaza fa bala tena izy no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana.Niova mahatsiravina tampoka ny zava-niseho, nanjary nampahatsiahy ny zava-nisy tamin'ilay tolona ho amin'ny fiovàna nandritra ny 18 andro, ary tsy nitsahatra nibitsika nampita sy nandefa sarin'ireo fifandonana ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanao gazety.

Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

  26 Mey 2011

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...

Iran: “Eny rehetra eny izahay” fanentanana hanoherana ny tsy fankasitrahana pelaka

Arsham Parsi no mpanorina ny Fikambanan'ny Pelaka Iraniana manana ny foibeny any Toronto, Canada. Tamin'ny 2008,  niteny tao amin'ny Global Voices izy fa “fanomezana tsara ho azy ireo ny aterineto.” Tamin'ity taona ity, tamin'ny 17 may, Andro Iraisam-pirenena hitsipahana ny tsy fankasitrahana pelaka,Iraniana maro no nampiasa ity “fanomezana” ity hanandratana indray ny...

Brezila: Tandindonin-doza ny hoavin'ny ala

  22 Mey 2011

Tao anaty herinandro vitsivitsy farany teo, nahoraka ny kongresim-pirenena breziliana niaraka tamin'ny fanerena hifidianana ny lalàna vaovao mifehy ny rano sy ny ala. Ilay tetik'asa natolotra, izay nifantoka tamin'ny fanovana ny lalàna efa nisy teo aloha, dia neken'ny fivondronan'ny solombavam-bahoaka atao hoe "Ruralist front" na ny mandan-tehezan'ny tantsaha. Ireo mpandala tontolo iainana dia nanentana mba hanohitra ilay lalàna vaovao, ary ireo Siantifika kosa dia nangataka fotoana lavalava handinihany ilay volavolan-dalàna.

Espaina: “Yes We Camp” na “Eny, Milasy izahay” Fanentanana An-dalambe Sy Anaty Aterineto

  21 Mey 2011

Hatramin'ny 15 May, nirotsaka an-dalambe ny vahoaka tao Espaina mba hitaky ny hisian'ny demaokrasia bebe kokoa amin'ny fifidianana ho avy eo, miaraka aminà olona an'aliny mitoby eny ivelany any amin'ireo tanàna maro samihafa manerana ny firenena. Mifandamina any anaty tambajotra ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanohana, sady mampiasa ny fitaovan'ny media sosialy hifampizaràna sy hanelezana ny vaovao, hilazàna ny tantarany, ary hiaraha-miasa anaty fifandrimbonana momba ny hevitra, ny fomba fijery syny fandraisana andraikitra.

Espaina: An'aliny ireo vahoaka nirotsaka an-dalambe

  20 Mey 2011

An'aliny ny olona nirotsaka an-dalambe tany Espana tamin'ity herinandro ity mba hanohitra ny kolikoly, ny tsy fahazoana antoka ny ampitso, ny tsy fisian'ny asa ary ny rafitra politika tsy misy afa-tsy antoko roa. "Tsy entam-barotra eny an-tànan'ny banky ny mpanao politika akory isika," no teny fanevan'ireo olona an'aliny nanao fihetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny 15 May teo, andro vitsy monja mialoha ireo fifidianam-paritra. Hitohy ny hetsi-panoherana sy ny fitorevahana.

Tonizia: Miverina indray ny Sakana amin'ny Aterineto

Ny mpampiasa aterineto Toniziana dia afaka niditra ankalalahana tamin'ny Aterineto, tao aorian'ny nienjeran'ny fitondran'i Ben Ali tamin'ny tapaky ny Janoary sy ny niafaran'ny sakana amin'ny vohikala nisy teo aloha. Toa hifarana anefa ity volan-tantely fohy ity, noho ny baiko azo vao tsy ela izay, avy amin'ny fitsarana miaramila mba hanakanana pejy Facebook efatra. Manohitra ny fivoarana vaovao ireo mpampiasa aterineto ao anatin'ity lahatsoratra ity.

Filipina: Gadra Politika Manoratra Diary Avy Any Am-Ponja ao Anaty Aterineto

  17 Mey 2011

Nanangana bilaogy iray handraketana ny fiainany any am-ponja sy ny eritreriny ny mpanakanto Filipiana iray, mpanao gazety sy mafàna fo izay notazonin'ireo manampahefana ao Philippines am-ponja. Ny fianakaviany, ny namany, ireo mpanakanto mpiara-miasa aminy sy mpanoratra avy amin'ny fiarahamonina sivily koa dia nampiasa ny vohikala ho fanentanana ny amin'ny hamotsorana azy.