· Marsa, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Marsa, 2010

Sina: Resaky ny samy mpanivana aterineto

GV Mpisolovava  29 Marsa 2010

Dikasary iray mitovy amin'ny fàfan'ny solosaina maneho ny resaky ny vondrona QQ mpanivana aterineto no nivezivezy tanaty Twitter. Izy ity dia manampy ny olona aty ivelany hahatsapa ny fomba fiasa misoko mangina ho fanivànana ny aterineto ao Sina. Mpanivana – xiao dong (1111937) 13:49:33 Akory daholo, jereo ny vohikalanareo sao...

Ejipta: Mafana fo nosamborina noho ny famoronana vondrona Facebook

GV Mpisolovava  29 Marsa 2010

Dr. Ashraf Wagdy, Ejiptiana iray mafana fo avy amin'ny elatra havia, dia nosamborina omaly tamin'ny  7 ora hariva ora iraisam-pirenena. Nanangana vondrona Facebook iray izy mba ho tosika ho an'i Mohamed ElBaradie amin'ny hazakazaka ho amin'ny Fitondrana (Prezidansa). Manao fitokonana tsy mihinan-kanina izy izao mba ho fanerena amin'ny hamotsorana azy, ...

Iran: Mitohy ny fisamborana mpitoraka blaogy hafa

  28 Marsa 2010

Fitohitohizana fisamborana mpitoraka blaogy hafa indray no notaterina tany Iran nefa tsy dia mazava loatra ny antsipiriany. Samy nosamborina na ny mpitarika vondrona iray manohatra sivana, antsoina hoe Iran Proxy, na ny mpanangana ny fampiantranoana blaogy Persiana.

Trinite sy Tobago: Vita ny vola

  26 Marsa 2010

“Nanoaka aho halina raha nahare tamin'ny vaovao navoakan'ny televiziona rehetra misy eto an-toerana nitatitra ny nanafihan'ny polisy, malaza amin'ny fankatoavana ny lehibeny tsy azo anaovana kolikoly, ny biraon'ny UDeCOTT, ny biraon'ny Sunway International ary ny tranon'i Calder Hart, angamba eo ampikarohana ny ambim-bolan'ny Trésor”: Nolazain'ny This Beach Called Life fa tsy...

Shina: nifindra ho an'ny Hong-Kong ny google.cn

  25 Marsa 2010

Nanapa-kevitra ny handao an'i Shina ihany ny Google. Vantany vao nahavita ny fanambarana ny Google dia nitsahatra tamin'ny fnaovana sivana ny tadiavina amin'ny milin-karoka ao amin'ny google.cn amin'ny familiana hankany amin'ny google.com.hk. Ao amin'ny bolongana ofisialin'ny Google i David Drummond, lehiben'ny fiandraiketana ny lafiny lalàna no manazava fa ny anton'izao fanapahan-kevitra...

Shina sy Google: Raha hifandao isika izao

  23 Marsa 2010

Ho tohin'ny fanakatonan‘ny Google ao amin'ny tanibe androany maraina ao amin'ny mili-karoka Google.cn, izay mamindra ny rohy ho an'ny amin'ny setriny miorina any Hong Kong, dia nirotsaka nankany foiben'ny Google ao Beijing indray nandritra ny tontolo andro ny mpanohana hametraka mari-panajana. Koa satria moa efa niomankomana (ihany) ho amin'ny fandehanany ny...

Dubai: Fahatsiarovana ny mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi

  23 Marsa 2010

Teo amin'ny tanora 40 avy any amin'ny tendron-tany efatra no niaraka tao amina "cafe" iray any Dubai ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny nahafatesan'ilay mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi, mpitoraka blaogy voalohany maty tany am-ponja. Nandray anjara tamin'ny alalana zava-kanto teny amin'ny kianjan'ny Hetsika 18 Marsa, OR318, ihany koa io fihaonana io.

Masedoana: Raha tsy nisy ny aterineto

  21 Marsa 2010

Samy nanome ny valinteniny avy na ny mpamaham-bolongana na ny mpampiasa fitaovan-tserasera vaovao tamin'ny fanontaniana manao hoe “Ahoana ny nanovan'ny aterineto ny fiainanao?”, ao amin'ny lahatsoratra [MKD] iray amin'ny hita ao amin'ny vohikala miteny Masedoniana an'i BBC. Darko Buldioski ao amin'nyKomunikacii.net moa nampihatra ny fanaon'ny Slavy mamantatra ny valin'ny fanontaniana mifamaly...

Lahatsoratra iray hiadiana amin'ny Sivana aminy Aterineto

GV Mpisolovava  15 Marsa 2010

Mino ny Fahalalahana Miteny ve ianao? Heverinao ve fa azon'ny saina leferina ny fitarafana ny momba anao sy ny fitsikilovana anao rehefa eo amin'ny aterineto?! Heverinao ve fa zonao ny misitraka  fikarohana&fitorahana blaogy tsy misy sivana amin'ny Aterineto? Mino ny Fahalalahan'ny Vaovao ve ianao? Ny Zo Hahazo Vaovao? Maniry ve...