Global Voices teny Malagasy » Diaspora
Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky
Tamin’ny herinandro lasa, ny tontolon’ny blaogy maraokana dia nitraotra noho ny fanapahan-kevitry ny governemanta tamin’ny fangoronana ireo gazetiboky  maraokana malaza roa - TelQuel (amin’ny teny frantsay) ary Nichane - (Arabo)- tamin’ny namoahan'izy ireo fitsapan-kevitra ireo Maraokana tsotra momba ny fahitan'izy ireo ny ftondram-panjaka, ny Mpanjaka Mohammed VI, na dia teo aza ny filazana fa  91%-n’ireo Maraokana dia nankasitraka ny fitondrany nandritra ireo folo taona voalohany nitondrany.
Hetsika iray, mitondra ny anarana hoe “9% aho” (”I am a 9%”) dia natsangana maika mba hisehoan'ireo tsy faly tamin’ny fanapahan-kevitra. Nandritra iny herinandro lasa iny, ny  Twittoma (vondrom-piarahamonina Maraokana mampiasa ny Twitter) dia nampiasa ny  hashtag #9pcMaroc mba hiresahana an’iny tranga iny (navoitra ao amin’ ity piece -n'ny UAE's The National ity), raha mitohy mandalina ity resaka ity kosa ny tontolon’ny blaogy. Fivoarana iray vaovao, ny nanivanana ny gazety frantsay Le Monde (izay namoaka am-pahibemaso ny vokatra ) dia nampiakatr'afo  ireo mpitoraka blaogy sasany.  Rachid Jankari dia manoratra:
Je pense que cette interdiction et son argumentaire est un vrai retour en arrière. Et pour cause, c'est une nouvelle consécration de la “sacralité” du Roi.  En invoquant cet argument, archaïque, je pense que l'avenir du débat sur le présent et l'avenir du pays est encore une fois hypothéqué.
Mieritreritra aho fa ity fandraràna ity sy ny tohan-kevitra momba azy dia fihemorana any aoriana. Antony, fanamasinana bebe kokoa ny “hasin'ny” mpanjaka. Amin'ny fandrosoana io tohan-kevitra io dia heveriko fa tandindonin-doza indray  ny ho avin’ny dinika momba ny ankehitrio sy ny hoavin'ny firenena.
Manoratra i The Lounsbury ao amin'ny ‘Aqoul:
Mampihomehy koa izany. Manome tombony ny fanjakana ity fitsapan-kevitra ity ka tena hadàlana be ny fandraràna ny famoahana azy. Na izany aza anefa, maneho ny toe-tsaina Makhzen efa ntaolo izay mbola raiki-tampisaka ao amin’ny governemanta izy io. Na dia manana fahadisoana aza ny Mpanjaka (M6), tsy tafiditra amin'ireny ny hadàlana mivandravandra toy  ity. (ireo endrika mampandry adrisa izay mbola mety ho  azo iadian-kevitra ihany, na dia mbola vonona ny ho azy foana aza aho, jereo fotsiny ireo mitovy laharana aminy…) Nefa ilay mpisolelaka Naciri dia nanao ny zava-drehetra mba hahazoany ny zavatra iriany. Noho izany, eny, ny tany rehetra dia tokony hahalala fa ireo  mpomba an’i Makhzen dia tsy mahatanty ny  hoe fantatr’ireo mponina marokanina fa   91% “monja” no   afa-po tamin’ny folo taona voalohany nitondran’i M6 araka ny fitsapan-kevitra  iraisam-pirenena iray. Hanaraka eto ihany ireo  vaovao fanampiny momba ilay fitsapan-kevitra.
Mafy ny adin'ireo  ntaolo adala.
Ny mpitoraka blaogy maraokana Larbi, mahalala ny herin’ny Aterineto, dia namoaka ireo valin'ny fitsapan-kevitra ao amin’ny blaoginy, sady  nanamarika fa sarotra be ny hanafina amin’ny vahoaka ilay izy:
Finalement c’est l’AFP qui a eu la primeur de publier le Sondage Interdit, en détail avec tous les chiffres.  Dépêche qui sera reproduite par tous les médias du monde. Maintenant à moins d’interdire tous les médias du monde les censeurs sont très mal barrés.
Tamin’ny farany, dia ny AFP no nahazo ny tombon-dahiny  namoaka ity fitsapan-kevitra voarara ity, tamin’ny antsipiriany, miaraka amin’ireo isa. Fanapariahana izay naverin’ireo media eran-tany novokarina. Amin’izao fotoana, tena tsy afa-miala ireo mpandrara afa tsy hoe mandrara ireo haino aman-jery eran-tany angaha.
Ny mpitoraka blaogy Ibn Kafka koa dia namoaka ireo vokatra ireo , ary koa ny lahatsoratry ny gazety Le Monde, manentana ireo mpitoraka blaogy maraokana hafa hanao toy io ihany koa. Ny mpitsikera Kaouthar Lbiati dia mamaly:
La position des autorités marocaines (ministère de la communication) est décevante encore une fois. Bien sûr que le peuple marocain, comme tous les peuples d’ailleurs, a le droit d’évaluer sa monarchie à laquelle il est lié par le pacte d’Al Beiâ depuis plusieurs siècles maintenant. Le peuple marocain veut désormais s’exprimer, s’expliquer, être écouté et prendre en main sa destinée. Arrêter l’oppression enfin!
Ny toerana misy ireo manam-pahefana Maraokana (Minisitry ny Fifandraisana) dia mbola nandiso fanantenana indray. Mazava ho azy fa ny vahoaka Maraokana, ohatran’ireo vahoaka hafa rehetra ihany, dia manana zo hitsara ny fanjakana izay mifamatotra aminy araka ny fifanarahan'i Al Beiâ nandritra ny taonjato maro izao. Te-haneho ny heviny amin’izay ny mponina Maraokana, te-hifanazava, ho henoina ary handray an-tànana ny ho aviny. Mba ajanony amin'izay ilay famoretana e!
Ho hamintinana, ny mpitoraka blaogy Maraokana ao amin'ny Réflexions et autres idées dia manambara:
Il faut voir plus loin que son nez. Que sera le Maroc dans 5, 10, 20 ou 50 ans ? C'est à quoi le gouvernement et le pouvoir doivent travailler et non à proclamer des fatwas contre des journaux et des livres…
Tokony hijery lavitra noho ny tendron'orony ny olona. Ho toy i Maraoka afaka  5, 10, 20, na  50 taona? Izany no tokony hiasan’ny Governemanta sy ny Fanjakana fa tsy ny fanambarana ireo Fatwas mandrara ireo gazety sy boky …
Kioba: Ny Maleconazo
Feno sahoan-dresaka momba ny hoe ahoana no hamahana ireo olana mampisavoritaka ny nosy amin'izao fotoana izao  ireo blaogy Kiobana, hatramin'ny hoe ahoana no fiantraikan'ny tranga tahakahaka izao eo amin'i Kioba 15 taona tany aloha tany. Ny 5  Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny  revolisiona. Ny Maleconazo, araka ny nahafantarana azy, dia nitranga ny  1994 tany amin'ny lalàm-be malaza manamorona ny ranomasina ao Havana, akaikin'ny seranana fiantsonan'ny sambo mpitatitra entana [ferry] mankany  Regla.
