· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Aogositra, 2010

Rosia: Fanohanana ireo niharam-boina tamin'ny lelafo amin'ny alalan'ny famatsiam-baovao amin'ny aterineto

Akon  27 Aogositra 2010

Mbola niparitaka hatrany ny afo tao Rosia nanomboka tamin'ny herinandro lasa teo, izay nampikorontana ny mponina an'arivony. Nisy vohikala vaovao iray niforona ary mampiasa ny fitaovana Ushahidi, Russian-fires.Ru, izy io dia tsy mamoaka an-tsary ny toerana nitrangan'ilay lelafo fa mampifandray ireo mponina mila fanampiana sy ireo manam-paniriana ny hanampy azy ireo.

Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto

  26 Aogositra 2010

Ny farany tamin'ireo "Fujian" 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana antrano maizina, Fan Yanqiong, dia nivoaka androany "on medical parole" taorian'ny taona iray nanefainy ny helony. Jereo ny fanadihadihana vaovao nataon'i He Yang mikasika ny tantarany, tahaka izany koa ireo vahoaka ao amin'ny aterineto You Jingyou sy Wu Huaying, etsy ambony.

Sina: izaho no i Liu Xianbin

  18 Aogositra 2010

42 taona i Liu Xianbin ary nandany ny iray ampahatelon'ny androm-piainany tany am-ponja. Nogadraina indray izy nanomboka ny volana Jona ary manao fampielezan-kevitra amin'ny hiaka hoe "izaho no Liu Xianbin " ireo mahery fo .

Ejipta: Efa manana fankahalana voajanahary miharo herisetra amin'ny vehivavy mihitsy ve ny Ejiptiana e?

Efa manana fankahalana voajanahary miharo herisetra amin'ny vehivavy mihitsy ve ny Ejiptiana e ? Tena tsy faly mihitsy amin'ity fironana ara-tsosialy vaovao ity iZeinobia , ary Mohaly dia mametra-panontaniana hoe mizotra mankaiza isika miaraka amin'ny fanavakavahana, manontany tena i Diptychal ny amin'ny antony itadiavan-dry zareo izay hanampenam-bava azy ireny, ary Eman Hashim dia mangataka ireo renim-pianakaviana mba hitia ny zanak'izy ireo vavy!

Mi-Tweet mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka any Kenya 2010

  05 Aogositra 2010

Nanao fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny fanaganana lalàm-panorenana vaovao ireo Kenyana androany. Vao haingana androany dia nanome rohin'ireo vohikala miaraka amina fanavaozana mikasika ity hetsika ity androany. Ireo Kenyana mpampiasa twitter be atao amin'ny fandefasana ireo tweets mikasika ity fitsapan-kevi-bahoaka ity amin'ny fampiasana ireo tenifototra: #uchaguzi, #kenyadecides

Rosia: Tanàna sy vohitra maro may

Akon  05 Aogositra 2010

Doro ala sy afo be mivaivay no mandripaka manivatsiva an'i Rosia afovoany ; olona an'arivony no alàna amin'ireo faritra voakasika, ary ny mampalahelo dia, misy tatitra mikasika ireo fahafatesan'olona ( miisa 28 farafahakeliny , hatramin'ny androany ). Tamina tranga maro dia tsizarizary ny fandraisana an-tànana ny ezaka famonoana afo, ka nisafidy ny hihetsika amin'ny herin'ny tenany ireo mponina eo an-toerana sy hiaro ireo tanàna sy vohitra manodidina miaraka amin'izay fitaovana mety hananany eo am-pelatanany.