· Oktobra, 2008

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2008

Haiti: ny faneken'i Powell

  23 Oktobra 2008

Lavitra dia lavitry ny fahatalanjonana mahita ny fanohanan'i Colin Powell an'i Barack Obama, The Haitian Blogger no miteny: “Eto Haiti, Powell no ‘Mpitarika Mainty niandraikitra ny’ fandravana ny demôkrasia teto Haiti sy nametraka ny saribakolin'ny fitondran'i Bush, Gerard Latortue.”

Barbada, Trinite sy Tôbagô: Dokambarotra ratsy

  23 Oktobra 2008

Satria moa nipongatra indray ny fanafihana mpizahatany tao Tobago, Bajan Global Report no miteny: “fa na  toy ny tsy misy dikany io na mampatahotra, dia tsy tokony ho ekentsika velively ny lazan'ny fanafihana mpizahantany. Amin'ny mahavahiny azy ireo eto amin'ny faritra misy antsika, ny adidintsika dia ny miaro ny diany...

Rosia: Bolongana LJ ampolony naato fa tafaverina avy eo

  23 Oktobra 2008

Bolongana Rosiana LJ (LiveJournal) ampolony maromaro – ary tafiditra amin'izany ireo efa malaza sy be mpanaraka – no nikatona tsy misy antony mazava halina, niteraka tabataba tamin'ny LJ izany. Ny mpampiasa LJ tarlith-history aza moa dia namoaka ny lisitr'ireo bolongana tratran'ny fiatoana ireo (RUS), ka miantso ity raharaha ity ho...

Brezila: Ho amin'ny hetsika hanoherana ny fandemen-tsaina ataon'ny fampahalalam-baovao

  21 Oktobra 2008

Eduardo Guimarães [pt] mpikambana mpanorina ny  Movimento dos Sem Mídia [Fiaraha-mientan'ny adinon'ny Media (fampitam-baovao)] no miantso ny olom-pirenena handray anjara amin'ny hetsika hanoherana ny familiviliana sy fanodikodinana ny marina ataon'ny fampahalalam-baovao any Brezila. “Mbola manolo-kevitra indray aho ny hanaovana ity bolongana ity ho fitaovana entina amim-pilaminana, handraisan'ny olom-pirenena anjara hiampangana...

Brezila: nigadra fa naneho hevitra tamin'ny blaogy (bolongana)

  16 Oktobra 2008

Manamboninahitra ambony ao amin’ny polisy no olona voalohany nampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny bolongana tany Brezila. Indreto ary torotoro ravina teo amin’ny tontolom-bolongan’ny polisy avy amin’izany fisehoan-javatra izany. Tsy atao mahagaga loatra, noho ny torolalana amin’ny fampianarana mamahana bolongana sy maneho hevitra (miafina sy tsy fantatra toerana ipetrahana), raha maro amin’ny manamboninahitra no mamaham-bolongana tsy mitonona anarana.

Ezypta: Voafonja asesika toy ny Sardine

  15 Oktobra 2008

Gadra atao antontany ao anaty baravy? Nampiseho fanitsakitsahana zon'olombelona ao amin'ny bolongany malaza Misr Digital indray ilay Ezipsiana mpamaham-bolongana Wael Abbas efa nandrombaka loka. Wael no manazava: هذه الصورة أرسلت إلي عن طريق المسنجر وقد إلتقطت بالتليفون المحمول لغرفة الحجز في أحد أقسام الشرطة – لا نعرف أي قسم حتى...

Jamaika:Fisaonam-pirenena

  05 Oktobra 2008

Iray volana sy tapany lasa izay dia firenena ravo sy tretrika i Jamaika raha nankalaza ny fandresena azon’ireo mahery fo Olaimpikany. Tamin’ity herinandro ity, dia firenena iray fanina no nisaona tamin’ny nahitàna ny vatana tsy nisy lohan’ilay tovovavy kely Ananda Dean novinavinaina ho eo amin’ny 11 taona eo efa ho...

Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantany

  04 Oktobra 2008

Taorian'ny fanavotana ireo olona be mpahalala 15 azo takalon'aina teo ampelatanan'i FARC tamin'ny 2 jolay, dia nanapa-kevitra indray ny fikambanana izay efa nanao diabe nanoherana ny Vondrotafika revolisionera Kolombiana(FARC) tamin'ny 14 feboroary fa tokony hisy indray izany ny 20 jolay, androm-pahaleovantena nisitahana tamin'i Esipaina. Ny lahatsary sy ny sary no maneho ny fomba nankalazana ny fahaleovantena sy ny fanafahana avy amin'ny vazantany efatra, sy izay mifangarika amin'ny dikan'ny teny hoe firenena sy fahafahana.