The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Development Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Development

2009-09-05

Nepal: mandray an-tanana ny olana amin'ny fiovan'ny toetr'androVideo post

Resaka mahoraka any Népal ankehitriny ny olana momba ny fiovan'ny toetr'andro, na dia mampiseho aza ny fanadihadihana fa olona marobe any an-toerana no mosarena vokatry ny haintany miseho matetika, dia loza mitatao ho an-dry zareo koa ny fitsoniky ny ranomandry. Miankina betsaka amin'ny fizahan-tany sy ny fambolena ny lafiny ekonomika ...

2009-08-15

Porto Rico: miady tanim-panjakana

Mponin'i Villas del Sol - saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria. Vao namoaka didy ny fitondrana Porto Rikana hanaisotra any Villas del Sol fokontany any Toa Baja, fianakaviana miisa 200 lazainy fa mibodo ny tany izay mora tratran'ny tondra-drano. Nandefa gazy mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana ary nanafika ...

2009-08-11

Bengladesh: Ny ‘Uncultured Project' sy ny dioranoVideo post

Teo am-panampiana ny tra-boinan'ny rivodoza Sidr tany Benlgadesh indrindra ny Uncultured Project (tetikasa ho an'ireo tsy voakolokolo ara-tsaina na atao hoe tsy mahalala fomba ihany koa) raha nijery ny takelany izahay tamin'ny herintaona, fa mbola tsy nitsahatra hatramin'izay ny ezaka nataon'i Shawn. Narary izy tamin'ny herintaona ka nody tany Kanadà ...

2009-08-02

Shina: Ho vita hatreo ve ny politikan'ny zaza tokana?

Araka ny voalazan'ny Time magazine, dia mety hiova ny politikan'ny zaza tokana, anankiray amin'ny maha shina an'i Shina ankehitriny. Taorian'ny fandrisihan'ny tompon'andraikitra momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana avy any Shanghai tao amin'ny gazetim-panjakana ny mpivady hiteraka roa vokatry ny fahanteran'ny mponina sy ny tahotra tsy hisian'ny ho avy mamiratra izany. ...

2009-07-18

Bangladesa: Ny fahitan'ireo nody an-tanindrazana azy

Betsaka vondrona teratany niasa tany ivelany ary nody an-tanindrazana ao Bangladesh ka maro amin’izy ireny no miasa an-tsitrapo na mikarama amin’ireny fikambanana maro tsy miankina amin’ny fanjakana ireny. Tsy vitsy amin’izy ireny koa no mitoraka blaogy sy mizara ny zavatra niainany izay sady zava-marina loatra no voaporofo, fa tsy mba toy izay ambaran’ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena momba an’i Bangladesh.

2009-07-07

Repoblika Dominikana: manohitra ny fananganana orinasa fanaovana simenitra ao Los Haitises

Efa ho 1 volana mahery izay dia nanao fihetsiketsehana fanoherana ny fananganana orinasa mpamokatra simenitra ao amin'ny faritra arovana ao amin'ny valan-javaboahary any Los Haitises ny mponina any amin'ny Repoblika Dominikana, faritra izay ahitana fifangaroana tontolo iainana misy kalkera manana ny maha izy azy manokana any amin'ny faritra avaratra atsinanan'ny ...

2009-06-10

Ghana: Ady hevitra, fientanana ary fanantenana amin'ny fitsidihan'i Obama

Enim-bolana monja taorian'ny fanovana ny fitantanana tao Ghana tamin'ny alalan'ny fifidianana natao tamim-pilaminana ny volana desambra 2008, ary tahaka ny hoe fifanandrifian-javatra fa enim-bolana aty aorian'ny fanovana nankalazaina tamin'ny haino aman-jery tany Etazonia, dia hitsidika an'i Ghana mandritra ny 2 andro ny filohan'i Etazonia Barack Obama amin'ny fiandohan'ny volana jolay ...

2009-06-05

Tontolo Arabo: Fa inona no andrasan'i Arabo?

Mpitoraka blaogy roa avy amin'ny lafin-tany arabo roa samihafa no mikamenona amin'ny zavatra iainan'ireo arabo, manomboka any amin'ny Ranomasimbe ka hatrany amin'ny Gôlfa . Ny iray manontany hoe mandra-pahoviana isika no hipetraka ho mpitazana fotsiny foana raha ny firenen-kafa kosa miezaka mampanaraka ny teotr'andro sy  mampivoatra ny tahirim-pitaovam-piadiana eo am-pelatanany  ...

2009-05-20

Masoandro mihiratra ho an'ny kilemaina any RDC

Tsy ialam-pahasarotana ny fiainan'ny olona manan-kilema sy maleny any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô. Maro ny fahasahiranana atrehin'ny kilemaina noho ny fahabangan'ny fanohanan'ny fanjakana sy ny fahavitsian'ny asa. Miezaka ny mitatitra matetika ny fiainan'ny kilemaina sy ny malemy ao amin'ny fienena misy azy ny mpanao gazety kôngôley sady miandraikitra ny Congoblog “Ba ...

Libia: Vehivavy, Mpanoratra, Mpanakanto

Raha ny fahitàna azy hatreto dia mbola tsy mahakasika ny tontolon’ny fitorahana blaogy libiana ny gripan-kisoa fa mino aho fa ny firesahana ny momba ny anjara toeran’ny vehivavy dia efa famakiana lay kosa. Taorian’ny fitrandrahana blaogy libianina maro, Highlander izay mandefa lahatsoratra momba ireo mpanoratra sy mpitoraka blaogy arabo/libiana dia mihevitra fa ...