· Novambra, 2009

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Novambra, 2009

Puerto Rico: Kiaka manohitra herisetra

  29 Novambra 2009

25 Novambra, ao anatin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany natao hamongorana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, izay manamarika ihany koa ny andro voalohany maeran-tany amin'ny hetsika 16 andro hanoherana ny herisetra [16 Days of Activism Against Gender Violence], dia vehivavy mpitoraka blaogy avy ao Puerto Rico no nanoratra lahatsoratra momba ny herisetra miantraika amin'ny fiainan'izy ireo, amin'ny fianakaviany ary amin'ny fiarahamonin-dry zareo. Nanoratra tonokalo ry zareo, fanadihadiana lalina, sy fampieritreretana ihany koa. 'Ndao mba hojerentsika ny endrik'izy ireo, hovakiantsika ny lahatsorany, ary hohenointsika ny feony.

Ejipta: Ny filoha Moubarak sy ny fiandrianan'i Ejipta

  28 Novambra 2009

Taorian'ny lalao nifanandrinan'i Ejipta sy Alzeria tany Soudan dia nanao fihetsiketsehana tany Zamalek nanoloana ny ambasady Alzeriana tao Le Caire ny mpankafy baolina kitra ejipsiana ny alakamisy alina sy ny zoma tolakandro. Ny zanaka lahin'ny filoha, Alaa Moubarak, no nandranitra tao amin'ny fahitalavitra. Ny marainan'ny asabotsy 21 novambra dia nikabary...

Masedoanina: Mihira Skopiana

  24 Novambra 2009

Ny antoko mpihira kibo saoky ny nahiny “Mihira Skopiana” (Masedoniana: Распеани скопјани amin'ny endritsoratra Sirilika (grika) ary Raspeani skopjani amin'ny endri-tsoratra Latina) dia vondron'ireo olom-pirenena avy ao Skopje izay maneho ny heviny eo amin'ny sehatra sosialy amin'ny alalan'ny hira. Mihaona isan'alahady any amin'ny faritra samhafa manerana ity renivohitry ny Repoblikan'i...

Rosia: misaona ny fahafatesana tanora miady amin'ny fasisma

  24 Novambra 2009

Tanora miady amin'ny fasisma anjatony no nivory tao ampovoan-tanànan'i Moskoa. Misaona ny namonoan'ny neo-nazi an'i Ivan Khutorskoy, mpikatroka ao amin'ny “Antifa,” hetsika rosiana manohitra ny fasisma ry zareo.  Nolazain'ny [ENG] mpamaham-bolongana chtodelat fa ity no vono nihatra aman'aina fahaenina tamin'ny mpikambana amin'ny “Antifa” tao Rosia tao anatin'ny taona vitsivitsy. Azonao...

Brezila: famoizana ilay mpitari-dalan'ny resaka niomerika

  21 Novambra 2009

Malaza amin'ny resaka niomerika any Brezila i Daniel Pádua . Saripika nentin'i Cátia Kitahara ao amin'ny WordPress-BR. Namoy ny iray amin'ny mpitari-dalana amin'ny resaka niomerika androany (zoma) i Brezila. Nanao fizaham-pahasalamana i Daniel Pádua [pt] (fantatra amin'ny hoe @dpadua ao amin'ny Twitter) ka fantatra fa tratran'ny homamiadana ary dia lavo...

Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”

  21 Novambra 2009

Vao haingana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vohikala, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Mitatitra ireo fihetsika avy amin'ny tontolon'ny blaogy Poloney i Jakub Gornicki.

Iran: zavakanto manohitra

  17 Novambra 2009

Mir Hussein Mousavi, iray amin'ny mpitarika mpanohitra Iraniana no nanamarika vao haingana nandritra ny resadresaka tanaty lahatsary fa tsy manam-paharoa eo amin'ny tantaran'i Iran ny famoronana artistika nananan'ny hetsi-panoherana ‘maitso’ hatramin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona lasa teo. Nahazo aingam-panahy tamin'ny hetsika maitso nataon'ny Iraniana ny mpanakanto Iraniana sy...

Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika Maitso

  05 Novambra 2009

Nanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30 taona nananihana ny Ambasadin'i Etazonia ao Teheran. Nahery vaika ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana ity fihetsiketsehan'ny mpanohitra ity. Araka ny...

Fampidirana ny Threatened Voices [feo voarahona]

  03 Novambra 2009

Anio, namoaka vohikala vaovao antsoina hoe Threatened Voices [Feo voarahona] ny Global Voices Advocacy [Global Voices mpisolovava] ho entina manaramaso ny fanapenam-bava an-tserasera. Mampiseho ny sarintanin'izao tontolo izao sy ny fivoarana misy ka hanampy amin'ny fitopaza-maso ny trangam-pandrahonana sy fisamborana mety hahazo ny mpamaham-bolongana manerantany izy io, ary ho ivon-tsehatra fanangonam-baovao avy aminn'y fikambanana sy mpikatroka tena mavitrika.