The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Development Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Development

2009-11-04

Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?

Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazana izy ireny no "stereotypical" loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany asandratra ho toy ny zava-marina. Ato anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ireo fanehoan-kevitra maro noho ilay lahatsoratry ny National Geographic momba ny firenena tsy ela akory izay.

2009-10-23

Goadelopa: Andron'ny rano

Any amin'ny nosy miteny frantsay any Karaiba, nosin'i Goadelopa, manana anaram-bositra manao hoe "Nosin'ny rano tsara" koa, dia iankinan'ny ain-dehibe ny rano. Tena zava-dehibe satria izy no mamaritra ny toetr'andro any an-toerana, na izany amin'ny alalan'ny tsy fahitana azy na izany amin'ny alalan'ny fahatondrahany: ny “Karemy” fotoanan'ny maintany izay maharitra ...

2009-10-20

Malawi: Fanatanjahan-tena sy Kamkwanba, ilay tovolahy namokatra angovo avy amin'ny rivotra

Na dia mangina aza ny tontolon'ny bilaogy amin'ny ankapobeny dia nisy zava-niseho maro tany Malawi tato anatin'ny herinandro vitsivitsy izay. Vao tamin'ny faran'ny herinandro teo dia nanao ady sahala tamin'ny Elefantan'i Côte d'Ivoire i Malawi ary anisan'ny mpilalao tamin'izany i Didier Drogba, mpilalao avy any Chelsea. Tao amin'ny kianjan'ny Kamuzu no ...

2009-10-10

Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany

Rising Voices
Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices. Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3 Septambra 2009: Noho ny fandraisana andraikitry ny sendikàn'ny mpanao gazety ao Côte d'Ivoire (UNJCI), sy ny niarahany niasa tamin'ny Fikambanana ...

2009-09-09

Maraoka: Fampianarana ny teny “Berbery” any an-tsekoly

Niteraka resa-be tao amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny lahatsoratry ny BBC News iray momba ny fampianarana ny “teny Berbery” any Maraoka. Ilay lahatsoratra, izay manasongadina ireo safidim-mpampianarana hianarana sy handalinana ilay fiteny, sy manome fanazavana momba ny fivoaran'ny alfabeta Tifinagh, dia niteraka karazan-dahatsoratra maro. Mitantara i Jillian C. York.

2009-09-07

Global Voices + Resadresaka hanatsaràna ny tany

Conversations for a Better World
Blaogy iray vaovao tohanan'ny United Nations Population Fund (UNFPA) antsoina hoe resadresaka ho fanatsarana ny tany no nanome làlana ny mpitoraka blaogy avy amin'ny Global Voices mba hanampy azy ireo hampivoitra ny resaka an-tserasera momba ny mponina sy ny fandrosoana manerana izao tontolo izao.

2009-09-05

Nepal: mandray an-tanana ny olana amin'ny fiovan'ny toetr'androVideo post

Resaka mahoraka any Népal ankehitriny ny olana momba ny fiovan'ny toetr'andro, na dia mampiseho aza ny fanadihadihana fa olona marobe any an-toerana no mosarena vokatry ny haintany miseho matetika, dia loza mitatao ho an-dry zareo koa ny fitsoniky ny ranomandry. Miankina betsaka amin'ny fizahan-tany sy ny fambolena ny lafiny ekonomika ...

2009-08-15

Porto Rico: miady tanim-panjakana

Mponin'i Villas del Sol - saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria. Vao namoaka didy ny fitondrana Porto Rikana hanaisotra any Villas del Sol fokontany any Toa Baja, fianakaviana miisa 200 lazainy fa mibodo ny tany izay mora tratran'ny tondra-drano. Nandefa gazy mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana ary nanafika ...