· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2010

Cote d'Ivoire: Herisetra manakaiky fifidianana

  22 Oktobra 2010

Mpikaroka momba an'i Afrika Andrefana ao amin'ny Human Rights Watch (fanaraha-maso ny zon'olombelona) Corinne Dufka no niteny:” Raha mbola misaritaka amin'ny fikarakarana fifidianana ny mpanao politika sy ny diplaomaty vahiny, ny mponina any Côte d'Ivoire andrefana kosa levon'ny tahotra sao voaendaka na voasintona avy ao anaty fiara fitaterana dia misy...

Egipta: Facebook maditra

Niteraka tsaho, esoeso ary fampihomehezana maro samihafa manerana ny blaogy sy Twitter ny fandaharana iray nandeha tamin'ny fahitalavi-panjakàna. Manome fanampim-baovao i Tarek Amr ao amin'ny fanangonany ny fanehoan-kevitra teo anivon'ireo Egiptiana amin'ny aterineto.

Arabia Saodita: Antso ho fanavotana an'i Samar Albadawi

Samar Albadawi, vehivavy Saodiana iray nisara-panambadiana no tazonina ao amin'ny fonjan'i Brayman ao Jeddah amin'izao fotoana fa hoe tsy nankato an-drainy. Raha nisafoaka ny mponin'ny aterineto sasany , ny hafa kosa kely finoana momba ny tranga mahazo azy ary mbola mitohy foana ny adihevitra eo amin'ireo Saodiana mpitoraka bilaogy sy mpandefa bitsika 'tweets'.

Horonantsary: Ahoana no hikajiana ny rano ho madio lalandava sy hampiasàna azy am-pisainana

  17 Oktobra 2010

Avy amin'ny toro-làlana ho fampiasàna ny rano efa niasa na fifehezana ny firobarobàna rehefa mampiasa trano fidiovana isika, natao ho an'ireo ankizy madinika any Valle del Colca ao Peru, anazavàna ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandroana ny loharanon-drano iraisan'ny daholobe ho madio lalandava. Miaraha aminay mandritra ny Blog Action Day itetezanay izao tontolo izao miaraka amina Horonantsary Fikajiana avy amin'ny Vazantany rehetra.

Chile: Namarana ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanina ny ankamaroan'ny gadra Mapuche

  16 Oktobra 2010

Tamin'ny faha 2 Oktobra , taorian'ny fifanarahana lehibe niaraka tamin'ny governemanta Siliana, gadra Mapuche miisa 25 izay voatazona tany am-ponja tao amin'ny tanànan'i Concepción, Angol, Temuco ary Valdivia, no namarana ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanina izay naharitra 82 andro. Na teo aza izany, gadra Mapuche miisa 14 izay voatazona sy nampidirina toeram-pitsaboana tany Angol, Victoria, Cholchol ary Temuco no mbola nanohy ny fitokonana [es].

Hongrie: Manohitra ny tranombarotra Auchan ny mponina

Inona marina ny zava-mitranga any amin'ny honahonan'i Dunakeszi ? Mbola mitohy foana ny tantaran'ny honahonan'i Dunakeszi nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2009. Mikasika ny tetikasa fanitarana ny toeram-pivarotana lehibe iray any Auchan Hongrie amina faritra misy honahona izay arovan'ny lalàna no olana . Nahitana Lahatsoratra [HUN] vao haingana mikasika ny vaovao farany...