The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Diaspora Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Diaspora

2008-04-02

Jamaica

Manasa ny mpihaino handanjalanja ny Ragashanti, fandaharana fiadian-kevitra malaza iray, rehefa hanaovana lohahevitra ny Karàna any Jamaika – sady nampisendaotra rahateo ny ompampanavakavahana nisesy. Noraisin’ny mamaham-bolongana Annie Paul ho adidy ny miresaka azy ity

“ fa toa mikendry ny isian’ny sivana (izay nitranga) raha tsy hoe entina hanenjehana ny (fandaharana) ny Raga… lasa nivaona ilay ezaka saiky hanalàna ny Karana-Jamaikana amin’ny endrikendrika.”

Cuba

“Eny ry zalahy sy ry zavavy, afaka ny miditra amin’izay trano fandraisam-bahiny tianareo idirana ianareo olom-pirenena tsotra eto amin’ny nosy Cuba, rehefa manam-bola vahiny matanjaka. Indrisy, izay indrindra no mandrangitra”

hoy Ninety miles away….in another country,(90 maily avy eo…efa firenena hafa) raha ny (telozoro Kiobana) The Cuban Triangle indray no manoratra hoe:

“raha singa iray amin’ny anamelohana ny fanjakana Kiobana ny « fanavakavahana ara-pizahantany », dia azo isaina ho isan’ny fandrosoana ny ny fanafoanana azy.”

2008-03-29

Russia

Moscow Through Brown Eyes (Moskoa jerena avy amin'ny maso volontany) no mamoaka vaovao farany fohy mikasika ny vono olona noho ny fankahalana ao Moskoa; Window on Eurasia (Varavarankely misokatra mankany Eorazia) indray wnanoratra ireo fampielezana kisarisary apetaka amin'ny tamboho (graffiti) hetsehin'ny Fikambanana manohitra ny fifindra-monina tsy ara-dalàna (DPNI) any Moskoa

“mba hanairana ny vondro-kerin'ny fikambanana sy ho fihantsiana ireo vondrona mpifanandrina aminy, ireo mpifindra monina miasa any an-toerana ary ireo mpandala ny zon'olombelona.”

2008-03-28

“Tantely amam-bahona” ny fiainana any Eorôpa araky ny fijerin'ny mpiblaogy Kongoley Cédric Kalonji

Mifototra amin'izay niainany, ny mpiblaogy Kongôley Cédric Kalonji dia mizara ny fijeriny momba izay “tantely amam-bahona” sedrain'îreo Afrikana misafidy ny hiaina any Eorôpa : Je me demande finalement qu’est ce qui est mieux entre la vie dans son enfer africain et tous ces regards et jugements pas toujours positifs au paradis. “Manontany ...

Arabeyes : Tsy Rototra tamin'ny Fifindran'i Magdi Allam ho Katolika ny Mpitoraka Blaogy

Maro ny olon-dehibe nifindra Katolika ary nataon'ny Papa Benedict XVI Batemin'ny tamin'ny faran'ny herinandron'ny Paka teo. Isan'ny natao Batemy tamin'izany i Magdi Allam, Silamo, teratany Ejypsianina, nonina tao Italia nandritra ny antsasaky ny fiainany mahery, ary fantatra koa fa mpitsikera ny "Silamo iringiriny". Na dia "Silamo be" aza no nilazan'ny ...

2008-03-16

Cuba

Child of the Revolution (Zanaky ny Revolisiona) no misalasala raha mitodika amin'ny vaovao manambara fa “Afaka ny hividy kojakojam-pitaovana elekitironika tsy misy fanakatsakanana amin'izany ny Kiobana ” ho mari-pamantarana ny fivoaran'ny politika any.

2008-03-12

“Moroni Blues” tantara an-kira Kômôriana

Ny namana Vola, izay mpiblaogy Malagasy monina any Parisy, Frantsa no mitatitra ny fampisehoana izay natrehiny, tantara an-kira mitondra ny lohateny hoe “Moroni Blues”, diam-penin'ny mpanoratra Kômôriana Soeuf Elbadawi. Tsahivina fa i Moroni no renivohitry ny vondro-nosy Kômôriana : C'est l'histoire d'une ville - Moroni, où les grandes familles installées depuis ...

2008-03-07

Ministry ny fifindra-monina Frantsay : “tsy firenena manavakava-bolo-koditra i Frantsa”

Ny Forum Realisance no mitatitra izay tafatafa nifanaovan'i Brice Hortfeux, Ministry ny fifindra-monina Frantsay tamin'ny gazety Jeune Afrique mikasika ny fampidirana ny fitiliana ADN hoan'ireo mpifindra monina, ny famerana ny isan'ireo mpiavy, ny fandroahana an-keriny ireo izay tsy manana taratasy ara-dàlana intsony sy ireo fanapahan-kevitra politika samihafa izay nitarika resabe, alohan'ny amehezana ...

2008-03-06

Rosia: fahatsiarovana ireo nianjadìn'ny fanondranana ho faty; “Dzhigit Day”

Tamin’ny faha-23 febroary teo, andro izay anamarihan’i Rosia ny fetin’ny fiarovana ny Tanindrazana, no nivorian’antokon’olona roa tao amin’ny Moscow's Bolotnaya Square ao Môskoa. Izany dia natao hanamarihana ireo Tsetsena sy Ingosa namoy ny ainy noho ny fanondranana ho faty tamin’ny taona 1944. Olona miisa ...

2008-03-05

Rakotomalala Lova : Manome toerana an'i Madagasikara

I Rakotomalala Lova, izay fantatra koa amin'ny anaram-bosotry ny blaoginy hoe Malagasy Dwarf Hippo na Lalomena Malagasy Botry (satria ireo karazam-biby izay ripaka dia mba manan-kambara koa), dia teraka tany Madagasikara ary mitatitra momba ny blaogasyfera avy any Lafayette, any Indiana USA, izay toerana onenany sy anaovany ny asa maha-mpikaroka ...