· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jolay, 2008

Iran : Nifarana tany amonja ny diam-panoherana nataona mpitondra fivavahana

  31 Jolay 2008

Mpitondra fivavahana Iraniana antsoina hoe Ali Reza Jahanshahi no nosamborina tapabolana lasa izay, rehefa nanomboka ny diam-panoherana 960 kilometatra (590 maily) avy any an-tanna atsimon’i Iran Sirjan ho any Teheran. Notoherin’ilay mpitondra fivavahana manko ny kolikolim-pakana tany tao Sirjan ary nitarainany ny fitondrana mahefa ho tsy miraika loatra amin’ity raharaha ity. Nosamborina i Jahnashahi raha vao nahavita 30 kilometatra akaikin’ny tanànan’i Abadeh.

Dominika sy USA: Politika sy Olona

  31 Jolay 2008

“Liana dia liana amin'ny fizotry ny fifidianana Amerikana i Chris ao amin'ny Dominica Weekly , ary mitarika azyizany hitodika amin'ny toetoetran'ny politika ao an-tanindrazany: “Angamba ny zavatra mahomby indrindra azontsika atao dia ny milaza ny marina amin'ny manampahefana, midradradradra izay ilaintsika, mitaky ny zo sasantsasany, tahaka ny fitsaboana, fahampiantsakafo, ary...

Brezila: Nahazo alalana ilay tetikasa nokileary efa nampiady hevitra

  28 Jolay 2008

Nahazoana fahazoan-dalana vonjimaika, avy amin'ny Ivotoerana Breziliana miahy ny tontolo iainana sy ny akora azo avaozina tamin'ny 23 jolay farany teo, ho azon'ny mpametraka angôvon-taratra nokileary Breziliana trandrahina ilay mpamerin-kery (réacteur) efa nampiady hevitra Angra 3 , nefa mialoha izany dia andiam-pifanarahana fiarovana ny tontolo iainana mahatratra 60 no napetraky ny minisitry ny tontolo iainana Carlos Minc tsy maintsy ekena.

India: Ireo fipoahana baomba erak'i Bangalore

  26 Jolay 2008

Bangalore, renivohitry ny fanjakana ao Karnataka, dia lasibatry ny fampihorohoroana tamin’ny alàlan’ny baomba ora vitsy lasa izay. Ny vaovao ampela-tànana dia manambara fipoahana baomba fito tamin’ny faritra samihafa tao an-toerana, tanatin’ny elanelam-potoana roambinifolo minitra. Tsy dia nahery vaika loatra ireo baomba ary irony karazana zelatina (gélatine en baton) irony no...

Rosia: Golàgy aseho an-tserasera

  25 Jolay 2008

Robert Amsterdam no manintona ny fampirantiana an-tserasera ny fomba fiasan'ny Golàgy nandritra ny fitondrana Sovietika – natsangan'ny ivon-toerana momba ny tantaram-pirenena sy ny New Media [haino amanjery vaovao] ao amin'ny  Anjerimanontolon'i George Mason ary iarahany miasa amin'ny mpandala ny  zon'olombelona Rosiana “Memorial” – ka asehony an-dahatsary ao fomba fisamboran'olona nandritra...

Arimenia: Mpamaham-bolongana nanatrika valandresaky ny Filoham-pirenena

  23 Jolay 2008

Real Armenia no nilaza fa mpamaham-bolongana roa ao an-toerana, Akanumatata_Ser [RU] sy Pigh [RU], no nahazo alalana hanatrika valandresaky ny filoham-pirenena ary hanontany izay fanontaniana voangona an-tserasera. Niarahaba ireo mpamaham-bolongana io bolongana voatonona voalohany io ary nolazainy fa tokony hitovy lenta amin'ny manao gazety ao an-toerana amin'izay ny mpamaham-bolongana.

Bahamas: kolontsaina fimailo

  23 Jolay 2008

“Mihanaka aoka izany ny aretina azo avy amin'ny firaisana tsy voaro sy ny tsimok'aretina VIH/SIDA any Bahamas , noho ny fitomboana fatratra ny isan'ireo tanora tratran'izany”: Adrian Gibson ao amin'ny WeblogBahamas moa dia manolo-kevitra hisian'ny fimailo any an-tsekoly.

Brezila: Fitakiana Hanadihadiana ny Fitsarana Tampony Breziliana

  19 Jolay 2008

Hélio Paz [pt] no miantso ny rehetra handray anjara amin'ny filaharambe ampilaminana hitakiana ny hanadihadiana ny filohan'ny Fitsarana Tampony Atoa Gilmar Mendes ahiahiana ho nanao kolikoly . “Hataontsika ho faharoa tafiditra amin'ny tantara taorian'ny fihetsiketseha-mpanoherna tao Porto Alegre ity raha ity”. Hanomboka amin'ny folo maraina ao Brique da Redenção ity...

Bahrein: Fanandratana ny vondrom-bolongana miteny arabo iray

  14 Jolay 2008

Maro amin'ny mpamaham-bolongana any amin'ny tontolo  Arabo no mampiasa ny tahalam-bolongana miteny arabo tahaka ny  Jeeran sy ny Maktoob, hany ka nihoatra ny sisintanim-pirenena maro ny fivelaran'ny tontolony. Mpamaham-bolongana Bahrainita malaza iray, Shaima Al Watani, no mankalaza ny tsingerintaona voalohany nidirany tao amin'ny vondrom-piaraha-monin'ny mpamaham-bolongan’ i  Jeeran. Shaima, izay manana ny bolongana antsoina hoe ‘Scattered...

Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny ady tany

  14 Jolay 2008

Samihafa ny heloka nomen’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Miarinarivo ireo tantsaha 21 avy ao Ankorondrano Analavory (90 km andrefan’Antananarivo) noho ny fihokoana nataon’izy ireo noho ny ady tany nifanaovan’izy ireo tamina tompon-tany iray. Ho fanoheran’izy ireo ny fanalana azy tamin’ny tany izay heveriny fa efa azy ampolony taona izao dia...