· Febroary, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Febroary, 2010

Egipta: Nofoanan'ny Fitsaràna ny sazin'ilay mpitoraka blaogy Wael Abbas

GV Mpisolovava  26 Febroary 2010

Noafahan'ny fitsaràna Egiptiana ilay mpitoraka blaogy Wael Abbas rehefa nahazo sazy enim-bolana avy amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany. Tamin'ny volana Novambra no navoaka ny didim-pitsarana taorian'ny tsy fifanarahana nisy teo amin'i Abbas sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy sy i Ahmed Maher Aglan ary ny rahalahiny manamboninahitra polisy Ashraf Aglan tamin'ny volana Aprily...

Iran: Miorina ny Cyber-tafika Islamika

  21 Febroary 2010

Matetika ny aterineto no lazaina ho sehatra ifampiresahana sy ifanakalozan-kevitra amim-pilaminana, saingy rehefa any Iran kosa, nivadika ho lasa karazana “ady an-tserasera” ny fifandirana ara-politika hany ka izay hary fitaovana matanjaka any dia mampangina ny fahalalaham-pitenenana. Indreto tononina etsy ambany ny paikady telo – nahomby na nandamòka – izay antsoinay...

Rosia: Ny atao amin'ny boky antitra

Akon  18 Febroary 2010

Manary ny boky noho ny fahanterany sy tsy fisian'ny mpamaky azy intsony ny trano famakiam-boky maro, hoy ny mpanao tsikera literera Alexander Zhitinski [RUS]. Ny an'ny trano famakiam-boky iray any Saint-Petersburg aza dia ny boky rehetra nivoaka talohan'ny taona 1999 no nariany. Niteraka adihevitra an-tserasera [RUS] moa izao tsy fanajana...

[Podcast] Fanadihadina niarahana tamin'Fabiano Angelico momba ny Transparência Brasil

  15 Febroary 2010

Mpandrindra ny tetikasan'ny Transparência Brasil (Brezila Mangarahara) i Fabiano Angélico. Ny toha-pikarohana nataony hahazoany diplaoma dia ahitana ny hoe “Ny fangaraharana, ny comptabilité ary ny ady amin'ny kolikoly” izay nataony tao amin'ny Anjerimanontolon'i Chili. Eo am-pakana ny Master ao amin'ny fitantanam-panjakana ao amin'ny Fundação Getúlio Vargas any São Paulo, Brezil izy amin'izao fotoana izao.

Brezila: Rakitsary Campus Party 2010

  13 Febroary 2010

Lasa Ambohipihaonan'ny mpankafy, manampahaizana ary mavitrika amin'ny resaka aterineto i São Paulo tamin'ny volana lasa teo, nandritra ny Fihaonan'ny Anjerimanontolo (na Campus) Breziliana. Nisy fihaoana momba ny LAN, ny teknolojia, ary ny kolontsaina nomerika tao nanombokany 25 ka hatramin'ny 31 janoary 2010. CampusPartyMT [pt] moa dia iray amin'ireo bolongana nitatitra...

Egipta: Ny zo hiteny

  09 Febroary 2010

Nanao famelabelaran-kevitra ireo mpitoraka blaogy sy mafana fo Egiptiana tamin'ny 22 Janoary mba hiarovana ny zon'izy ireo miteny taorian'ny nisamborana mpitoraka blaogy 20 mahery raha tonga tao amin'ny tanànan'ny Naga Hammady, izay nisian'ny famonoana ireo Coptic, ny fiarandàlamby nitondra azy ireo. Mitaitra ny hevitr'izy ireo momba ny fitànana azy ireo i Marwa Rakha ato amin'ity lahatsoratra ity.

Syria: mbola any amponja ny mpanao gazety Maen Akel

  09 Febroary 2010

Maen Akel, mpanao gazety Syriana iray , voasambotra ny 11 Novambra 2009 ary ny sampam-pitsikilovana Syriana no nanao izany tany Damas. 48 ora latsaka taorian'ny fisamborana azy dia voaroaka tamin'ny asany tao amin'nygazetim-panjakana iray, Al-Thawra ihany koa izy. Mbola tsy fantatra ny tena antony nisamborana azy.

Tonizia: Sivana lava izao!

  09 Febroary 2010

Mafy lavitra noho ny tany aloha, toa lasa fitsipi-dalao mihitsy ao Tonizia ny sivana. Vavolombelon'ny ady napoakan'i Ammar (solonanarana nomena ny sivana Toniziana), izay nanivanivam-poana blaogy maro tapa-bolana lasa izao ny tontolon'ny fitorahana bolongana Toniziana. Miray feo manohana ireo namany 'voasivana' ny mpitoraka blaogy maro.