· Jolay, 2009

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jolay, 2009

Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn Ezra

Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, arymavitrika anatin'irony vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana fo Joseph Dana izay mitoraka blaogy ao amin’ny Ibn Ezra ny Global Voices Online momba ny fandraisany anjara ao amin’ilay vondrona Ta'ayush (”fiaraha-miaina”), ny toetry ny firotsahana an-tsehatra mavitrika any Israely, ary ny fampiasana haino aman-jery sosialy ho fampitàna hafatra.

Hetsik'ireo mponina eran-tany ho an’Irana

Tamin’ny Sabotsy 25 Jolay 2009, ireo Iranianina sy ireo tsy tsy Iranianina dia nivondrona ao anatin’ny United4Iran ary nandray anjara amin’ny hetsika fanohanana ny fitakian’ireo Iranianina ho amin’ny fahalalahana sy ny zon’olombelona. Sary sy horonan-tsary maro momba ireo fotoana ireo no nampakarina anaty aterineto. Hamburg/Germany: Washington/U.S. London/UK Ny hetsika teo...

Hongrie : Mihetsika ho an’i Irana, ho an’ny rehetra, na oviana na oviana

  28 Jolay 2009

Mety tsy dia nilamin-tsaina loatra ireo tany Hongrie tato anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izao satria fomba maro samihafa no nampiasan'ireo mponina  ny fanaovana fihetsiketsehana ho fitaovana amin’ny demokrasia. Ny 19 Jona,  mpianatra Iranianina manodidina ny zato mianatra any Hungary no nanao fotoam-pahatsiarovana tanaty fahanginana tao amin'ny Kianjan'ny Mahery-fo tao  Budapest,...

Irana: Horonantsary amin'ny aterineto mampita hafatra ho an'i Joe Biden

  18 Jolay 2009

Eo amin'ny Iraniana, Amerikana sy Iranana-Amerikana 100 eo no nandefa hafatra manokana fohy tao amin'ny YouTube mba hanohanana ny hetsiky ny mpanohitra Iraniana izay miantso ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona ho hosoka. Miantso an'i Joe Biden, filoha lefitra Amerikana, sy ny governemanta Amerikana tsy hankatoa ny governemanta Iraniana amin'izao...

Azerbaijana:Tweet farany talohan'ny fisamborana

  18 Jolay 2009

Emin Milli, iray amin'ireo tanora roa sady mafana fo avy amin'ny firaisamonin'olon-tsotra voadaroka mafy sy notanana an-trano maizina roa volana noho ny hooliganism tany Baku tamin'ny herinandro lasa teo, no nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny tweet tamin'ny 24 Jona. Tsy vitan'ny hoe ity no hafatra farany nalefany talohan'ny nisamborana azy, fa sady mbola manohina ny fo ihany koa.

Azerbaijana: Tanora mafana fo, mpitoraka blaogy, voadaroka sy voasambotra

  18 Jolay 2009

Tamin'ny 8 Jolay, Emin Milli, iray amin'ireo mpanangana ny fototry ny hetsika tanora the Alumni Network ary Adnan Hajizada, mpitoraka blaogy an-tsarimihetsika avy ao amin'ny OL! Youth Movement dia niharan'ny daroka mafy nataon'olon-tsy fantatra raha nisakafo niaraka tamina vondron'olona sivily hafa sy tanora mafana fo tao amina trano fisakafoanana iray tao an-tanànan'i Baku. Taorian'ny nametrahan'izy ireo fitoriana tany amin'ny manampahefana momba ny zava-nitranga dia ry zareo indray no notànana, mety hihoatra ny 48 ora.

Madagasikara: resaka tati-baovao mandritra ny krizy!

  18 Jolay 2009

Koa satria moa mbola mitarazoka ny krizy politika eto Madagasikara saingy efa tsy dia liana amin'ny toe-draharaha loatra intsony ny iraisam-pirenena dia nihaona hiresaka momba ny fanangonana sy ny fitateram-baovao nandritra ny fotoanan'ny krizy ireo ao avy amin'ny fanapariaham-baovao mahazatra sy ireo amin'ny endriny vao haingana (sao miverina matetika loatra...

Iran: Mitohy indray ny fanoherana ny Fanjakana Islamista

  15 Jolay 2009

Ny alakamisy lasa teo dia nihorakoraka tao Téhéran ny mpanao fihetsiketsehana anarivony nanao hoe: “aoka izay ny didy jadona” sy ny hoe “lehibe Andriamanitra”, mihantsy ny fanambarana navoakan'ny fitondrana fa tsy azo ekena ny fihetsiketsehana manodidina ny voka-pifidianana filoham-pirenena natao ny 12 jona lasa teo. Natao hahatsiarovana ny fahafolo taonan'ny...

Iran : Hetsi-panoherana maitso, am-pilaminana an-tsary

  14 Jolay 2009

Mpanohitra maro manerana an'i ’Iran no nanohy ny fanehoan-kery nataon'izy ireo ho fanoherana ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 12 Jona, izay nanambarana  fa i Mahmoud Ahmadinejad no nandresy. Ireo mpomba ny mpifaninana amin’i Ahmadinejad, Mir Hussein Mousavi, ary ireo Iranianina maro izay nino ny  amin’ny hisian'ny “fiovana” dia manohy...

Irana:Ampahan-tsarimihetsika maro nalain'olon-tsotra momba ny hetsi-panoherana

  13 Jolay 2009

More than 100,000 people marched in Tehran on Monday in support of reformist presidential candidate, Mir Hussein Mousavi and his demands for an annulment of the election results that declared incumbent President Mahmoud Ahmadinejad the winner of the election on June 12. The march ended in bloodshed. At least 7 people lost their lives.