· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jolay, 2010

Hong Kong: Mifanentana hiaro ny moron-dranomasin'i Tai Long Wan ny mponina

  24 Jolay 2010

Olona maro no mihevitra fa ala-tsimenitra no mandrafitra an'i Hong Kong noho ireo tranobe mijoalajoala ao aminy. Saigy ny zava-misy dia faritra tsy misy fivoarana ny 75 % n'ny velarantany amin'io tanàna io amin'ny ankapobeny. Endrika navelan'ny tantaran'ny fanjanahan-tany tsy niniana natao io, rehefa niezaka hampaharitra ny famatsiana rano tao an-tanàna...

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny resaka ara-nofo sy fanivànana vohikala

  19 Jolay 2010

Amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin'ny aterineto dia raisina ho tahaka ny fanoherana ny fahalalahana miteny kanefa ireo Governemanta any Azia Atsimo-Atsinanana dia toa afaka manamarina izany amin'ny fampisehoana ny filàna hanavotra ny tanora amin'ny loza aterak'ireo fitondrantena mamoafady miresaka firaisana ara-nofo

Togo: Manararaotra ny fivoaran'ny teknolojia ireo vehivavy sy ireo tanora

  18 Jolay 2010

Tamin'ny faha-17 Jona, nisokatra tany Ouagadougou, Burkina-Faso[fr] nyfihaonam-be panafrikana fahatelo mikasika ny fomba fampiasa tsara indrindra ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay; Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana] any amin'ny tany miteny frantsay ao Afrika . Raha miompana kokoa amin'ireo ftetika hifehezana ny heloka bevava anaty Aterineto ny fihaonam-be, ireo tontolon'ny blaogy Togolezy kosa dia manararaotra sy miresaka ny tanjaky ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho amin'ny fampandrosoana, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora

Koety: Amidy ny blaogiko

Araka ny efa nampoizina, vaovao nampitain'ny gazety an-tsoratra iray ao an-toerana dia mianatra manara-maso ny blaogy ny governemanta Koetiana ary tsy nankasitrahan'ireo mpitoraka blaogy izany. Nanapa-kevitra ny hiatrika izany vaovao mandeha izany ny iray amin’ireo mpitoraka bilaogy malaza nilaza fa amidy ny bilaoginy. Nararaotin'ny mpamaky izany hanehoana malalaka ny heviny.

Kambodza: Mitotongana ve ny toe-tsain'ireo moanina

  13 Jolay 2010

Tena niteraka resaka nanahirana mihitsy ny fandrenesana tao ho ao ny fitontongan'ny toe-tsain'ny moanina, hatramin'ny niantohan'ny Lalampanorenana ny Bodisma ho fivavaham-panjakana ary ny fahitana fa saika Bodista daholo ny ankamaroan'ny Kambojiana.. Matetika ireo moanina ireo no tratra nanao fihetsika mahery setra na fitondra-tena tsy maotina ka tafiditra amin'izany ny fanaovana...

Chili: Manomboka any Californie hatrany Chili eny ambony “biodiesel”

  11 Jolay 2010

Niara-nitety tany nandritra ny enim-bolana i Maria Jose Calderon sy Carlos Herrera manombok any California, any Etazonia ka hatrany Chili, amin'ny fiara "biodiesel". Nitety an'i Amerika Atsimo izy ireo hijery ireo epetra raisin'ireo mponina hanampiana ny tontolo iainana, ary nandrakitra ireo zavatra hitany sy ny diany tamin'ny alalana horonantsary, saripika ary lahatsoratra blaogy.