· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Desambra, 2012

Bangladesh: Tolotra Finday Ikarakarana Ny Fahasalaman'ny Ho Renim-pianakaviana Sy Ny Tera-bao

  30 Desambra 2012

Samy nilatsaka ny taha-pahafatesan'ny Reny sy ny zanaka any Bangladesh. Amin'ny andaniny dia manakaiky ny 66% ny fidiran'ny finday ary maro amin'ireo mpampiasa azy no vehivavy. Aponjon, tolotra fitandroana ny fahasalaman'ny reny izay mmampiasa ny finday dia natomboka vao haingana hikendrena ireo ho renim-pianakaviana sy ireo tera-bao any Bangladesh mba hampihenana ny aretina sy ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza menavava.

Ejipta: Mitaky Rindrambaiko Tovozina Malalaka Sy Maimaim-Poana ny Vahoaka

Maro no efa niteny ny anjara asam-panafahana nataon'ny teknolojia nandritra ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana, ary maro ny tokony holazaina amin'ny anjara asan'ny fitroarana tamin'ny fanafahana [fampiroboroboana ny teknolojia ao amin'ny faritra]. Tamin'ny alarobia teo, nivoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny praiminisitra ejiptiana ny famintinana ny fivoriana natrehina faramparany teo. Ao amin'izany...

India : Adi-hevitra Manodidina ny Famonoana ho Faty Noho ny Fanolanana

  28 Desambra 2012

Delhi, sy ny fiantsoana azy mampiahiahy ho ‘renivohitry ny fanolanana’ no nanatri-maso indray ny fanaovana an-keriny  vehivavy 23 taona (jereo ny tatitry ny Global Voices), izay niteraka fihetsiketseham-panoherana goavana tao an-drenivohitra sy nanerana ny firenena. Noho ny fahasosorana tamin'ny herisetra farany teo, nitaky ny hahahentitra kokoa ny lalàna sy hanenjanana ny fanasaziana...

Madagasikara: fanaovana ampihy mamba velarantany nohon'ny BioFuel

  11 Desambra 2012

Ny fikambanana “collectif TANY” izay mitolona hoan'ny fiarovana ny zon'ireo tantsaha Malagasy ahafahany manohy hamokatra ny taniny, sady soloin'Atoa Mamy Rakotondrainibe tena, no nandikateny frantsay sy nanapariaka ny lahantsoratra navoaky ny gazety Inona ny Vaovao laharana 1031 [fr] izay mitatitra ny fitarainan'ireo tantsaha nohon'ny vokadratsy ateraky ny fambolena ny voly jatropha karakarain'ny orinasa Tozzi Green group...

Vehivavy Raràna Tsy Hikirakira Finday An-Tanàna Ambanivohitra Indiana

  10 Desambra 2012

Misy komitin'ny tanànakely Indiana iray any amin'ny fanjakana Bihar no nandrara ny fikirakiran'ny vehivavy ny finday any amin'ny tanàna ambanivohitr'i Sunderbari, tokotokony ho 385 kilometatra (239 maily) atsinanan'i Patna, renivohitr'i Bihar. Mahatratra 104 arivoarivo [tapitrisa] ny mponin'i Bihar, betsaka noho ny isan'ny mponina amin'ny firenena eoropeana tsirairay avy ary mahatratra...

Mirongatra ny andiam-balala ary manambana Kere ny faritra Atsimon'i Madagasikara

  06 Desambra 2012

Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy [fr]: Le Gouvernement malgache a la déclaré l'etat d'ALERTE NATIONALE suite à une invasion de criquets dans le sud qui ravagent les cultures et menace la sécurité alimentaire “Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy taorian'ny firongatr'ireo valala any amin'ny faritra Atsimon'ny nosy, izay manambana ny fanjariam-pambolena...

Mivoaka Ny Trano Fidiovana: Haiti Sy Ny Andro Manerantany Ho An'ny Lavapiringa

  04 Desambra 2012

Andro iraisam-pirenena amin'ny fampiasana lavapiringa ny 19 novambra. Ao anatin'ny mponina eran-tany 7 lavitrisa, 2.5 lavitrisan'ny olona no tsy afaka mampiasa lavapiringa madio - zany dia eo ho eo amin'ny olona 1 amin'ny 3. Ny sasany amin'izy ireo mipetraka any Karaiba; maro amin'izy ireo no mipetraka any Haiti - ary ny tsy fisian'ity zo fototra mahaolona momba ny fidiovana ity no mbola mampirongatra ny aretina sy ny fahafatesana amin'ny tsy antony.

Aostralia: Ny Tenintsika Momba an'i India, Demokrasia Lehibe Indrindra Eran-tany

  04 Desambra 2012

Hoavy manao ahoana ny an'i India, izay tsy demokrasia lehibe indrindra eran-tany ihany fa hanana mponina betsaka ihany koa atsy ho atsy? Afaka mandray anjara amin'ny adihevitra momba ny Demokrasia lehibe indrindra eran-tany ao amin'ny tambajotra sosialy ao Aostralia, OurSay, ianao. Io no fisantaran'andraikitra nivoaka farany amin'ny demokrasia fampandraisana anjara an-tserasera: Manazava ny...

Mamafa Ny Tantaran'i Ethiopia Amin'ny Anaran'ny Fampandrosoana

  01 Desambra 2012

Tamin'ny 1896 no resin'ny tafika notarihan'ny Amperora Menelik II ny tafika Italiana izay nanana ny teknolojia ara-miaramila nandroso kokoa tao amin'ny fifanandrinana tao Adwa. Taorian'izany, nampiditra teknolojia maromaro ilay Amperora nandresy ka anatin'izany ny fampidirana ny lalamby tao amin'ny fireneny. Noho ny fandreseny tao Adwa sy ny ezaka nataony hanovàna an'i...