· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Janoary, 2012

Lahatsary: Taona Iray Tontolo Iray Ary Tantara 52 Samy Hafa

  29 Janoary 2012

Hitsidika firenena irery mandritra ny herintaona ilay mpanao gazety amin'ny alàlan'ny Lahatsary Maggie Padlewska, hitety firenena iray isan-kerinandro ary mitontaly 52 ireo firenena hotsidihany amin'izany. Mandritra ny fitsidihany dia haka ary hamokatra lahatsarin'ny fifandraisany amin'ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana ary olona zara raha voaresaky ny mpampita vaovao izy, ary hamoaka izany ao amin'ny aterineto izy.

Goatemalà: Fampiasana Ankizy Any An-tsaha Fambolena Fary

  20 Janoary 2012

Ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazetin'ny Plaza Publica tao Goatemalà no nahitana ny mpitondra ao amin'ny fitondrana, izay manana adidy araka ny lalàna hisoroka ny fampiasana zaza, mamela ny zaza latsaky ny 14 taona hiasa eny amin'ny saha fambolena fary, toerana ilana herintsandry sy mampidi-doza. Singam-pary navoakan'i Chris McBrien CCBy Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny...

Madagasikara : Taorian'ireny raharahara fanaovana ampihy mamba ny tany lonaka ireny, dia efa tafaverina sahady ve ny Daewoo?

  16 Janoary 2012

Ny namana mpiblaogy Sam Ganegie no manapariaka taratasy malalaka izay nosoratan'Atoa Mamy Rakotondrainibe hoan'Atoa Andry Rajoelina ary mangataka fangaharahana mikasika ny raharaha manodidina ny fiverenan'ny orinasa Daewoo Logistics anivon'ny tontolo ekônomika Malagasy [fr]. Manolotra fanampim-panazavana manodidina ny fiverenan'io raharaha Daewoo io [fr] i Mahefa Rakotomalala [gazety lexpressmada.com]. Ity orinasa Koreana tatsimo...

Madagasikara, Etiopia: Varoboba tany lonaka

  12 Janoary 2012

Ny fikambanana “TANY” izay miady hoan'ny fiarovana ny tany any Madagasikara no nanapariaka lisitra mitanisa ireo tany any Madagasikara efa ataon'ny vahiny ampihy mamba [fr]. Mampahanfatatra ny rehetra ry zareo fa na ny varotra na ny fampanofana tany lonaka amin'ny vidiny tsizarizary dia samy tena misy tokoa any Madagasikara (2...

Taiwan: Tsy Mijery Ny Fahorian'Ireo Tantsaha Ny Fandinihana Ny Làlana Momba Ny Fakàna Ny Tany

  10 Janoary 2012

Koa satria efa mihamanakaiky ny fifidianana ny ho filoham-pirenena, ireo mpanao politika mpikambana ao amin'ny Yuan mpanatanteraka dia nanapa-kevitra ny hamerina handinika ilay lalàna. Na izany aza, raha tokony ho ny fahorian'ireo tantsaha no vahàna, tamin'ny 13 Desambra 2011, ireo mpanao lalàna avy ao amin'ny Yuan mpanao lalàna dia nandàny fanitsiana iray tamin'ilay lalàna izay nampidirany ny maha-lohalaharana ny fampandrosoana manoloana ny fanajàna ny zon'olombelona.

Brazil: “Nihoarantsika Ny Harin-karena Faoben'i Royaume Uni. Dia ahoana?”

  02 Janoary 2012

Ny vaovao, navoakan'ny mpampahalala vaovao iraisam-pirenena ary naelin'ny mpampahalala vaovao teo amin'ny firenena, dia nameno rehareha sy fanantenana tao anatin'ireo nasionalista Breziliana, ary namela kosa ireo izay nanadihadyny terhimarika ho tery loatra hitoetra ao anaty fisalasalàna. Ireo bilaogera dia misaina ny dikan'ny hoe lasa firenena fahaenina matanjaka erantany amin'ny resaka harinkarena faobe, sady mitàna ny laharana faha-84 amin'ny tondro omen'ny Human Development Index (Tondrom-Pivoaran'ny Maha-olona).