Eto, anjatony ireo nidina an-dalàmbe raha vao nandre fa hoe navily làlana ireo sambo mpitatitra entana ary dia mitodi-doha ho any Etazonia. Niaraka tamin'ny firodanan'ny  Firaisana Sovietika, nitsahatra ny fanampiana avy amin'ny firenena matanjaka iray, niteraka fitotonganana goavana ho an'ny toekarem-pirenen'i Kioba . Lasa ratsy be tokoa ny ara-ekonomika, miharo fahatapahan'ny herinaratra sy tsy fahampian-tsakafo, ary maro amin'ireo tanora ao Kioba - mbola izany no zava-misy hatramin'izao - no miketrika hikopak'elatra ho any  U.S., amin'ny fomba rehetra takatry ny sain'izy ireo mba handositra ny tsy fisian'ny anjara-masoandro sy ny fahalalahana ao Kioba.
Ny setrin'izany rehetra izany avy amin'ny governemanta dia ny fandefasana ny hery vonjy taitran'ny fanjakana (departemantam-panjakana misahana ny fandriampahalemana) hiatrika ilay kaongrekasiona [congregation] tao an-tseranana, hiezaka ny hifehy izay mety ho fihoaram-pefy. Izay narahan'ny hetsi-panoherana goavana nataon'ny Kiobana efa nanomboka nikiakiaka hoe: “Fahalalahana; Kioba eny, Castro tsia” sady nifanaritaka tamin'ireo mpitandro filaminana tamin'ny fanehoan'izy ireo ny tsy fahafaliany amin'ny fepetra iainana eo amin'ny nosy. Nanomboka nidina an-dalambe ireo mponin'i Havana, nampakatra ihany ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana. Ny tsy fahafaliana noho ny tsy fahampian-tsakafo sy ireo zavatra hafa ilaina amin'ny fiainana andavanandro no isan'ny nampakatra ny tosiky ny vilany  cocotte-minute; ary dia ‘nipoaka ny sarom-bilany'.
Olana tsy misy hafa amin'izany no manao afon'ampombo eo Kioba ankehitriny, vokatra nateraky ny famèrana ny fanjifàna ireo filàna fototra, ny fanjifàna herinaratra ary ireo tolotra hafa tsy azo ihodivirana. Matoan-dahatsoratra iray no namoaka tao amin'ny blaogy Asociación Pro Libertad de Prensa (Fikambanana ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety), tantanin'ireo mpanao gazety tsy miankina ao Kioba , manao hoe:
puede afirmarse que las condiciones políticas, económicas y sociales del país han empeorado.
Azo ambara fa tena nitotongana be ny tontolo politika, ekonomika ary sosialy eto amin'ny firenena.
Ity ampahany ity dia manao famehezana hoe:
La impopularidad del régimen alcanza cotas difíciles de ser superadas…perdida la confianza y hasta la esperanza…el pueblo espera inútilmente por una muestra de racionalidad o al menos, por un poco menos de egoísmo por parte del gobierno.
Tonga amin'ny fara-tampony tsy azo ihoarana ny tsy fitokisan'ny vahoaka ny fitantanana…na ny fanantenana aza dia very… ireo vahoaka mijaly miandry vasoka izay ho marika kelin'ny fahitsiana [rationality], na farafaharatsiny fitiavantena kely avy amin'ny governemanta.
Ny Sary nalain'ilay mpizahatany holandey iray Karen Poorts tao Kioba tamin'ny 1994 - toy ireo videos  maro tsy voasonia momba io fifanandrinana io izay  napetraka ao amin'ny YouTube - dia maneho betsaka vondron'olona vitsivitsy milahatra eny an-dalambe, maneho eny amin'ny endriny (tsy misy tahotra ny amin'izay mety ho fiantraikany) ny tsy fahafaliany amin'ny governemanta.
Ilay mpitoraka blaogy nahazo loka Yoani Sanchez dia nifidy ny handrakitra anaty  video ny vohikalan'ny  ‘the Maleconazo', raha toa kosa ireo mafana fo sy mpitoraka blaogy hafa  nitatitra momba ireo fepetra noraisin'ny fanjakana ho fisorohana ny Maleconazo hafa indray , na Andro iray ho Fanoherana. Toy izay nitranga roa volana lasa izay, votsa be ny fikorianan'ny aterineto, nitera-pahasahiranana ho an'ireo mpitoraka blaogy avy any Kioba te-handefa sary na tatitra ho an'ireo mpitoraka blaogy any ivelan'i Kioba ,  dia ireo izay hamoaka ny vaovaon-dry zareo avy eo. Ireo Kiobana mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny isam-batan'olona dia noraràna tsy hahazo manao hetsika fahatsiarovana.  Ireo mpitandro filaminana avy amin'ny fanjakana dia nampiasa ilay fomba fanao efa tsy zoviana intsony amin'ny fanaovana fahirano ny faritra, hisorohana ny  fivoahan'ny olona ao an-tokantranony na handraisany vahiny, eny fa na dia hoe fihaonana kely monja aza.
Somary mahazendana ihany, mitohy ny fanoherana anaty aterineto [online] - farafaharatsiny avy amin'ireo loharano ivelan'i Kioba , - iarahana amin'ny blaogin'i Josan Caballero izay maneho firaisankina amin'ny alalan'ny hetsika iray ao amin'ny  Facebook:
La idea nos llega de Facebook. Joel Riev nos propone utilizar hoy, cinco de agosto, este video, junto a las siguientes palabras, que hacemos también nuestras:
‘Propongo a todos de publicar este vídeo en sus páginas (blog y profilo fb) este 5 de agosto, para no olvidar cómo nos cortaron las alas. Yo estaba allí y me arrestaron…'
Nitsiry tato aminay tamin'ny alalan'ny Facebook ny hevitra. i Joel Riev manolotra hoe androany, fahadimin'ny volana Aogositra, aparitatsika ity video ity, miaraka amin'ireto teny manaraka ireto , izay nataonay ho anay manokana:
‘Soso-kevitro ho an'izay rehetra hamoaka ity video ity amin'ny takelak'izy ireo  (blaogy sy ny mombamomba ny tena ao amin'ny Facebook) amin'ity 5  Aogositra ity, aza adino  ny fomba nanapahan'izy ireo ny elatsika [elatra+isika]. Tany aho ary dia nosamborin-dry zareo…'
Penultimos Dias (ES) dia manoratra lahatsoratra iray izay manome amin'ny antsipirihany ny fomba fahitàn'ny Kiobana iray Ny Maleconazo, raha mamehy azy toy izao kosa indray ny blaogy sin EVAsión :
Quince años atrás yo no estaba en el Malecón, pero recuerdo ese día como una muestra de la rebeldía de numerosos cubanos, que levantó la expectativa de cambios en muchos de nosotros. Ese día creímos que estaba cercano el fin de la dictadura. Yo nunca he querido irme de la Isla; he creído (románticamente, lo sé) que soy más útil aquí, que pertenezco a este lugar y que mi resistencia es también mi particular homenaje y mi respeto a la Cuba que queremos todos, incluyendo a los que se rebelaron aquel día. Ellos, estén donde estén, son un ejemplo de dignidad. Me gusta pensar que somos algo más que 110 mil kilómetros cuadrados de geografía…Ellos dijeron “basta”; no importa ahora cuán efectiva fue su acción: fue la última muestra de rebeldía popular masiva que recuerde Cuba.
La descarada reseña del Granma a propósito de la fecha me obliga a insistir en un derecho que nos corresponde: el 1ro de enero todavía es suyo; el 5 de agosto es (y será) nuestro.
