· Mey, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Mey, 2010

Egipta: Fampiasàna ireo fitaovana media amin'ny aterineto mba hanavotana olona voasambotra

GV Mpisolovava  25 Mey 2010

Vao haingana izay tamin'ity volana ity, nikarakara hetsi-panoherana teo anoloan'ny Antenimieram-Bahoaka Ejipsiana ny avy ao amin'ny Hetsiky ny Tanora ny 6 Aprily, nitaky fahalalahana ara-politika bebe kokoa sy fampitsaharana ny “lalànan'ny fahalatsahana an-katerena”, izay mety hohavaozina indray amin’ity taona ity ary mety hohamafisin'ny “lalàna Fanoherana ny Mpampihorohoro” izay heverina ho tena...

Video momba ny Vovonana GV 2010: Fifanakalozan-kevitra momba ny fandrindràna ny votoatin-kevitra

GV Mpisolovava  20 Mey 2010

Nandritran’io fifanakalozan-kevitra an-databatra boribory io, nanazava mikasika ny fizotry ny fandrindràna efa misy, i Victoria Grand, Lehiben’ny Serasera ao amin’ny YouTube, izay ahafahana miditra any “ambadiky ny sehatra” ka hijerena ireo Fepetra anatin'ny  YouTube amin'ny famafana na fanakanana votoatin-kevitra. Ny  “ambadiky ny sehatra” hijerena ireo fepetra anatin'ny YouTube amin'ny famafàna...

Iran: Nihaika an'i Ahmadinejad indray ny mpianatra

  19 Mey 2010

Mpianatra anjatony avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Shahid Beheshti ao Teheran no nanohitra ny fitsidihan'ny filoha iraniana Mahmoud Ahmadinejad tao amin'ny Anjerimanontolony ny 10 mey teo. Nihiaka tigetra manohitra azy tahaka ny “mahalalà menatra ry mpanao jadona” sy ny hoe “Avelao ho afaka ny Anjerimanontolo.” Notafihin'ny mpitandro ny filaminana sy ny vondron-kery...

Iran : Ilay andro “maitso” fiasana (farafaharatsiny ao anaty aterineto)

  16 Mey 2010

Ny Hetsika maitso Iraniana dia manao drafitra mba hanaovana ny 1 May, Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa ho « andro maitso ». Tsy nanao fanoherana goavana ny hetsiky ny mpanohitra tato anatin'ny roa volana lasa izao, hatramin'ny fikasana farany nataon'izy ireo tamin'ny Febroary mikasika ny fankalazana ny tsingerin-taonan'ny revolisaona iraniana...

Ny toeran’ny media citoyen eto Madagasikara

  15 Mey 2010

Maro zavatra notantaraina tokoa ny sehatry ny seraseran'olotsotra teto Madagasikara. Nitombo tsikelikely ny tontolon’ny blaogy teto Madagasikara tao anatin'ny taompolo farany, nitolona tokoa hanandratra ny feony mandra-pahatongan'ny krizy politikan'ny 2009. Niteraka tinady goavambe ny fizotran'ny toe-draharaha niova haingana dia haingana mitaky ny vaovao farany mba hifanaraka amin’ny toetr’andro ka nahitana fiforonana...

Haïty: Fanampiana sa Fanakatsakànana?

  14 Mey 2010

Velom-panontaniana i The Haitian Blogger [Mpiblaogy Haisiana] hoe: “Why does a country with one of the lowest crime rates in the Western Hemisphere need 9,000+ UN troops, US troops and 4.4 million dollars for prisons?” “Aty amin'ny firenena tandrefana izay isan'ny iva taha indrindra raha ny lafiny herisetra, inona no...

Mpiblaogy misongadina: Rakotomanarivo Tahina

Rising Voices  07 Mey 2010

Ny namana Rakotomanarivo Tahina dia miblaogy monina ao Antananarivo, renivohitry Madagasikara. Nandray anjara tamin'ny atrikasa fanajariana ny fijoroana vavolombelon'ny andrimasom-bahoaka izay nokarakarain'ny FOKO izy