· Janoary, 2009

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2009

Gresy: fanoherana ny fitondrana fitaovam-piadiana ho an'Isiraely

  19 Janoary 2009

@izao ady misy any Gaza izao dia nitroatra ny mitoraka blaogy grika noho ny vaovao nivoaka t@ ity volana ity nilaza fa nisy fitondrana fitaovam-piadiana maro dia maro avy any etazonia ho any isiraely nandalo tao @ seranan-tsambo tanan'olon-tsotra grika ao Astakos. Nampiasa twitter ry zareo hanaovany famotorana sy hanerena...

Nitsidika ireo Palestiniana voahilikilika ny mpitoraka blaogy Ejyptiana

  16 Janoary 2009

Vondron'olona maratra Palestiniana maro no nitsofoka any Ejypta avy ao amin'ny sisintany ao Rafah ary ry Ahmed Al Sabbagh sy Mohamed Hamdy izay mpitoraka blaogy dia nanao fitsidihana ho fankaherezana azy ireny tao amin'ny tobim-pitsaboan'ny Croissant Rouge. Nanoratra i Al Sabbagh taorian'izany fa : بكاء .. وألم .. وعجز .....

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.

  14 Janoary 2009

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)” no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra...

Bangladesh: Fahanam-bolongana tsikelikely ny fifidianana

  06 Janoary 2009

Ao anatin'ny ora vitsivitsy (29 desambra) dia hifidy ny antenimiera fahasiviny ny Bengalis miisa 81 arivoarivo (51% n'ireo ny vehivavy). Kihondalana lehibe eto amin'ny firenena ity fifidianana ity fa haverina indray ny demaokrasia rehefa nitondra azy tao anatin'ny hamehana nandritra ny tetezamita roa taona ny hery mitam-piadiana [miaramila]. Efa niresadresaka...

Kamerona: Toraho Blaogy ny famonjena zaza 4 taona mivonto loha

  06 Janoary 2009

Vaovao farany: Namony ny ainy tamin'ny 8 Janoary y Bright Fuh tao amin'ny ilay hopitaly ny tsabonazy. Ho derainy ny tompo ny fanahiny. Tamin’ny atsasakin’ny volana novambra teo dia nilazalaza ny momba ny tantaran’ny zazalahy vao efatra taona antsoina hoe BRIGHT Asangwei Fuh ny fahitalavitra CRTV any Kamerona, izay marary...

Mitohy ny adin'ny Facebook amin'ny mpisovoka

  06 Janoary 2009

Efa niresaka ny adihevitra amin'ny sivana misy eo amin'ny Facebook sy ny YouTube ny Global Voices, indrindra moa rehefa miresaka momba ny fanafihan'Isiraely an'i Gaza ankehitriny. Androany anefa dia tsikaritry ny ny mpamaky Global Voices iray fa maro amin'ny vondrona Facebook manohana an'i Gaza no voasovoka, ary heverina fa ny...

Malezia: Dera ho an'ilay lehilahy misarontava

  05 Janoary 2009

Matin'ny fijanonan'ny fo iray volana lasa izay ny mpanao gazety sady mpikatroka Syukree Hussain avy ao Malezia. 28 taona izy izao lasa izao. Niatrika mandrakariva ny fihetsiketsehana aseho amin'ny alalan'ny famelomana labozia fanao isan-kerinandro any Malezia i Syukree. Mahafantatra azy avokoa ny rehetra noho ny fanaovany sarontava. Nanaitra ny namany...

Gaza sy Sderot: Mila fiaingana vaovao isika rehefa vita ny ady

  03 Janoary 2009

Kilometatra vitsy monja ny mampisaraka ny tanànan'i Gaza sy ny tanàna Isiraeliana ao Sderot. Herintaona izay, na dia sahirana tanteraka aza ny mponin'i Gaza noho ny fahirano Isiraeliana, ary voatifitry ny balatafondro matetika avy any an-tehezantanin'i Gaza aza i Sderot, dia nisy lehilahy roa avy amin'ny andaniny sy ny ankilany...