Dimiambinifolo taona taty aoriana, tsy tao Levee aho, saingy nomarihako kosa ity andro ity ho ny ohatra iray amin'ireo hetsi-panoherana nataon'ireo Kiobana marobe, izay nanandratra ny fanantenanay fiovàna. Tamin'io andro io dia nino izahay fa efa taka-tànana ny fiafaran'ny jadona. Tsy naniry velively ny handao ny Nosy aho; Nino aho  (tamim-panofisana, azoko antoka) fa ilaina  bebe kokoa aho eto, ary tena iray ihany amin'ity toerana ity aho ka ny fanoherako dia fomba iray koa ho ahy manokana hanomezako voninahitra sy fanajàna an'i Kioba ary izay no iriantsika rehetra, miampy ireo rehetra nihetsika tamin'iny andro iny. Ry zareo, na aiza na aiza misy azy ireo,  dia ohatra velon'ny fahamendrehana. Te-hieritreritra aho hoe maherin'ny 110.000 kilometatra toradroa no misy antsika ara-jeografia…Hoy ry zareo hoe “leo”; tsy dia ilaina loatra ny mamantatra hoe hatraiza ny vokatry ny hetsika: iny no fanehoan-kery farany tamin'ny hetsi-panoheran'ny maroan'isa tao Kioba.
Ny tsikera mahamenatra nataon'i  Granma momba ny vaninandro dia manery ahy hisisika amin'ny zo mahakasika antsika: ny 1 Janoary dia mbola azy ihany aloha; ny 5  Aogositra  dia (ary izay no ho fandehany) ho antsika.
Ny sarikely nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity, “Pescador en el malecon”, dia avy amin'i Fredo photo, nampiasana ny  Creative Commons license. Tsidiho ny  Sary mivoaova nataon'i Fredo ao amin'ny flickr .
http://globalvoicesonline.org/2009/08/14/cuba-the-maleconazo-2/
Firenena Mikambana: fifaninanana horonantsary ho an'ny olona 9-25 taona momba ny fifindra-monina
Mikarakara ny fifaninanana horonantsary Plural+ momba ny fananganana fiaraha-monina mandray andraikitra  sy mahay mifandefitra kokoa ny ‘Vovonana momba ny sivilizasiona ao amin'ny Firenena Mikambana [United Nations Alliance of Civilizations]'. Misokatra ho an'ireo mpandray anjara rehetra eo anelanelan'ny 9 hatramin'ny 25 taona hatramin'ny 30 Septambra io fifaninanana io, ary ny zavatra tokony ataony dia ny mamokatra horonantsary maharitra eo amin'ny 1 ka hatramin'ny 5 minitra ao anatin'izany ny lohateny sy fampidirana momba ny fifindra-monina, fahasamihafàna ary fandeferana, ary lohahevitra hafa mifandraika amin'izany. Ny fanazavana feno ny fizotry ny fifaninanana  Plural + dia hita ao amin'ny vohikalan-dry zareo ary hita amin'ny teny Anglisy, Espaniola, Frantsay ary Arabo
andiany mpanao horonantsary nalain'i extranoise http://www.flickr.com/photos/extranoise/155085339/
Manolotra ny fanasàna izy ireo ao amin'ny vohikalany:
Satria fantatra fa anisan'ny singa mahatonga fiovana ara-tsosialy eo amina tontolo miavaka amin'ny tsy fisian'ny fandeferana sy ny fizarazarana ara-kolotsaina sy ara-pivavahana  ny tanora, ny tanjon'i PLURAL+ dia ny hampandray anjara an'ireo tanora amin'ny famahàna ireo olana any amin'ny fiaraha-monin'izy ireo momba ny fidiràn”ireo mpifindra monina, ny firotsahana an-tsehatra, ny maha-izy ny tena, ny fahasamihafana, ireo zon'olombelona ary ny firaisankina sosialy. Ireo fandraisan'anjara mivantan'ireo tanora - na mpifindra monina ry zareo , na taranaka faharoa avy amin'ireo mpifindra monina na tsia – dia afaka mandeha tsy amin'ny fahafantarana an'ireo lalàna ihany fa amin'ny fanasongadinana rivo-panajàna sy fideràna ny tsirairay koa, manampy amin'ny fitadiavana ny làlana mankany amina hoavy mamirapiratra kokoa.
Tsy voatery natao ho an'ity fifaninanana ity ireo horonantsary, fa tokony horonantsary vita taorian'ny Janoary 2008 izy ireo. Ny tsy mampitovy an'ity fifaninanana ity amin'ireo teo aloha izay notanisaintsika tao amin'ny Global Voices dia ny hoe tsy amin'ny alalan'ny fitaovana amin'ny aterineto no hamoahana an'ireo horonantsary, fa tsy maintsy alefa any amin'ny  biraon'ny ‘UN Alliance of Civilizations' any New York ny DVD. Tsy maintsy amin'ny teny Anglisy ireo horonantsary, na misy dikateny Anglisy ery ambaniny. Tsy maintsy voaray alohan'ny 30 Septambra ny tsanganasa vao afaka mandray anjara.
Noho izany araraoty ity indray mitoraka ity, ka raha mifanaraka amin'ity fifaninanana ity ny taonanao, na mahafantatra olona toy izany ianao, dia entano izy handray anjara, ka raha manaiky izy ireo, dia ampafantaro anay raha mamoaka dika mitovy amin'ilay horonantsary amin'ny aterineto ianao, ary apetrao eny amin'ny sokajin'ny tsikera.  Aza adino ny mijery ny FAQ, ny ireo fepetran'ny Fizotran'ny lalao ary ireo vaovao manan-daja hafa momba ilay fifaninanana.
Armenia: Resadresaka nifanaovana tamin'i Liana Aghajanian
Teraka tany Iran, fa nitombo sy mipetrakat any Etazonia ankehitriny, I Liana Aghajanian dia mpanoratra ary vaovao eo amin’ny tontolon’ny blaogy Armenianina. Na dia mitoraka blaogy ao amin’ny vohikalany manokana aza izy, I Aghajanian dia efa nanana ny nampiavaka azy manokana tany aloha tany  ho an’ireo feo hafa sy ny haino aman-jery  miahy tena any Armenia ary koa ny Diaspora miaraka amin’ny  e-zine  Ianyan  mampiasa ny Wordpress .
Tonga soa ato amin’ny ianyan magazine, ny famoahana miahy tena Armenianinao voalohany. Voalohany indindra, Ianyan dia nanomboka toy ny hevitra izay toa natoritory tao ao an'eritreritra sy ny ati-fanahinareo nandritry ny taona maro. Sahala amin'ireo zavatra tsara rehetra , dia tanteraka ihany ity hevitra ity. Ny tanjonay eto amin’ny ianyan dia ny hanome anareo izay tsy vitan’ireo famoahana Armenianina hafa:  vaovao tsy mitanila, ireo toetoetra sy ireo tantara izay ankafizinao. Tsy ny gazety “medzbaba”-nao izy ity. Tsy misy fampielezan-kevitra eto. Tsy ny mitady ny marina sy ny milaza izany ihany no ataonay, fa manome ny vaovao Armenianina maneran-tany koa, ho an'ny  tanora sy ny antitra ary koa ireo namanao tsy Armenianina.
Ny resadresaka feno [amin'ny fiteny vahiny] dia azo henoina eto ambany.
