· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Septambra, 2012

Shina: Simban'ny Fitrandrahana Arin-Tany Ny Sahan'i Hulunbuir

  22 Septambra 2012

Ny saha maitson'i Hulunbuir , iray amin'ireo saha kanto any amin'ny Mongolia afovoany, voakaoka noho ny fisian'ny fitrandrahana arin-tany manakaiky io faritra io. Mpiserasera aminà bilaogy Shinoa iray dia manamafy fa tsy fandravàna ny tontolon'ny zava-boahary fotsiny ihany ny asa fitrandrahana fa fandrobàna ny kolon-tsaina ihany koa.

India: Endri-panoherana Amin'ny Filonana Rano Hatreny An-tenda

  12 Septambra 2012

Mponina iraika ambidimampolo avy ao amin'ny vohitr'i Ghongalgaon avy amin'ny distrikan'i Khandwa ao amin'ny fanjakàna Indiana ao Madhya Pradesh no nanomboka hetsi-panoherana iray 'Jal Satyagraha' amin'ny filonana hatreny an-tenda tao anatin'ny ranon'ny tohodrano Omkareshwar ao amin'ny renirano Narmada. Ilay hetsika dia ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hampakatra ny haavon'ny rano ao amin'ilay tohodrano.

Afrika Frankôfôna: Ny Ivotoeram-Piofanam-Pitantanam-Panjakana

  09 Septambra 2012

Tamin’ny volana Febroary 2001, lany nandritra ny fivoriambe tany Windhoek, ao Namibia  ny Sata Mifehy ny Asam-panjakana ao Afrika (PDF). Efa-polo taona taorian'ny fahaleovantena, mampiseho ny fahataran'ny fanomezan-danja ny fitantanam-panjakana momba ny fampandrosoana sy ny fitsinjaran-karena ao Afrika ny fanambarana nivoaka tao Windhoek. Nampisy fihenana ny isan’ny mpiasam-panjakana afrikanina ny fandaharan’asa momba ny...

Madagasikara: tezitra nohon'ny fahatapahan-jiro matetika ny vahoaka ka nanafika ny #JIRAMA Farafangana

  05 Septambra 2012

Ny namana avylavitra no nanaitra voalohany tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera [na twitter] fa : @avylavitra: #JIRAMA #FARAFANGANA notafihan'andian'olona omaly [ndlr. Alahady 2 septambra 2012] tamin'ny 7 ora alina #Madagascar Nohamarinin'ny « L'express de Madagascar » tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera izany taty aoriana : “@LExpressMada: Nopotehin'ny olona ny Jirama tao Farafangana...