· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Mey, 2013

Brezila : Nesorin'ny Toby Famokarana Herinaratra Saingy Niverina Eny Amoron-Drano ny Mponina

  28 Mey 2013

Nafindra toerana any amin'ny tanàna naorina manokana hipetrahany ireo mponina tamoron'ny rano noho ny tsafodrano nateraky ny fanorenana ilay toby famokarana herinaratra Jirau any Amazona Breziliana. Niverina nanamorona ny rano ihany anefa izy ireo satria tsy mety aminy ilay fomba fiaina vaovao. Nahatonga fisalasalana ho an'ireo mponina amoron'ny rano ity seho ity satria mampanahy azy ireo ny ho avy, rahatrizay ka vita ny asa fanorenana ary tsy hisy intsony ny asa.

Italia: Ravan'ny Afo Ilay Tranom-Bakoka ‘Città della Scienza’ ao Napla

  24 Mey 2013

Ny 4 Martsa dia afobe nijoalajoala (ahiahiana ho niniana natao) no nandrava ny invon-toerana ara-kolontsaina. Mifanindran-dàlana amin'reo fanehoan-kevitra feno ahiahy, avy hatrany ireo mpisera ety anaty aterineto (sy ny sasany amin'ireo manampahefana ao an-toerana) dia nanomboka fenentanana ny ho fanarenana indray ity fotodrafitrasa an'ny vahoaka ity, tena be mpitia tokoa manerana an'i Eoropa sady ivon-toerana ara-tsiansa manana ny lanjany ho an'ny tanora sy ny taranaka hoavy.

Yemen : Tsindrim-peo mikasika ny fampianarana!

Amin’ny firenena iray izay manakaiky ny 40 isan-jato ny tahan’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eo amin’ny lahy sy vavy (15 taona no miakatra), ny fampianarana sy ny fandrisihana ireo vehivavy sy ny tanora dia tsy maintsy ilaina mba hisian’ny fampandrosoana mivaingana ao Yemen. Milaza ireo mpikatroka mafàna fo ny amin’ny antony tokony haha-zo fa tsy tombontsoa ny fampianarana.

Notsarovana Ilay Mpandalim-baovao Mikasika Ny Tantaran'i Sainte Lucie

  12 Mey 2013

Mpahay tantara sady mpitahiry ny nentin-drazana i Robert Devaux ilay niato tamin'izay nisasarany tamin'ity herinandro ity, nodimandry ny marainan'ny 16 aprily 2013, taorian'ny ady tamin'ny homamiadana. Ireo mpisera anaty aterineto ao Ste Lucie dia nanome voninahitra lehilahy iray izay heverina ho maherifo mpiaro ny tontolo iainana sy mpanao vina lavitra ho an'ny fireneny.

Sekoly Akatona Noho Ny Tsy Fahampian'ny Angovo ao Panama

  11 Mey 2013

Miatrika krizin'ny angovo izay mety tsy ahafahan'ny firenena iray manontolo mihetsika  i Panama, noho ny fahataran'ny fotoan'ny orana eo amin'ny lafiny ilany. Toy izao ny nanombohan'ny fitateran'ny Prensa Latina [es] izany haintany izany : Con un régimen pluvial privilegiado por su condición de istmo favorecido por los dos principales océanos...

Brezila : Fampanantenana Poakaty Nahatezitra ny Amazoniana Manamorona ny Rio Madeira

  03 Mey 2013

Ity tantaran'i Ana Aranha nitondra lohateny tamin'ny voalohany hoe Vidas em Trânsito na “Fiainana Mandalo“, izay miresaka momba ny fiantraikan'ny tetikasam-panorenana goavana manamorona ny reniranon'i Madeira ao amin'ny fanjakan'i Rondônia, Brezila, ity dia ampahany amin'ny andian-dahatsoratra manokan'ny ny Ivotoeram-panaovan-gazety famotorana Breziliana #AmazôniaPública. Havoakan'ny Global Voices ao anatin'ny lahatsoratra dimy izany.   Fony...