<object width="320" height="24" data="http://globalvoicesonline.org/wp-content/plugins/powerpress/FlowPlayerClassic.swf" type="application/x-shockwave-flash"><param name="bgcolor" value="#ffffff" /><param name="flashvars" value="config="autoPlay":false,"autoBuffering":false,"initialScale":"scale","showFullScreenButton":false,"showMenu":false,"videoFile":"http://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2009/07/liana.mp3","loop":false,"autoRewind":true" /><param name="src" value="http://globalvoicesonline.org/wp-content/plugins/powerpress/FlowPlayerClassic.swf" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><param name="quality" value="high" /></object>
Podcast: Jerena naty fàfana iray vaovao
| Alaina ho an'ny tena
Hongrie : Mihetsika ho an’i Irana, ho an’ny rehetra, na oviana na oviana
Mety tsy dia nilamin-tsaina loatra ireo tany Hongrie tato anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izao satria fomba maro samihafa no nampiasan'ireo mponina  ny fanaovana fihetsiketsehana ho fitaovana amin’ny demokrasia.
Ny 19 Jona,  mpianatra Iranianina manodidina ny zato mianatra any Hungary no nanao fotoam-pahatsiarovana tanaty fahanginana tao amin'ny Kianjan'ny Mahery-fo tao  Budapest, renivohitr'i  Hongrie. Tamin'ny alalan'ny  Facebook no nikarakarana ity fotoana ity. Ny hetsika faharoa, nataon’ireo Hongrois  mpanohana, dia natao teo anoloan’ny Masoivoho  Iranianina tao Budapest tamin’ny 21 Jona: nitondra ny anarana hoe Hetsika-Tselatra Maitso [Green Flashmob].
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/tRZaYlHUJt0&hl=en&fs=1&rel=0" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/tRZaYlHUJt0&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ny hetsika fahatelo “ho an’ny demokrasia sy ny  zon’olombelona” tany Iran dia natao tamin’ny 26 Jona, mbola teo anoloan’ny masoivoho Iranianina ihany. Ao amin’ny vohikala  Lehet Más a Világ! (”Mety hiova [ho hafa] ny tontolo!”), Redjade dia nizara vaovao sy sary momba ny hetsi-panoherana tamin’ny 21 Jona  ary nanoratra ity momba ny tamin’ny 26 Jona:
[…] Nisy fahasamihafany be tamin’ny fihetsiketsehana farany natao tamin’ny Alahady farany teo izay tsy nahitana polisy mihitsy. Tamin’ity tsy vitany hoe nisy sakana fotsiny (nindramina tamin’ny Parlemanta?) fa mbola nisy policy am-polony mahery niaraka tamina fiarana polisy efatra sy fiara 6 hafa. Nefa na dia izany aza ny fivoriana dia nizotra tamim-pirahalahiana sy am-pilaminana. Fa manontany tena aho raha vokatry ny tsindry alokin’ny polisy no nahatonga ny havitsian'ireo mpianatra nandray anjara. […]
Ireo mpampita vaovao ao Hongrie dia  nilaza ny fihaonan’ny sekreteram-panjakana misahana ny raharaham-bahiny Gábor Iklódy sy ny masoivoho Iranianina Ali Reza Irvas, ka taorian’io no nanambaran’ny tompon’andraikitra ao Hongrie fa manana zo hanao fihetsiketsehana am-pilaminana ireo Iranianina mpanohitra ary i Hongrie  dia mandinika akaiky ny sakantsakana napetraka tamin' ireo fampitam-baovao any Iran.
Tamin’ny 21 Jona ihany koa, nisy hetsika iray hafa natao tany Budapest: ireo mpikambana sy ireo mpomba ny Antokon’ny alika manan-drambo roa [Two-Tailed Dog Party] (HUN) dia nanao Hetsika Goavana manohitra ireo zavatra rehetra tsy mitondra mankaiza.  Ny Antokon’ny alika manan-drambo roa [Two-Tailed Dog Party]  dia antoko politika hosoka fantatra amin’ny fitsikerany ny politika any Hongrie. Olona  200 ka hatramin’ny
Irana: Ireo mpitoraka blaogy Armeniana sy ny fianjeran'ny fiaramanidina
Raha nianjera ilay fiaramanidina mpampitohy mahazatra niala tao Tehran ho any Yerevan taorian’ny niaingany omaly, namoizana ireo olona 168 tao anatiny, dia maro ny tany Armenia sy ny  Diaspora avy any no ory, indrindra indrindra noho ny fisian'ny Armeniana 40 tamin’ireo maty ireo. Manazava ny ao ambadiky ny anton'ny fahatohinana mafy nahazo ireo Armeniana i Ianyan .
Nianjera tao Irana ny fiaramanidina iray vita Rosiana, an’ny Caspian Airlines, hisidina ho any Yerevan any Armenia, ny Alarobia taorian’ny nirehetany teny am-panidinana ary namono ireo olona 168 tao anatiny rehefa nitontona tany an-tsaha akaikin’ny tanànan’i Qazvin, 16 minitra monja taorian’ny fiaingana.
Tanora valo mpikambana ao amin'ny  ekipa Iraniana mpanao judo sy Armeniana maromaro no isan'ireo namoy ny ainy, ka ny roa tamin’izany dia anisan’ny mpiandraikitra ilay fiaramanidina. Eo amin’ny Armeniana 100 000 eo no mipetraka any Irana izay mivezivezy matetika eo anelanelan’ireo firenena roa ireo mba mitsidika havana.
Maro ireo antsipiriany voafantina avy amin’ny tati-baovao any an-toerana sy maneran-tany no naparitaka haingana tamin’ny Twitter sy Facebook, iray amin'ireo tena miparitaka be ny @unzippedblog.
Ny maro tamin’ireo tsikera tamin’ny vohikala sosialy sy lahatsoratra tanaty  blaogy tao amin’ilay vondrom-piarahamonina fitorahana blaogy LiveJournal momba ilay fianjerana tany Armenia  dia saiky mifototra amin'ireo vaovao azo avy amina masoivohom-baovao  sy haino aman-jery hafa.
Ilay blaogy  Iraniana-Armeniana ՏՐԱՄԱԳԻԾ  [AM] kosa dia tsy hoe namoaka sarin’ilay voina fotsiny fa sady nanome dikantenin’ireo tatitry ny TV-mpanjakana Iraniana amin'ny teny Armeniana.
Niainga teo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenenan’i Tehran ilay fiaramanidina “Tupalov”  ary nianjera  tany akaikin’ny faritra Khazin 16 minitra taorian'izay. […] Vao niteny teo ny Filohan’ny Repoblika Ahmadinejad, naneho ny fiaraha-miory ary niteny ireo tompon’andraikitra mba hanao fanadihadiana lalina, mba hanao izay tokony atao, hitady ny anton’ity fianjerana ity ary hitatitra izany araka izay haingana  azo atao.
Any anatina lahatsoratra hafa, nitatitra tamin’ny antsipiriany mombana Armeniana iray, Harutyun Khalghatian, izay tsy nahatratra ny fiaingan'ny fiaramanidina ilay mpitoraka blaogy.
Harutyun Khalghatian, 44 taona, nanao fitsidinana arahan'asa  tany Tehran no sady nitsidika an'i Tehran dia avotra tamin'ny fomba tsy takatry ny saina. Tanatina fanadihadiana natao tamin'ny naman’i Khalghatian iray …. nahita izahay fa nanao fety izy ny alina talohan’iny, ka nahatonga azy tara fifohazana ka tsy nahatratra ilay sidina.
