· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Fampandrosoana tamin'ny Mey, 2011

Brezila: Saripika avy amin'ny kiendiendim-panoheran'ny “Olona Samihafa”

  30 Mey 2011

Tsy fantatra tsara aloha raha ho tontosa ihany na tsia ny fananganana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis na tsia taorian'ny fihetsiketsehana kiendiendy na tsia, fa niteraka famoronan-javatra isan-karazany tamin'ny mpisera aterineto izany. Jereo ao amin'ity lahatsoratra ity ny sary sy lahatsary tsara indrindra notsongaina avy amin'ilay kiendiendy goavana.

Ségou Village Connection: Aterineto Finday Mampifandray Olona

Rising Voices  28 Mey 2011

Tsotra ny tanjon'ny tetikasa Ségou Village Connection ao Mali, iray amin'ireo tetikasa nahazo ny famatsiam-bola avy amin'ny Rising Voices: mampifandray ny mponina ambanivohitra sy ny mponina an-tanan-dehibe ao Mali amin'ny alalan'ny finday sy ny Aterineto. Boukary Konaté, bilaogera maliana, mpanentana mavitrika amin'io tetikasa io no manazava ny maha-iankinan'ny ain-dehibe io fifandraisana io :...

Brezila: Tandindonin-doza ny hoavin'ny ala

  22 Mey 2011

Tao anaty herinandro vitsivitsy farany teo, nahoraka ny kongresim-pirenena breziliana niaraka tamin'ny fanerena hifidianana ny lalàna vaovao mifehy ny rano sy ny ala. Ilay tetik'asa natolotra, izay nifantoka tamin'ny fanovana ny lalàna efa nisy teo aloha, dia neken'ny fivondronan'ny solombavam-bahoaka atao hoe "Ruralist front" na ny mandan-tehezan'ny tantsaha. Ireo mpandala tontolo iainana dia nanentana mba hanohitra ilay lalàna vaovao, ary ireo Siantifika kosa dia nangataka fotoana lavalava handinihany ilay volavolan-dalàna.

Fifaninanana Erantany Fitorahana Bilaogy Momba Ny Olan'ny Rano

  10 Mey 2011

Ny European Journalism Centre (Ivontoerana Eraopeana ho an'ny Fanaovan-gazety) dia mampanao fifaninana mitoraka bilaogy ato anatin'ny 3 volana miompana amin'ny olan'ny rano, nomena ny anarana hoe TH!NK5. Mpitoraka bilaogy avy amin'ny firenena 40 samihafa no nirotsaka hifaninana, samy te-hahazo ny loka amin'ny famaranana: fandehana any Lisbon, Portugal. Indreto ny sasany amin'ireo lahatsoratra be mpahalala indrindra sy avy any ifotony nosoratan'ny sasany tamin'ireo nivoaka ho mpandresy: