· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Oktobra, 2012

Slovakia: Mamelona Adihevitra Ilay Fihaonambe “Mitady Fiainana Mendrika sy Azo Antoka”

Nanodidina ny 3000 ireo olona tafahaona “ho amin'ny zon’ny vahoaka mendrika” tao an-tananan’ny Partizanske, tamin'ny Septambra. Tamin’ity volana ity, ny 13 Oktobra kosa, olona nihoatra ny zato no tafahaona tahaka izany – “hiaraka ho amin’ny fiainana mendrika sy azo antoka” – tao an-drenivohitr'i Slovakia tao Bratislava (horonantsary). Niaraha-nanomana tamin’i Oskar Dobrovodský ...

Zambia: Lahatsary Fanadihadiana Ao Amin'ny YouTube Mikasika Ny Fiantraikany Ratsy Momba Ny Fitrantrandrahana Varahina

  29 Oktobra 2012

Nisy lahatsary fanadihadiana iray mikasika ny fitrandrahana varahina any Zambia sy ny fiantraikany ratsy eo amin'ny fiarahamonina nipoitra tao amin'ny YouTube ary hatreto dia nisy mpitsidika mahery ny 6.000. Taorian'ny nijereny io lahatsary fanadihadiana io, nanoratra ny mpampiasa YouTube iray, "Mitomania ho an'ny tanindrazana malalantsika. Maninona isika no hahantra raha misy vokatra misavovona sy trandrahana ao an-damosin'ny fahasalamam-bahoaka."

Madagasikara: Vokatry ny fikarohana mikasika ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany

  27 Oktobra 2012

Ny praograma ASM-PACE izay sady mifantoka amin'ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany [ASM na Artisanal and Small-scale Mining] no mifantoka koa amin'ny faritra natokana hiarovana ireo zavaboahary sy ny tontolo-iainana osa [PACE na Protected Areas and critical ecosystems] no nanapariaka ny vokatry ny fikarohana amin'izay fomba mety hataon'i Madagasikara...

India: Mitohy ny Fifandirana Manodidina ilay Toby Nokleary Kudankulam

  23 Oktobra 2012

Tao anatin'ny hetsi-panoherana (jereo ny lahatsoratra Global Voices) no nanombohan'ny tetikasa Angovo Atomika ao Koodankulam, ao Tirunelveli, distrikan'ny firenena Indiana Atsimo,Tamil Nadu tamin'ny volana lasa teo. Nanomboka namokatra herinaratra ny orinasa saingy miharatsy hatrany ny toe-draharaha satria mbola mitohy ny fisamborana olona ary mbola maro ireo mpanao fihetsiketsehana any am-ponja. Nanamarika ny antso ho amin'ny...

Tolo-Tanan'i Frantsa Sy Ny Banky Mondialy Hanampy Ny Firenena Afrikana Hahay Hifampiraharaha Amin'ny Harena An-kibon'ny Taniny

  10 Oktobra 2012

Ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-40 ny fifanaraham-piaraha-miasa ao anatin'ny Faribola Franc, dia namoaka taratasy iraisana ny filohan'i Côte d'Ivoire, Alassane Ouattara, sy ny minisitry ny vola Frantsay, Pierre Moscovici, hamaranana ny “fitrandrahana tafahoatra ny tahiry Afrikana” [fr]. Taorian'io kabary io dia namoaka fanambarana an-gazety ny Banky Mondialy fa nanangana tahirim-bola...

Rosia : Tetikasa “Bribr” Hamantarana ny Fisian'ny Kolikoly

Akon  09 Oktobra 2012

Fampiharana vaovao amin'ny iPhone/iPad ny Bribr [amin'ny teny rosiana] ; App Store, Facebook] izay ahafahan'ny mpisera azy tsy ho fantatra anarana (anonyme) ao Rosia mandefa ny toerana nisian'ny kolikoly sy ny totalin'ny vola natao kolikoly. Afaka ampahafantarina arak'izany ny vola noraisina tamin'ny kolikoly. Araka ny fanambaran'ny Bribr [rosiana], […] Mpitsabo, tafika, fadin-tseranana –...

Hanandratra Ny “Herin'ny Isika” Ny Blog Action Day 2012

  08 Oktobra 2012

Vonona hitendry lahatsoratra amin'ny alalan'ny tànana kinga avokoa ireo bilaogera avy amin'ny firenena 95. Ao anatin'ny andro iray, hibilaogy mikasika lohahevitra iray iombonona izy ireo ka hamoaka fitambaranà tantara samihafa loko sy fampahatsiarovantena izay hipàka amin'ireo mpihaino an-tapitrisany. Amin'ny 15 Oktobra 2012 ny Blog Action Day! Hatramin'ny taona 2007, natao hanentanana...

Pero: Mampidi-doza Ny Rano Any Iquitos Ny Voly Tokana

  06 Oktobra 2012

Amin'ity lahatsoratra fahatelo sady farany momba ny olana mikasika ny rano any amin'ny tanànan'i Iquitos ity dia afantokay amin'ny voly tokana any amin'ny reniranon'i Nanay sy ny fifanoherana amin'ireo izay manohana ity karazam-boly ity sy ireo tsy mankasitraka izany.