· Avrily, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Avrily, 2010

“Boobquake” – “Horohoron”-’ny nofo miatrika ny fitakian’ny mpitarika fivavahana iraniana

Mpianatra iray any amin'ny Anjerimanontolon'i Purdue any Etazonia no nangataka ny vehivavy eran-tany mba hanao fitafiana mihanjahanja na mampiseho kely ny lohaliny ny andro alatsinainy, ho toy ny andrana hanihany ihany mba hanaporofoana ny tsy maha-marimpototra ny fombam-pivavahana iraniana izay milaza fa ny fanaovana akanjo tsy maotina dia miteraka horohoron-tany.

Kaokazy : fampivoarana ny fiainana ara-tsosialy

  26 Avrily 2010

Na dia mbola mihisatra aza ny fidiran’ny internet any Atsimon'ny Caucase, ny fambara rehetra dia maneho fa ireo haino aman-jerim-baovao sy ara-sosialy dia mitana andraikitra lehibe eo amin'ny tontolon'ny fampivelarana ny demokrasia sy ny hafanam-po any an-toerana. Miaraka amin'izany fijery izany ao an-tsaina, ny Open Society Georgia Foundation (OSGF), ny Georgian Institute of Public Affairs (GIPA) sy ireo mpanome tànana hafa dia nikarakara ny Fihaonana voalohany ho an'ny Fanavaozana ara-Sosialy ao Tbilissi, any Georgie ny 8-10 Aprily, hetsika izay hokarakaraina midanindran-dàlana amin'ny fihaonambe momba ny Haino aman-jery ara-Sosialy ho an’ny Fanovana Sosialy.

Rosia: Fipoahana volokano niteraka fifanampiana sy hanihany

Roa andro izay dia naneho ny heriny Ramatoa Natiora tamin'ny alalan'ny fipoahan'ny volokano tany Islande nomena anarana tsy fantatra hoe “Eyjafjallajökull” ary nameno setroka be ny lanitry Eoropa. Arakaraky ny hikisahan'ny rahona miantsinanana dia seranam-piaramanidina maro no mikatona, mitarika any amin'ny fitotonganan'ny zotra rehetra manerana an'i Eoropa. Ny mpitoraka bilaogy rosiana – voakasik'ity loza...

Iran: Nihen-danja ve ny fitorahana blaogy hatramin'ny fifidianana filoham-pirenena?

  19 Avrily 2010

Moa nanova ny fampiasana ireo fantsona sy fitaovana median'olon-tsotra ve ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana? Iraniana iraikambinifolo mpitoraka blaogy sy matihanina amin'ny fampahalalam-baovao mahasolotena ny firehana politika rehetra no namaly ny andiam-panontaniana mikasika ny fivoaran'ny fampahalalam-baovao avy amin'ny Iraniana olon-tsotra Iran hatramin’ny fifidianana.

Loka Best of Blog 2010 : Ireto avy ireo nahazo…

The BOBs have been decided! Tonga eo amin'ny  famaranana ny andiany fahaenina amin'ny fifaninanana Best of Blogs (BOBs) karakarain'ny Deutsche Welle ka midera ny mpandresy tamin'izany ny fiaraha-monin'ny Global Voices. Tamin'ity taona ity, maro tamin'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices no voafantina (araka ny nasongadin'i Diego Casaes), ary misy koa ny...

Libanona: Feo voalohany voarahona

  05 Avrily 2010

Fantatra ary notsiriritina tany amin'iny faritr'i MENA iny noho ny fahalalahan'ny tontolo virtoaly (cyberspace) nananany i Libanona. Tsy dia izany loatra intsony nony nanamarika ny volana Martsa ny olan'ny sivana aterineto voalohany tao Libanona. Manome antsipirihany maro i Layal Al Khatib ao anatin'ity lahatsoratra ity.

Greenpeace vs. Nestle – manodidina ny fahalalàhana maneho hevitra

GV Mpisolovava  01 Avrily 2010

Tapa-bolana izao no nahamarihana fa niakatrakatra ny adihevitra manodidina ny fanentanana ataon'ny Greenpeace tato ho ato mikendry manokana ny Nestle noho ny fampiasan'izy ireo ny menaka voanio izay mitarika fahasimbana goavana ho an'ny tontolo iainana. Ny fanentanana dia nanomboka tamina video viral iray (horonantsary miresaka otrikaretina) nampakarina tao amin'ny  YouTube...