Լճակ [RU] dia nanome rohy sy fanampim-baovao momba ilay fianjerana, ary ilay mpanao gazety-mpitoraka blaogy mpanohitra Mark Grigorian kosa dia nanome ny heviny manokana tamin’ny fampiasana fiaramanidina efa antitra.
“Fotoana fanovàna ireny fiaramanidina vita sovietika  ireny ho korontam-by izao, ” hoy izy,  nanampy tao amin’ny faritra natokana ho an'ny tsikera:
Indrisy fa efa tonta, tsy ara-batana ihany fa ara-moraly koa, ireny fiaramanidina sovietika ireny. Mieritreritra aho fa isan’izay antitra ara-moraly izay ity iray ity.
@Unzippedblog dia nandefa tweet ny fanontaniana ao an-tsain’ny rehetra hoe:
Fa maninona no #Iran irery eto ambonin'ny tany  no mbola mampiasa iny fiaramanidina Rosiana TY-154 antitra be iny! Tokony ho ariana ireny. #armenia #yerevan.
Nanome valin-teny tamina tweet iray hafa izy taorian’izay.
Nanamafy ny BBC http://bit.ly/BpFW9 fa noho ny sazy nomen’ny Etazonia no mahatonga izao tsy filaminana eo amin’ny sehatra sidina any #Iran izao. #armenia #yerevan
Если бы можно было жить в море… [RU] dia mameloka ny ankivy nataon’ny Etazonia tamin’ny Iran noho ny fianjerana.
Andriamanitra anie hanome fiadanana ny fanahin’izy ireo… nisy ankizy roa tamin’ireo. Miteny ry zareo fa matetika no misy loza any Iran, noho ny fandraràna izay tsy mamela azy ireo hanavao ireo fiaramanidina ary ny fiaramanidina TU sy Amerikana no tena ananan-dry zareo.
Ireo hafa toa an-dry Words Blog dia mitantara ny fomba nahafantaran’ny havany  an’ireo maty.
“Nisy teknisiana fifamoivoizana an'habakabaka  roa izay niasa tao amin’ny Caspian tao anatin’ilay fiaramanidina. Izaho tsy nahafantatra azy ireo, fa ny reniko sy ny nenitoako no niara-niasa tamin’izy ireo.”
“Tany amin’ny seranam-piaramanidina aho androany… mampalahelo…”  hoy 517 Design nanoratra [RU], mpitoraka blaogy sy mpaka sary avy tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Yerevan niaraka tamin’ny sary.
© Sarin'ny PanARMENIAN / Sedrak Mkrtchyan
Bangladesa: Ny fahitan'ireo nody an-tanindrazana azy
Betsaka vondrona teratany niasa tany ivelany ary nody an-tanindrazana ao Bangladesh ka maro amin’izy ireny no miasa an-tsitrapo na mikarama amin’ireny fikambanana maro tsy miankina amin’ny fanjakana ireny. Tsy vitsy amin’izy ireny koa no mitoraka blaogy sy mizara ny zavatra niainany izay sady zava-marina loatra no voaporofo, fa tsy mba toy izay ambaran’ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena momba an’i Bangladesh. Ireny fomba fijery ireny dia tena ilaina tokoa ho an’ireo tonga hitsidika an’i Bangladesh ary koa ho an’ireo Bangladeshis (ilazàna ny olona avy any Bangladesh). Anatin’ny hafatra voalohany amin’ity andiany ity dia asiako fanamarihana manokana ny amin’ireo teratany nody an-tanindrazana ka mitoraka blaogy, sy izay resaka ambaran’izy ireny
Nikkibomb ao amin’ny  Amar Bangla Na dia nandeha tany amin’ny  Tangoron-tendrombohitr’i Chittagong ary  manoratra fa:
Ireo Tangoron-tendrombohitr’i Chittagong  dia maitso màvana mandrakariva. Na aiza na aiza jerenao, marevaka ery ny lokony toy izay tian-dry zareo Bangladeshis entina rahateo.
Estelle Visagie koa dia tany amin’ny Havoana tao Rangamati izay nifanenany  tamina vehivavy bodista telo (nonnes) ka nanomezan’izy ireo azy ny Anarana Chakma.
Sara, izay mianatra sy manao fikarohana, tohanan’ny Fulbright, dia namoaka sary maro sy ny zava-niainany tamin’ny fifangaroana tamin’ireo Bangladeshis.
Natiora any Bangladesa; Durgapur, Netrokona, avy amin’i Ariful Haque Bhuiyan (http://www.flickr.com/photos/arifbd111/3401682813/),mampiasa ny Creative Commons license
Amy Moyer izay nandositra ny fiainana feno tebitebin’ny renivohitra no manoratra:
Nofarananay tamin'ny fitsidihana tanàna iray mpanamboatra fitafiana Jamdani norariana tamin'ny tànana ny dianay. Tena manify ny Jamdani, lamba tena maivana izay fahaizana manokana mampiavaka an'i Bangladesh. Raha ny tantara momba ny akanjo  Jamdani sari, izay mirefy tokony ho 13 metatra eo ho eo, dia tokony ho afaka aforitra hitovy habe amin'ny tranon’afokasoka izy. Tsara fanahy sy falifaly ery ireo mponina namela anay nandray anjara tamin’ny rary. Tena tsy azo veroka mihitsy,  ary ny tsininy dia ry zareo tsy nandray karatra Visa.
Meandering Memos izay nitsidika toeram-pamokarana asa tànana iray  tany Narayanganj, akaikin'i Dhaka izay ahitàna vehivavy 26000 miasa dia manoratra hoe:
Sary manaingo ny akanjo Sari – Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe ireo haingon’akanjo rehetra ireo dia natao tànana daholo! Tena asa mila fotoana be tokoa. Ireo loko ampiasain-dry zareo dia avy amin’ny akora voajanahary avokoa.
Jacob and Sanna's blog dia midera ny ‘Bangla', tarika  Bengali mpiangaly ny gadona ankehitriny:
Hafa ity vondrona ity — hain-dry zareo tsara ery ny manome kalitao lafatra ny fanafangaroana ny gitara tandrefana & gitara beso sy ny amponga ary ireo gadona malàza, vokatry ny tany,  izay laroin’ny feo mahagagan’ny mpihira fototra ao aminy, Anusheh.
Valerie ao amin’ny from Spa-Ha to Bangla dia roa volana izao no eto an-tanindrazana mba hamangy ny vadiny. Nandany andro iray manontolo mihitsy izy mba hitàna ny toeran'ny vady ao an-tokantrano any Bangladesh  renivohitra  Dhaka ary manamarika hoe:
Ity no iray amin'ireo andro mora indrindra hatramin’izay namoahako vola. Ny fitambaran’ny fikarakaram-bàtana tany amin’ny spa dia 600 taka, latsaky ny $10. Nomenay karama betsabetsaka ihany ny mpamily sy ny mpikarakara ny ao an-trano ary dia nolazaina fa adala mihitsy izahay tamin'izany, ary dia mahazo $4.30  sy $7 isan’andro tsirairay avy izy ireo.  $1/ora no hofan'ny kianja filalaovana Tennis. Tena varo-boba raha ny vidin-tsakafo hany ka mahamenatra na dia ny hitaky famerim-bola aza.
