Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika
Ahoana no andoavan'ny governemantan'i Maduro vola hampiroboroboana propagandy sy fandisoam-baovao ao Venezoelà
Mivelatra an-tambajotra sosialy ny propagandy ofisialin'ny governemantan'i Nicolás Maduro noho ny asan'ny olom-pirenena izay mandray vola avy amin'ny governemanta mba hampivadika ny fironana ao amin'ny X, Facebook ary Instagram.
Fantaro ny Biraon'ny teny Jèrriais: F&V iarahana amin'ny ekipa mampiroborobo ny teny Jèrriais
Miha-mahita ny toerany antserasera ny fahasamihafan'ny fiteny any Eoropa. Ny fanentanana @EuroDigitalLang an'ny Rising Voices dia mampiseho fitantarana avy amin'ireo mpikatroka fiteny izay hizara hetsika nomerika miasa amin'ny fiteny Jèrriais.
Loka, fitafy maka tahaka, sy fialamboly miavaka hafa nandritra ny fifidianana sarintsariny nataon'i Poutine
Mila olona hakany amin’ny biraom-pifidianana ny fitondrana ankehitriny mba hanehoana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ao anatin'ny firenena. Nitady fomba hanaovana 'fialam-boly' izay hahasarika ny olona hifidy noho izany ireo manampahefana.
Manomboka mamaha ny olan'ny fahalotoan'ny rivotra ao aminy amin'izay i Ozbekistan
Tamin'ny Desambra 2023, tao Tashkent no nahitana ny tondron’ny fahalotoan'ny rivotra faharoa avo indrindra, aorian'ny Delhi any India.
Fantaro i Andria Piciau: Fanontaniana sy Valiny ifanaovana amin'ny mpikatroky ny teny Sardiniana
Mihahita taratra hatrany amin'ny habaka anjotra ny fahasamihafam-piteny Eoropeana, izay ampiasain'ireo mpitenim-paritra sy fiteny vitsy an'isa ary vondrom-piarahamonina fitaovana nomerika sy fampahalalam-baovao hitahirizana, hampiroboroboana sy hamelomana indray ny lovany ara-piteny.
Hira vaovao ‘Ny tsiambaratelon'i Neny’ manasongadina ireo reny mpikatroka manohitra ny adin'i Rosia
Renim-pianakaviana avokoa ireo vehivavy nasongadina tao amin'ny lahatsary ho an'ilay hira, sy i Monetochka tenany, ary ireo mpikatroka malaza manohitra ny ady sy ny fitondrana.
Tianao ho fantarina bebe kokoa ve ny momba an'i Nepal? Tsidiho ny pejy Ask me about Nepal
Niantsafa tamin'ilay mpanoratra Nepaley sady mpaka sary Nikki Thapa ny Global Voices momba ny hetsika ataony "Ask me about Nepal" izay vavahadin-tserasera tokana, mikendry ny hamaly ny fanontaniana rehetra momba an'i Nepal.
Mihamandroso i Jamaika, fa inona no very?
Niteraka ahiahy teo amin'ireo mpandala ny tontolo iainana ao an-toerana ireo fanambaràna maro vao haingana milaza ireo fanorenana goavana manamorona ny morontsiraka avaratr'i Jamaika, izay toerana fizahan-tany malaza.
Mitrandraka ny fifindràmonina, ny maha-mpikambana sy ny dikan'ny hoe an-trano ao Sri Lanka
Tao amin'ny fampirantiana zavakanto tao an-drenivohitr'i Sri Lanka, nasehon'ilay mpanakanto marolafy, Firi Rahman, ny fijalian'ireo mponina ao amin'ny Nosin'ny Andevo miatrika ny loza mitatao ateraky ny fanilihana tsikelikely ny mahantra.
Nankatoavin'ny parlemantan'i Kyrgyzstan ny fanovana ny sainam-pirenena
Fanazavana mampivandravandra no atolotry ny filoha amin'ny fanovana sainam-pirenena.