· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Mey, 2009

Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste

  31 Mey 2009

Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide. “Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i...

Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.

  30 Mey 2009

Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka...

Israel: Manohana ireo mpiasa mitokona mitaky ny zony ny mpitoraka bilaogy

  30 Mey 2009

Anankiray amin'ny zavatra tena hifantohan'ny mpitoraka bilaogy Israeliana ny fitakian-jo ataon'ireo mpiasa. Taona vitsivitsy izay dia sindikan'ny mpiasa maro miasa amin'ny sehatra tsy miankina toy ny mpandroso sakafo any amin'ny café, ny mpiambina, ny mpanao gazety, no namahana bilaogy ho fitakiana ny zony ary nahavita namorona ady hevitra matanjaka sy...

Fiji: Fanehoan-kevitra manoloana ny fisamborana ireo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy

  26 Mey 2009

Notaterina teto amin'ny Global Voices vao tsy ela akory izay fa notazonin'ny polisy ireo solosaina findain'ireo olona telo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy ao amin'ny vohikala Raw Fiji News manohitra ny governemanta. Ireo mpanao lalàna telo, ankoatry ny maro hafa, dia notononina anarana vao haingana tao amin'ny vohikala Real Fiji News...

Venezoelà: Mitazona ny aterineto ho laharam-pahamehana

  26 Mey 2009

Mihofahofa, any amin'ny tontolon-tserasera liana amin'ny mety ho fiantraikan'ny aterineto amin'ny fanabeazana, fikarohana ary amin'ny taranja hafa ho fampandrosoana, ny saina mena raha namoaka ny didy hitsivolana laharana faha-6649 ny governemanta venezoelàna. Te-hanafoana ny “fandaniana amin'ny tsy antony”na “rendrarendra” ao amin'ny fandaniam-bolam-panjakana manko ny didy hitsivolana ka tafiditra ao aantin'io...

Rosia: “Mpamaham-bolongana malaza”

  25 Mey 2009

Any amin'ny tontolon'ny endri-tsoratra Sirilika (grika sy rosiana) ao amin'ny LiveJournal dia ny isan'ny mpamaky  – “namana” -misoratra ao amin'ny bolongana iray no iray amin'ny fepetra mamaritra ny laza (na “hery”) ananany. Ny mpamaham-bolongana manana “namana” arivo raha vitsy indrindra dia antsoina hoe tysyachniki (avy amin'ny voambolana rosiana hoe tysyacha,...

Shina: Nasavorovoron'ny T-shirt iray

  22 Mey 2009

Toa nahasarika ny mason'ny polisy sy nanohintohina ny filaminanam- bahoaka ny soratra tamin'ny T-shirt nanaovan'ny mpahay lalàna Liu Shihui. Omena anareo eto ambany ny ampahan'ny voasoratry Liu ao amin'ny bolongany momba izay niainany tany Guangzhou. 2009年5月12日下午5点多,我在广州市岗顶地铁站靠近C出口的地铁闸口外面等我女朋友….电话联系知道她已经快到了。 Niandry ny sipako tao amin'ny garan'ny metro tao Guangzhou tamin'ny 12 Mey 2009 tamin'ny...

Fiji: noraofin'ny polisy ny solosaina findain'ny ahiahiana ho mpamaham-bolongana

  22 Mey 2009

Notazonin'ny polisy ao Fiji ny mpisolovava telo ao an-toerana ary noraofiny ihany koa ny solosaina findain'izy ireo, satria heverina fa manana fifandraisana amina bolongana manohitra ny governemanta izy ireo. Notazonina vonjimaika nandritra ny ora vitsivitsy tamin'ny talata 19 mey ireto mpisolovava telo ireto dia i Richard Naidu, Jon Apted ary...

Iran: ex-mpiambina revolisionera mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena mampiasa aterineto kely

  21 Mey 2009

Anisan'ny efatra tsara vintana nofantenan'ny filan-kevitry ny mpiambina revolisionera any Iran ny mpitarika revolisionera tany Iran teo aloha Mohsen Rezai hifaninana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 12 jona ho avy izao. Maivana ny fampielezankevitra an-tseraseran'i Rezai mitaha amin'ny an'ireo telo hafa mifaninana aminy, saingy vitany lisitra ao amin'ny vohikalany fanaovany propagandy ny anaran'ireo mpamaham-bolongana manohana azy.