Sonargaon, renivohitr’i Bengal taloha. Sary avy amin’ny Flickr an’i Shubho Salateen (http://www.flickr.com/photos/shubho/242268273/) ampiasana ny  creative commons license
Bernie Allen ao amin’ny  Life and Work in Dhaka city dia nitsidika an’i Sonargaon, iray amin’ireo renivohitra ntaolon’i Bengal. Manoratra izy:
Ny Fitehirizam-bakoka momba ny fomban-dràzana, izay isan'ny anton-diako, dia ahitàna ireo zavatra rehetra maneho ny endrika ara-kolontsain'ny firenena, ary ny zaridaina ao dia tena mahafinaritra tokoa.
Niampita ny reniranon’i Buriganga, izay mikoriana ao akaikin'i  Dhaka koa izy. Mieritreritra izy fa tandindonin'ny loto io renirano io ary “tsy dia isan'andro no ahitana tsy fitohanana na fihontsonkontsonana eo, toy ireny làlana any an-tànan-dehibe ireny ihany!”
Heather ao amin’ny A Bangladesh Adventure dia namoaka sary vitsivitsy maneho ireo fiara samihafa ao an-tanànan'i Dhaka.
Ary farany nefa tsy ny kely indrindra,  Caroline ao amin’ny Burkhas, Bibles and Bangladesh dia manome lisitra ahitàna ireo zavatra 20 mety ho efa fantatrao na tsia momba an’i Bangladesh.
Kiobà, USA: Nanaiky an'i Kiobà ny Fivondronan'ny Firenena any Amerika
47 taona aty aoriana dia nanala ny fanilikilihana natao tamin'i Cuba ny Fikambanan'ny Firenena any Amerika, indrindra koa moa fa efa niara-niasa tamin'ity firenena ity ny ankamaroan'ny mpikambana. I Etazonia, izay mbola manao fahirano ara-barotra amin'i Cuba hatramin'izao, irery no tsy tratra, satria nitaky fanovana demokratika sy fanajana ny zon'olombelona amin'i Cuba ny sekreteram-panjakana Hillary Clinton, mba hahazoany miditra ho mpikambana indray. Na dia eo aza izany dia nahazo tombony ny hevitr'ireo mpanao politika ambony amerikana izay nanatanteraka ny fivoriana an-tampony faha 5 natao tany Trinité et Tobago. Manomboka izao dia malalaka amin'ny fandraisany anjara ao amin'ny OEA i Cuba, na dia nanambara aza ny fitondrana any an-toerana fa tsy mahaliana azy izany fidirana ho mpikambana izany. Milaza ny heviny ny mpitoraka bilaogy vitsivitsy…
Circles Robinson, nanoratra tao amin'ny Havana Times:
Nandao an'i San Pedro de Sula i Hillary Clinton ny talata teo ary nihazo an'i Ejipta, nanontany tena raha nahomby ny ezaka nataony ho fampandrosoana ny fitantanan'i Obama ny amin'ny fampihatoana an'i Cuba ao amin'ny OEA. Tsia no valiny!
Ny hafatra avy any Honduras dia nilaza fa tsy misy antony tokony hanilikilihana an'i Cuba, ary avela ny governemantan'i Raul Castro hanapan-kevitra malalaka na handray anjara izy na tsia ao anatin'ny fikambanana.
Ao amin'io lafiny io ihany dia nanavao indray ny fifanantonana ara-diplomatika tamin'i Cuba i Salvador ny alatsinainy lasa teo. I Etazonia irery no firenena tsy manana fifandraisana tsara amin'i Cuba manerana ny kaontinta.
Milaza ny vontoatin'ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin'ny OEA ny Cuban Triangle, raha toa ka lisitra ankapobeny fotsiny ny amin'ny hevitr'ireo firenena mpikambana no nolazain'ny Along the Malecon. Indro misy teny nampiasain'ny filohan'i Honduras, Manuel Zelaye: “Nifarana androany teto San Pedro Sula ny ady mangatsiaka. Manomboka vanim-potoana vaovao hanjakan'ny firahalahiana sy fifandeferana isika”, izay nahatonga ilay mpitoraka bilaogy hanao sangisangy hoe:
Raha misy vanim-potoana vaovao hanjakan'ny firahalahiana dia tsy resy lahatra aho hoe avy any Washington izany - na koa avy any atsimon'i Floride.
Hanamafisana ny ahiahiny dia nanao teny farany ny mpitoraka bilaogin'ny diaspora Uncommon Sense:
Nanome alàlana an'i Cuba handray anjara indray ny OEA… kanefa ireto Kiobana voasoratra anarana eto amin'ny ilany ankavanana ireto dia mbola any am-pigadrana daholo.
Nanao dingana lehibe ho an'ny demikrasia i Amerika Latina tato anatin'ny taona vitsivitsy izay. Firenena anankiray ihany, Cuba, no hany tokana mbola entin'ny mpanao didy jadona nanendry tena, kanefa taloha dia ny tahaka izany no nanara-dalàna tany amin'iny faritra iny. Fanampin'izany, nandritra ny fotoana naharitra nanjakan'i Castro dia nihantsy ireo mpifanolobodirindrina taminy izy.
Tahaka ny hoe mamadika ireo rehetra izay niezaka nampanjaka ny demokrasia tany amin'ny fireneny tsirairay avy ny fanapahan-kevitra hamerina an'i Cuba indray ao amin'ny OEA.
Betsaka ny fiovana (izay azo antoka ny ampahany) nitondran'izao tontolo izao an'i Cuba, ao anatin'izany koa i Etazonia. Na izany aza anefa raha tsy misy fiovana any Cuba, avy amin'i Cuba, dia hitongilana sy ho lavaka ihany izany ka ho maimbo.
Mety ho fanampiana tànana ihany no nentin'ny OEA: miankina amin'ny fanapahan-kevitry Cuba irery ny handray izany na tsia.
Janine Mendes-Franco
Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste
Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide.
“Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i danny.hammontree ao amin'ny flickr.
Nahasarika ny sain'ny maro i  Jean-Juste  tamin'ny 2005, tamin'ny nisamborana azy noho ny famonoana an'ilay mpanao gazety Haitiana Jacques Roche, fihetsika izay nolazain'ny mpanohana azy ho manana antony pôlitika - Nokilasian'ilay mpitoraka blaogy Haitiana Wadner Pierre ho “hetsika ivandravandràn'ny famoretana ara-politika” izy io.  Taoriana kelin'ny fisamborana azy, ny Amnesty International dia niantso an'i Fr. Jean-Juste ho “gadran'ny fanehoan-kevitra [prisoner of conscience]”;  tokony ho enim-bolana taorian'ny nitànana azy , nofoanana ireo vesatra nianjady taminy ary navosotra izy.  Nahazo famotsorana vonjimaika tamin'ny governemanta vonjimaika Haitiana koa izy, izay nahafahany nandeha tany Etazonia mba hitsabo tena noho ny aretina ‘leucemie‘ izay hita vao haingana tamin'ny firahana azy.
“Avotsory Dada Gerard Jean-Juste1“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny  Creative Commons license.  Tsidiho ny tahirin-tsarin'i danny.hammontree ao amin'ny flickr.
