Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Mey, 2012
Bangladesh: Shawpno Rath – Sekoly Iray Ho An'ireo Ankizy Avy Eny Ambany Tanàna
Tao Dhaka, Bangladesh, dia andian-jatovo iray no nanomboka nametraka ny atao hoe 'Shawpno Rath' (KAlesin'ny Nofy), miaraka amin'ny tanjona fampidirana an-tsekoly ireo ankizy sahirana. Mino ilay vondrona fa soroka miara-milanja tsy azo ihodivirana amin'ny ady atao handresena fahantrana ny fanabeazana.
Andian-dahatsary: Miady Amin'ny Fanilikilihana ny Fitenin-Janatany
Ny tantaran’ny mpitolona sy ny fiarahamonina indizeny manerantany izay mijoro manohitra ny fanavakavahana sy manome vahaolana hanomezan-danja indray ny fitenin-drenin’ny indizeny no hoentin’ny andian-dahatsary Al Jazeera's Living the Language (Ny fomba iainan’i Al Jazeera ny Fiteniny) ho antsika.
Però: Ny fomba niarovan'ny Achuar ny taniny tamin'ireo orinasa mpitrandraka solitany
Ilay sarimihetsika Chumpi & The Waterfall (Chimpi sy ilay riandrano) no mitantara ny fiainan'i Chumpi kely sy ny fiarahamonina nisy azy, ny Achuar izay mponina mipetraka ao amin'ny alan'ny Amazonina eo amin'ny sisintany mampisaraka an'i Pero sy Ekoatera. Aseho ao amin'ilay sarimihetsika, nadika an-tsoratra amin'ny teny anglisy, ny harena ananan'ny...
Etiopia: Fihaonambe Iraisam-pirenena Ara-toekarena Afrika 2012
Mpitondra maherin'ny 700 avy aminà firenena maherin'ny70 no nanatrika ny Fihaonambe Iraisam-pirenena Ara-toekarena natao tao Addis Abeba, Etiopia nanomboka ny 9 hatramin'ny 11 May 2012.
Bolivia: Fampandrosoana Misanda Ohatrinona? Fifandirana Momba Ny Lalana TIPNIS
Mbola niteraka fifandirana sy hetsi-panoherana indray ny tetikasa fanamboaran-dalana ao Bolivia izay manavatsava ny Faritanin'ny vazimba teratany sady valan-java-boarim-pirenena Isiboro Sécure (TIPNIS amin'ny teny espaniola)
Lahatsary: Mifampizara Ny Fiainany Ny Reny Manerantany
Hita ao amin'ny fampirantiana an'aterineton'ny Mozea iraisampirenena Momba ny vehivavy avokoa ny momba ny reny rehetra. Nampahafantatra ireo karaza-pijery momba ny reny tamin'ny alalan'ny fanadihadiana an-dahatsary natao tamin'ny vehivavy avy ao Nizeria, Kenia, Afganistana, Etazonia, Kolombia, Hongria, Shina ary Norvezy ny MAMA: Ny Fiainan'ny reny manerana ny glaoby. Mama to Be (Ho reny atsy...
Sri Lanka: Miatrika Fitobahan'ambim-bava Avy Amin'ny Fambolena
Miatrika karazana fanamby vaovao ny governemanta ao Sri-Lanka, miatrika ny fitobahan'ny ambim-bava amin'ny vary. Na izany aza anefa, tantsaha iray ao Sri Lanka no mitondra fanazavana ilay bilaogera momba ny fijalian'ireo mpamoka-bary ao Sri Lanka, izay tsy mahazo ny sanda sahaza ny vokatr'izy ireo.