· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Marsa, 2011

Syria: Mpi-tweet Ejipsiana-Amerikana voampanga ho manao asam-pitsikilovana

Nosamborina tany Syria ary naseho tamin'ny televiziona Syriana ho mpitsikilo ny mpisera Twitter Ejipsiana-Amerikana Muhammed Radwan (@battuta), mpitsikilo lazaina fa nitsidika an'i “Isiraely miafina sady efa nanaiky fa nandray vola avy any ivelany ho takalon'ny fandefasana sary sy lahatsary momba an'i Syria.” Araka ny nolazain'ny masoivohom-baovao Syriana (SANA) dia nampangaina ho mandray “imailaka...

Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe

Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.

Zeorzia: Mpanao gazety voaroaka fa niteny fankahalana tao @ Facebook

  28 Marsa 2011

Ny 18 Marsa 2011 dia nandroaka ny roa tamin'ny mpanao gazetiny ny Fampielezam-peom-panjakana Zeorziana, dia i Giorgi Tukhareli sy i Giorgi Gabrichidze, noho ny teny fankahalana olona mitia mitovy fananahana aminy sy ny fankahalana an'i Vatikana sy ny Fiangonana Katolika, nosoratany tao amin'ny Facebook. Nisy fanamarihana nosoratan'ireo mpanao gazety ireo...

Brezila: Ny Sandan'ny Famatsiana Ara-Bola ny Kolotsaina

  27 Marsa 2011

Vaovao vao haingana ny hoe navelan'ny Ministeran'ny Kolotsaina Breziliana ilay mpihira malaza Maria Bethânia mba hanangona volaR$ 1.3 tapitrisa tsy tataovan-ketra (ny reais Breziliana iray dia tokony ho US$ 777,000 eo h eo) mba hananganana bilaogin-tononkalo, ary izany dia niteraka hatezeran'ireo mpitoraka bilaogy, ny mpampiasa Twitter sy ireo mafàna fo hafa amin'ny sehatry ny kolotsaina.

Syria: Famonoan'olona maro, nanjavona ny Bilaogera sy Mpanao gazety

Mbola mitohy ny fifandonan'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Daraa, Syria . Vao maraim-be, tafika manokana no namono farafahakeliny olona 6 nandritra ny fanafihana tao amin'ny Moské Al Omari mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana izay efa nanao ny toerana ho toeram-pivoriana sy hopitaly feno harena. Nitatitra ny televiziona Syriana eto amin'ny firenena fa andia-jiolahy...

Maraoka: Diabe nilamina nanerana ny firenena

Nidina an-dalambe isan-kerinandro, tahaka ny Toniziana sy ny Ejipsiana, ny Maraokana ny volana Febroary 2011, mitaky ny hanovana Lalampanorenana sy ny fametrahana rafitra demokratika parlemantera. Nisy ary ny Diabe am-pilaminana notontosaina ny Alahady 20 marsa nanerana ny firenena. Voatatitra tamin'ny alalan'ny aterineto, hita ao amin'ny Twitter, Facebook ary ny Youtube ny isa-minitran'izany diabe izany.