· Desambra, 2009

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Desambra, 2009

Tonizia : hetsika naoty fotsy hanoherana ny sivana

  31 Desambra 2009

Sary famantaran'ny Hetsika Naoty Fotsy Tamin'ny zoma 25 desambra no namoahan'ny mpamaham-bolongana Toniziana ny fanentanana Naoty Fotsy hanoherana ny sivana izay miitatra dia miitatra tokoa any Tonizia amin'izao fotoana izao. Tsy mifidy karazam-bohikala asiana intsony ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana (ATI). Saiky nandray anjara tamin'ity fanentanana naoty fotsy ity avokoa ny...

Maneran-tany: “Mi-tweet” ho an'i #Gaza

  31 Desambra 2009

Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny fanafihan'ny Israely an'i Gaza tamin'ny Desambra 2008, mafana fo maro no nanomana ny fanentanana “tweet for Gaza” ao amin'ny Twitter. Manana betsaka amin'izany Jillian C. York

Iran: Rehefa ihoaran'ny hatezerana ny tahotra

  29 Desambra 2009

Niely nanerana an'i Teheran sy ireo tanandehibe ny mpanohitra Iraniana nihaika ny fitondrana Iraniana ny alahady teo, raha maro ny tangoron'olona hankalaza ny Ashura, fetim-pivavahana lehibe iray.

Polona: Mangata-bola ho an'izay te-hamaky ireo Blaogy

  20 Desambra 2009

Androany, mety ho taitra ireo mpamaky ireo blaogy poloney malaza raha nahita pejy fanolorana vaovao tamin'ny iray amin'ireo vohikala ankafizin-dry zareo indrindra: nilaza izy io fa, manomboka ny 14 Desambra 2009, tsy ho maimaim-poana intsony ny fidirana amin'io blaogy io. Manoratra momba izany i Jakub Gornicki.

Tonizia: Mpianatra nofonjàna noho ny tafatafa nifanaovana tamin'ny Media

  17 Desambra 2009

Nanagana Vondrona Facebook iray sy blaogy iray ireo mafana fo Toniziana ho fanohanana an'i Mohamed Soudani, 24 taona, izay nanjavona ny 22 Oktobra 2009, tao Tonizia, taorian'ny nanaovany tafatafa ho an'ny Radio Monte Carlo International sy Radio France International. Ren'ireo tapaka sy namana avy eo fa nogadraina sy nampijaliana izy.

Rosia: Mpitoraka blaogy Tatarstana iray voasazy 2 taona latsaka any amina Tobim-pigadràna

  08 Desambra 2009

Irek Murtazin, sary avy amin'i Sergey Varshavchik Tamin'ny 26 Novambra, ny fitsaràna ao amin'ny distrikan'ny Kirov any Kazan, izay renivohitry ny Repobilikan'ny Tartastan, dia nanameloka an'i Irek Murtazin, mpanao gazety sady mpitoraka blaogy 45 taona, noho ny fanaparitahana vaovao tsy marina ary fisarihana saim-bahoaka ho amin'ny fankahalàna, hoy ny Gazeta.ru...

Frantsa: Andro tsy misy mpiavy

  07 Desambra 2009

Maro amin'ny mpanara-maso sy mpikatroka ny politika frantsay no miahiahy tetika hafahafa ao ambadiky ny adi-hevitra momba ny “identité nationale na fiavaham-pirenena” izay natsangan'ny filoha Nicolas Sarkozy sy ny Minisitry ny fifindra-monina, fampanazarana, fiavaham-pirenena ary ny fampandrosoana miray hina [Fr], Atoa Eric Besson. Nampiandraiketina tamin'ny prefe solontenan'ny fanjakana eny anivom-bahoaka...

Horonantsary: Atsaharo ny herisetra atao amin'ireo vehivavy maneran-tany

  01 Desambra 2009

Anio, faha-25 Novambra no andro iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no anehoan'ny olona maro sy fikambanana maneran-tany ny fanirian'izy ireo hampiato ny herisetra ary koa ny ezaka entin'izy ireo hanamafisana fa manana tontolo afaka iainana am-piadanana ny vehivavy.