Tsy ny homamiadana ihany no fahavalo niadian'i Fr. Jean-Juste  - na taorian'ny namotsorana ny saziny tamin'ilay resaka vono olona aza, mbola nanohy  niatrika vesatra hafa amin'ny fitànana fitaovam-piadiana sy firaisana tsikombakomba koa izy, na dia tsy mbola nisy porofo natao aza mba hanamarinana izany fanamelohana izany. Haiti, Land of Freedom, dia nanamarika tamin'ny vatofotsy (tamim-pifaliana) ilay andro (19 Jona 2008) nanafahana ilay Pretra tamin'ny saziny rehetra:
Niresaka tamin'ny HaitiAnalysis tamin'ny antso an-tariby i Dada Jean Juste tany amin'ny paroasiny any Haiti - ny Fiangonan'i Saint Claire – toerana nisian'ny fanombohana fankalazana manetriketrika tokoa. “Nisaotra an'i Jesoa Tompoko aho” hoy izy.  “Nino aho fa tsy hamela ahy izy. Mamela ireo olona nandray anjara tamin'ireo fisamborana roa tsy rariny natao ahy aho, izay mety nahafaty ahy mihitsy. Mety ho maty tany am-ponja aho. Ankehitriny aho afaka manohy manampy ny mahantra.”
Naaton'ny  Ambaratongam-pahefan'ny Fiangonana Katolika any Haiti i Jean Juste noho ny fanaovany hetsika pôlitika raha tokony niaro azy izy tamin'ny fotoana nigadrany. Raha nanontaniana momba ilay fampiatoana izy, izay nahatezitra mafy ireo mpanohana azy maro, naneho ny fahatokisany ny amin'ny hahafoana izany i Jean Juste.
“Tsy meloka aho ary hanafoana ny fanapahan-keviny izy ireo mba hamelàna ahy hanatanteraka ny asako eo anivon'ny fiangonana tahaka ny nataon'i Jesoa mandra-pahatongan'ny minitra farany talohan'ny namadihana sy nisamborana azy”.
Pretra maro ao amin'ny paroasy toa an-dry Jean Juste sy Jean Betrand Aristide no mpikambana ao amin'ilay hetsika ti legliz (fiangonana kely). Miavaka izy ity  noho izy manohitra ny didy jadona ataon'i Jean Claude Duvalier.
“Jean-Juste any Miami”, sary avy amin'i Robert Miller,  ampiasàna ny  Creative Commons license.  Tsidiho ny tahirin-sarin'i Robert Miller ao amin'ny flickr.
Tamin'ny 27 Mey 2009, afaky ny geja rehetran'izao tontolo izao koa Fr. Gérard Jean-Juste, izay nodimandry teo amin'ny faha-62 taonany.  Mbola manohy nyfanehoam-pankasitrahan a sy fanajana  azy ireo mpitoraka blaogy:  Dying in Haiti dia namerina namoaka ny filazàna manjo navoakan'i The New York Times tamin'ny nahafatesany, ary nahatsiaro ireo zava-tsoa rehetra nataony…
Tsy sasatra niasa ampolo taona maro ho an'ny vahoakan'i Haiti  izy.
Nivavaka nangataka ny fanampian'i Md Jude izy nandritra ny lamessa.
Lehilahy mitazona ny teniny no nahafantaranay mivady azy.  Nanohy hatramin'ny farany foana izy na kely na lehibe ny olana.
Nahery fo i Dada. Tsy niverina tamin'ny teniny mihitsy izy.
Mandria am-piadanana, ry Dada. Ary rehefa mifanena amin'i Md Jude ianao dia teneno izy tsy hanadino an'i Haiti.
The Haitian Blogger dia namerina namoaka lahatsoratra nosoratan'i Profesora Bell Angelot:
Niara-dàlana hatrany tamin'izay atao hoe mahitsy sy fahamarinana ara-moraly foana i Dada.
Fanahy mahery iray no nandao ity tany ity, ary manamaizina ny tanàna iray manontolo ny fisaonanay. Lasa mandrakizay ny ‘griot' iray [ilazana ny olona voky andro tany Afrika nahatahiry sy mampita ny fahendrena amin'ireo taranaka aty aoriana]  ary Foko iray manontolo no latsa-tomany.  Nefa na dia lasa aza ilay mpaminany, ny fahazavàny kosa mbola mitoetra. Nampaneno ny lakolosy' tao anatin'ny alahelo sy ranomaso ny fiaraha-monin'i Miami, noho ny nandaozan'i Dada Reverend Gérard Jean-Juste ny tany. I Dada Jean-Juste dia iray amin'ireo mpialoha làlan'ny Teolojian'ny fahafahana teo anilan'i Jean Bertrand Aristide tao Haiti, Leonardo Boff tany Nicaragua ary Oscar Romero tany Salvador.
I Dada Jean Juste no mpilanja faneva ho an'ny zon'ny mpifindra monina any Haiti, ho an'ireo tsy manana taratasy, ho an'ireo nisedra ranomasim-be feno antsantsa [sharks - requins] ary ho an'ireo mbola tsy avela hizàka ny Statut fiarovana vonjimaika (TPS). I Dada Jean Juste dia olon'ny fahamarinana,  na ny anarany aza dia efa  miantso ny fahamarinana.
Farany, Repeating Islands dia mahatsiaro an'i Jean-Juste ho lehilahy izay “nitarika ny ady tsy misy indrafo nanohitra ny fitondràna mitanila' atao amin'ireo Haitiana eny amin'ny fitsarana, ny haino aman-jery, ny làlana, ary indraindray, any am-ponja”, ary manoritra fa “ireo hetsika rehetra nanaraka ny fahafatesan'i Jean-Juste dia manasongadina ny fitakosenany tamin'ny vahoaka Haitiana.”
Bahrain: Ny filàntsika ny Indiana dia toy ny filàntsika rivotra
Tany ampiandohan'ity volana ity, nanambàra i Bahrain fa  tapitra hatreo ny endrika fanohanana ireo mpiasa vahiny, midika izany fa manomboka amin'ny volana Aogositra dia tsy hiankina amin'ireo mpampiasa azy intsony ireo mpiasa ireo, fa tohànan'ny governemanta mivantana amin'ny alalàn'ny  Sampana mpandrindra ny tsenan'asa, àry hahazo alàlana hiova asa tsy ilàna fankatoavana avy amin'ireo mpampiasa azy ireo. Natao izao  hetsika izao hanafoanana ny fomba  fanohànana tamba-be mpiasa maro fanaon'ny Bahrainis, izay matetika no tonga avy any amin'ireo tany madinika manodidina, izay ampandoavin'izy ireo vola ho  “sàran'ny visa” raha toa izy ireo ka manapa-kevitra hiasa aminà mpampiasa hafa.
Nefa kosa ho an'ny sasany any Barhain, izay misedra olana ara-ponenana sy tsy fanànana asa ny mponina ao aminy, miteraka ahiahy ilay hevitra hanamoràna ny asan'ireo vahiny eo an-toerana.
Ny mpitoraka blaogy Mohammed Marhoon no mamaritra  trangam-piainana iray tsy ela akory:
في صيف البحرين الحارق، وسط المنامة، بانتظار ضوء الإشارة الأخضر بعد مرور “الهوامير” تسند رأسك على زجاج السيارة لتهب نسمات مكيف السيارة البارد منعنشة غليل الإنتظار وجذوة الشمس عند آخرها، يقطع هذا الإكليل المنهك طرقات “هندي” على النافذة.. “طخ، طق، طق..”.
