· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Avrily, 2011

Ejipta: Nampianatra Antsika Ny Fomba Hikomiana i Gene Sharp!

Ny Febroary lasa teo, Sheryl Stolberg ao amin'ny The New York Times dia nanoratra lahatsoratra momba ilay mpampianatra siansa politika, Gene Sharp, izay nolazainy fa ny hevitr'io mpampianatra io no nitarika nofinofim-pitakiam-piovàna Ejiptiana, tahaka ireo fikomiana maro hafa tany amin'ny faritra.Namaly izany filazana izany ireo mpampiasa aterineto Ejiptiana miaraka amin'ny tenifototra ao amin'ny Twitter.

Zambia: Miresaka ny Tokony Hizaràna Fimailo Any Am-ponja Ireo Siokantserasera

  22 Avrily 2011

Ny olana tahaka ny VIH/SIDA sy ny olona mitovy nefa mifanambady dia olan'ny fihetseham-po any Zambia. Iry voalohany dia naka aina maro tato anatin'ny dimiambiroapolo taona farany ary itsy farany dia olana tsy sahin'ny olona resahana imasom-bahoaka akory. Ny sasany tamin'ireo Zambiana tao amin'ny Twitter, na izany aza, dia nanasongadina endrika iray mahaliana amin'ilay adihevitra mikasika ny fifanambadian'ny olona mitovy - hoe tokony haparitaka any amin'ireo fonja Zambiana ny fimailo, toerana izay fantatra fa isian'ny fampiharana ny sodomia (firaisana amin'ny lava-body).

Senegaly: Hetsika “Leo izahay” hatreny an-tranokala ka hatrany an-dapam-panjakana

  22 Avrily 2011

Nandritra ny hetsiky ny revolisiona arabo, nahita ny fandraisana andraikitra maromaro an'ireo tanora tezitra amin'ny aterineto ny tranokala senegaley. Nanomboka ny volana martsa, nivoaka ny tranonkala ny fanentanana ary lasa mpitarika ny fanoherana “ny mpifarimbon'asa Y en a marre”. Natsangana tamin'ny volana janoary 2011 ny “Leo izahay” noho ny hakiviana nivangongo manoloana...

Sivanin'ny Tranobem-Pirenena Ho an'ny Siansa ao Etazonia ny GV Advocacy

GV Mpisolovava  21 Avrily 2011

Tsy ela akory izao, ny ekipan'ny Global Voices dia naheno fa ny vohikalany, https://advocacy.globalvoicesonline.org, dia voasakana ao amin'ny foiben-toeran'ny Tranobem-Pirenena Ho an'ny Siansa – National Science Foundation (NSF) ao Washington, D.C.  Raha ny fomba fanao mahazatra ireo orinasa sy fikambanana maro, dia mampiasa rindrambaiko fanivanana ny NSF mba hanakanana vohikala...

Madagasikara: Endrika sy habe samihafan'ny sivana

  21 Avrily 2011

Ny mpamaham-bolongana Achille52 no mamahavaha ny zavamisy iainan'ny fampahalalam-baovao sy ny fahalalaham-pitenenana eto Madagasikara (fr), izay amoahany amin'ny antsipiriany ny fomba anelingelenana isankarazany ny mpamaham-bolongana (izay efa nohazavain'ny tatitry ny  Amnesty International ihany koa). Nambarany ihany koa fa nakatony tsy ho hitan'ny olona ny bolongany rehefa nisy manamboninahitra polisy nilaza taminy fa...

Brezila: Momba ny Fanokafana Ny Tahirim-Bakoky Ny Fitondrana Jadona

  11 Avrily 2011

Napetraka ny fitorahana bilaogy ifarimbonana mba hangatahana ny fanokafana ny tahirim-bakoky ny fitondrana jadona miaramila Breziliana (1964-1985), tompon'antoka tamin'ny fampijaliana olona an'arivony sy famonoana Breziliana efa ho 380. ka tamin'ireo dia 147 no tsy mbola hita popoka ary tsy misy zavatra fantatra ny amin'izay niafaran'ny nofo mangatsiak'izy ireny. Mandrak'ankehitriny ny fianakavian'izy ireny dia mbola mangirifiry tsy mahalala ny tantaran-dry zareo.

Brezila: Fanalam-baraka nahazo ilay vehivavy Breziliana nampodiana avy any Espaina

  10 Avrily 2011

Namoha indray ny resaka mikasika ny fifindramonina eo amin'ny firenena roa tonta ny fampodiana ilay mpandeha fialan-tsasatra Breziliana Denise Severo 34 taona ary mpanao fikarohana eny amin'ny anjerimanontolo, tamin'ny voalohandohan'ity taona ity. Nanoratra taratasy misokatra mikasika ny zavatra niainany izay tena nampizarazara ny mpitoraka bilaogy maro isan-karazany i Severo, ary...

Bahrain: Nosamborina i “Emoodz”, mpitoraka blaogy

Tamin'ny faha 30 Martsa 2011, dia nosamborina ilay mpitoraka blaogy teratany Bahraini Mohamed El-Maskati, fantatry ny olona bebe kokoa amin'ny anarana hoe "Emoodz" eo amin'ny tontolon'ny blaogy. Raha araka ny hevitry ny 'Reporters sans frontières', ny fisamborana an'i El-Maskati dia niseho taorian'ny fandrahonana tao amin'ny Twitter izay nataon'ny olona iray ao amin'ny fianakavian'ny mpanjaka, ary fantatra tsara amin'ny hoe @emoodz i El-Maskati ao.