· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2010

Arabia Saodita: Fahazoan-dalana hitoraka blaogy!

Nanambara drafitra hanarahamaso ireo mpamoaka zavatra sy ny media ao amin'ny aterineto aloha i Arabia Saodita, anatin'izany ireo blaogy sy ireo sehatra fifanakalozan-dresaka, mba ho oarakitra ofisialy ao anatin'ny lisitry ny Governemanta. Ny Ampitson'iny, niteraka fanehoan-kevitra marobe izany, izay milaza fa ireo gazety ao amin'ny aterineto ihany no voakasik'izany. Manana ny tiany hambara ireo vahoaka Saodiana ao amin'ny aterineto.

Azerbaijan: Bloqosfer 2010

  22 Septambra 2010

Tonga ihany izy ity nony farany. Bloqosfer 2010, hetsika iray efa nandrasan'ireo mpitoraka blaogy maro any Azerbaijan efa ho roa volana eo ho eo, dia natao tamin'ny 10-12 Septambra tany amin'ny tanàna amorontsirak'i Nabran. Maherin'ny 100 ireo mpitoraka bilaogy efa manana traikefa naka toerana teo anilan'ireo vao nisondrotra, manampahaizana manokana amin'ny media vaovao sy ny aterineto, mpandraharaha, ary solontena avy amina fiarahamonim-pirenena hatramin'ny manampahefana.

Madagasikara : notazonin'ny mpitandro filaminana ny mpanadihady iray mikasika ny fanondranana an-tsokosoko ireo Andramena [hazo “bois de rose”]

  20 Septambra 2010

Ny zoma 17 Septambra 2010, ireo blaogy Mongabay [ndlr. mivoy ny fiarovana ny tontolo iainana] [teny Anglisy] sy MyDago [teny Frantsay] dia nitatitra fa ny Alahady 5 Septambra 2010 dia notazonin'ny mpitandro filaminana tany Maroantsetra [ndlr. faritra Analanjirofo, atsinanan'i Madagasikara] ny “mpanao gazety vahiny” iray izay nanadihady mikasika ny fanondranana...

I Paid A Bribe (Nandoa tsolotra aho): Ezaka any India

  19 Septambra 2010

“Nanao kolikoly? tsy nanao? tsy nanan-tsafidy? nihàrany? tezitra?" I Paid a Bribe dia mandrisika ny olom-pirenena any India hizara ireo zava-niainany momba ny kolikoly, ary mampiasa ireny tranga ireny mba hamantarana ireo sampana sy dingana tena ahitàna kolikoly ao anivon'ny firenena.