للوهلة الأولى افتكرت أنّه يريد ابتياعي “عبوة مياه”، إلا أني لم أرى أيّ عبوات بين يديه ونوضح هنا ما نقصده “ماي صحة”، بالهندي “بوني” وأولاد ميري يقولون “water” حتى لا نتعرض للمسائلة أو ننتمي للمنظمات الإرهابية على أي حال، فتحت النافذة، وإذا به يستجدي: “بابا.. فقيير أنا فلوس مافيي، الله يهرم واديك، فقييير بابا.. فقيير بابا”، أستغربت حينها، أكان صدفة أم أن هناك مثله مئات!؟ وهنا لن أسلّط الضوء على الفقر والعوز فمثله من جاليات أخرى قاطنون شوارع المنامة بطولها وعرضها وليس بغريب عليكم إلا أنّ هندي يشحذ، أول مرّة أشوف!
Anatin'ny andro migaingaina tao Barhain, tao afovoan'i  Manama, teo am-piandrasana ny jiro mavo hirehitra, raha nandalo ireo trondro hamoor [big shots]. Apetrakao amin'ny varavarankelin'ny fiara ny lohanao mba hahazo ny tsioka malefakin'ny milina fampangatsiahana hampisinda ny hatezeranao noho ny fiandràsana ela sy ny daniky ny masoandro. Izany fitsotsorana izany no notapahan'ny Indiana iray tampoka nandondona teo amin'ny varavarankely…tap, tap, tap…
Tamin'ny voalohany dia noheveriko fa te-hivarotra rano amin'ny tavoahangy tamiko izy, saingy tsy nahita aho na tavoahangin-drano iray aza teny an-tànany. Rano mineraly no tiako hambara eto an!, ‘pani' amin'ny teny Hindi, ary izay ambaran'ny zanak'i  Mary [ireo mpiteny Anglisy] hoe  “water”, mba tsy ho tratry ny fanontaniana isika na fanamelohana hoe mpikatroka anaty fikambanana mpampihorohoro. Mazava ho azy, novohako ny varavarankely, ary hitako izy mangataka famonjena: “Baba, mahantra aho…tsy manam-bola…Andriamanitra hitahy ny raiamandreninao… mahaaaantra, baba, mahantra aho, baba.” Gaga be aho. Kisendrasendra ve ity, sa misy an-jatony ny toa azy? Tsy hafantoko loatra amin'ny fahantrana sy ny filàna eto, satria misy vondrom-piarahamonina hafa maro tahaka azy miaina manerana an'i Manama, ary tsy mahagaga ny mahita azy ireny - saingy sambany kosa no nahamarihako Indiana nangataka!
طقوس.. يوم الجمعة..
تستقطب منطقة المنامة يوم الجمعة من ساعات الصباح الأولى الهنود وهم “ضاربي دهن الراس”، “وثياب مكوية”، “وأذواق مختلفة” وتلاقح ثقافات وطقوس، فتجدهم يتبادلون التحايا ويتحاضنون “Hug’” ويصطفون لصلاة الظهر، يتدفقون من كل حدب وصوب.. لينتهي الحال الجلوس على عتبات باب البحرين عصرا.. وارتياد الكورنيشات.. يوم حافل لديهم..
Ireo fombafomban'ny andro Zoma…
Ny ora vao misandratr'andron'ny Zoma maraina ao amin'ny  souq faritra manodidina an'i Manama dia mahasarika Indiana maro, miaraka amin'ilay volo mifotetaky ny menaka, fitafiana marevaka, ary ireo fankafizan-javatra samy mànana ny azy. Ambohipihaonan'ny kolontsaina sy fombafomba maro samihafa io. Hitanao mifampizara firariantsoa sy orokoroka izy rehetra, avy eo dia mitandahatra hanao ny vavaka mitatao vovonana fanaon-dry zareo. Avy amin'ny lafin-tany rehetra izy ireo, ary amin'ny tolakandro dia miara-mipetrapetraka mankeny amin'ny  Bab Al Bahrain, na mitsidika ny elo-drano  [fitsangatsanganana eny amoron-drano]. Andro maha-somadodoka ho azy ireo io…
حاجتنا للهنود.. حاجتنا للهواء
إذا ما نظرنا للأعمال المتعددة التي يقوم بها “الهنود” في خدمة الشعب من أصغرها حتى أكبرها، فمن غسيل السيارات، بيع الياسمين في الطرقات إلى بناء الشاهقات، المحلات التجارية، رياض الألعاب، وصولا لمدراء و”كبارية” أينما “قلبت” وجهتك فثمّة “هندي” ولا غرو في ذلك!
Ny filàntsika ny Indiana dia toy ny filàntsika rivotra
Raha jerentsika akaiky ireo asa maro ataon'ny Indiana ho fanomezana fahafaham-po ny daholobe, manomboka amin'ny tanora indrindra ka hatramin'ny antitra, manasa fiara izy ireny ary mivarotra jasmin eny an-dàlambe, manàngana ireny trano avo manaka-danitra ireny, ireny toeram-pivarotana lehibe sy toeram-pilalaovana ireny, ary misy ny lasa tompon'andraikitra sy mpandraharaha.  Na aiza na aiza alehanao dia misy Indiana foana, ary tsy mahagaga izany!
A.T.M
تجدهم مصطفين بنتظام طابور طويل على آلة السحب الآلي “A.T.M” ذلك لأخذ كشف الحساب، على أرباب العمل أن يمنحوا الهنود شهادة راتب ليزيحوا بذلك العناء النفسي والهوس لدى عامليهم “يجي فلوس”،”ما يجي”، “ناقص موجود”،”أرباب كنجوز”.. ويخفوا علينا “شوي”.
الهنود هم أكبر الجاليات المنتشرة في العالم التي تقدر عدد أفرادها حوالي 25 مليون هندي يعيش حول العالم! شريحة واسعة في البحرين مع فتح باب “فري ويزا” راح يكون الوضع مرعب! أكرر أول مرّة أشوف هندي “بابا فقيير.. بيزات مافيي” يطلب في وضح النهار من السيارات المارّة هنا وهناك! اليوم متعقّد من الهنود صراحة..!!!
ATM (Milina mpizara vola mibaiko tena)
Hitanao mitandahatra lavabe eny amin'ireny ATM ireny ry zareo, mba hàka ny toe-bolany. Tokony hanome taratasy filazàn-karama ho an'ireo Indiana ireo ny mpampiasa azy ireo mba hanamaivanana ny rarin-tsaina mianjady amin'ireo mpiasany mieritreritra ny hoe , “tonga ary ve izay ny vola?”, “Tsy mbola ao ilay izy”, “Tsy ampy izy izany”, “Tena fangoloka ny mpampiasa ahy”, ary ny  “Tena kely [karama vary masaka] izy izany”.
Ny Indiana no foko isan'ny tena miparitaka be indrindra manerana ny tany. Vinavinaina ho  25 tapitrisa ny  Indiana miaina ivelan'ny fireneny. Ny be indrindra amin'ireny dia any  Bahrain ary miaraka amin'ny famohàna ny varavarana ho an'ny visa maimaim-poana ho an'ny mpiasa, ho sarotra ny teo-draharaha! Toy izay efa nolazaiko, Ity no voalohany nahitako Indiana niteny hoe, “Baba, mahantra aho, tsy misy vola.” Ankarikary be izao izy no nangataka tamin'ireo fiara rehetra nandalo tetsy sy teroa. Tsy asiako fihatsaram-belatsihy, mihevitra aho androany fa tena nanana complexe manoloana ireo Indiana.